Tetiarana
Ny tetiaran’ny FamilySearch dia lahatahiry lehibe ahitana rafi-tetiarana, fantatra ihany koa amin’ny hoe rohim-pihavanana, izay nozarain’olona na fikambanana amin’ny FamilySearch. Arindranay ilay fampahalalana mba ho lasa angom-piraketana ary ataonay azo ampiasaina ho an’ny fikarohana izany.
Zahao ny iray amin’ireo angom-piraketanay
Hahita hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’arivony izay nalefan’olona sy mpiara-miasa ary vondrona matihanina momba izany ianao ao anatin’izany.
Hikaroka rafi-tetiarana manokana
Avelao izahay hanampy anao hitady ny tetiarana izay tadiavinao. Mampidira fanampin’anarana na toerana mifandray amin’ilay fianakaviana, ary hitady izany any anatin’ny angom-piraketanay rehetra izahay.
Hazon’ny tetiarana ara-bondrom-piarahamonina
Ezaka nanangonana sy namoahana tetiaran’ny tanàna na vondron’olona iray manontolo. Ireo dia hazon’ny tetiarana miaraka amin’ny loharano nahazoana azy ireo, avy amin’ny vanim-potoana manokana sy toerana manokana manerana izao tontolo izao.
Tetiarana am-bava
Firazanana sy tantara am-bava avy amin’ny toerana maro manerana izao tontolo izao, indrindra fa i Afrika sy Oseania. Tahirizin’ny FamilySearch ny horonam-peo ary mamorona hazon’ny tetiarana avy amin’ny zavatra raketin’izany ny FamilySearch.
Fikambanan’ireo mpandalina anaran’olona
Tetikasa iray izay mifantoka amina anaram-pianakaviana manokana sy ireo olona izay nanana izany.
Hazon’ny tetiarana avoakan’ny solosaina
Angona hazon’ny tetiaram-pianakaviana namboarina solosaina. Ampiasain’ny solosaina ny raki-tantara mba hanamboarana hazon’ny tetiarana ho ana toerana sy vanim-potoana iray manokana.
MyTrees.com
Angona hazon’ny tetiaram-pianakaviana efa nakatona namboarin’ireo mpampiasan’ny MyTrees.com talohan’ny 2020.
RootsFinder
Angona hazon’ny tetiarana tsy mitsaha-mitombo namboarin’ireo mpampiasan’ny RootsFinder. Misy fampahalalana vaovao ampiana tsy tapaka amin’io angom-piraketana io.
American Ancestors
Hazon’ny tetiarana noforonin’ireo mpampiasan’ny AmericanAncestors. Io angom-piraketana io dia ahitana tetiarana manana fifandraisana matanjaka amin’ny faritra Nouvelle Angleterre ao Etazonia.
Raki-tahiry momba ny loharanon’ny tetiarana
Angon-kevitra ao amin’ny GEDCOM izay misy anarana an-tapitrisany maro. Raha toa ka ao anatina raki-tahiry GEDCOM ny hazon’ny tetiaram-pianakavianao dia hevero ny hizara izany amin’ny FamilySearch mba hahafahan’ny olona hafa mikaroka ny ao anatin’izany.
Raki-tahiry momba ilay razambe
Angona rohim-pirazanana efa nakatona ary fampahalalana hafa nalefa tamin’ny FamilySearch talohan’ny 2003. Mikaroha ao amin’io lahatahiry tsy fanta-piaviana io raha mbola tsy misy fampahalalana fanampiny.
Inona no maha samy hafa ny tetiarana sy ny Rafi-tetiaran’ny FamilySearch?
Ny Tetiarana dia angon-tahirina tantaram-pianakavian’olona an’aliny sy rohim-pihavanana ary tantara hafa. Ny Rafi-tetiaran’ny FamilySearch kosa dia hazo an-tsary na fifandraisana tsotra ho ana fianakaviana iray manontolo.