Hikaroka raki-tantara
Ny firaketana dia mamorona lalana an-taratasy ho an’ireo razambenao ary afaka mitondra anao amin’ny antsipiriany manan-danja momba ny fiainan’izy ireo. Mampidira anarana dia hotadiavinay ao amin’ireo fanamarinam-piterahana, fisoratana anarana amin’ny fanambadiana, firaketana ny fanisam-bahoaka, ary antontan-taratasy hafa izany.
Hitady angom-piraketana
Ny firaketana ny razambenao dia ao anatina angom-piraketana misy antontan-taratasy mitovy: Batisa tao Argentina ohatra, na fanisam-bahoaka tany Etazonia tamin’ny 1940. Ny fikatsahana angom-piraketana manokana no fomba iray hampihenana ny fikarohanao. Raha tsy hainao ny anarana marin’ilay angom-piraketana dia manorata fa hiezaka hanampy anao izahay.
Mikaroka araka ny toerana
Faritra maro eo amin’izao tontolo izao no mampiasa fomba fikarohana hafa. Mampidira toerana iray dia hasehonay anao ireo fitaovana sy loharano anananay hanampiana anao hahita ny razambenao izay niaina tao.
Inona no atao hoe raki-tantara?
Ny raki-tantara dia antontan-taratasy ôfisialy izay mampahafantatra tranga iray teo amin’ny fiainan’ny olona iray. Ohatra amin’izany ny fahazoan-dalana hanambady, karatra, fanamarinam-piterahana, ary firaketana ny fanisam-bahoaka.
Ahona no hanampian’ireo raki-tantara ahy hianatra momba ny fianakaviako?
Ny raki-tantara matetika dia manambara antsipirian-javatra manan-danja momba ny toerana nipetrahana na niavian’ny fianakavianao, ny toerana nahaterahan’ireo olona ao amin’ny fianakaviana na nanambadiany, ary ny fotoana nahafatesany.