Ataovy mipoitra ireo zavatra hita vao haingana amin’ny alalan’ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo 

Karohy ny ao anatin’ny angom-piraketana ara-tantara izay tsy nasiana fampahalalana mba hipoitran’ny anarana, sy ny daty, ary ny antsipiriany izay tsy hita amin’ny fikarohana tsotra.

Atombohy ny fikarohanao

Hikaroka amboaram-piraketana manokana

Ny firaketana ny razambenao dia ao anatina angom-piraketana misy antontan-taratasy mitovy. Ny fikarohana angom-piraketana manokana no fomba iray hanamorana ny fikarohanao. Raha tsy hainao ny anarana marin’ilay angom-piraketana dia manomboha manoratra, fa hiezaka hanampy anao izahay.

ohatra Alabama, Wills and Deeds, teo ho eo anelanelan’ny 1700-2017

Hikaroka ao amin’ireo angom-piraketana rehetra

Fomba roa hanaovana fikarohana

Manaova fikarohana amin’izay fomba mahomby indrindra aminao. Manome anao fomba roa hitadiavana firaketana ny fanaovana fikarohana amin’ny alalan’ny lahatsoratra feno:

Fikarohana tsotra

Fariparito amin’ny teninao manokana hoe iza na inona no tadiavinao, dia avelao izahay hanao ny ambiny.

Hikaroka lalindalina kokoa

Mampidira antsipirian-javatra voafaritra tsara toy ny anarana, daty ary toerana raha tianao hofehezina kokoa ny vokatra tianao ho azo.

Ampifandimbiaso ampiasaina izy ireo amin’ny alalan’ireo vakizoro etsy ambony.

Ny fomba fampiasana ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo ao amin’ny FamilySearch

Matetika dia teny fototra tokana dia ampy hanombohana. Avy eo, miankina amin’ny vokatra azo, dia ampio na analao teny na asio sivana mba hanatsarana ny fikarohanao.

Ampidiro ireo teny fototra

Mety hoe anarana na antsipiriany hafa izay heverinao fa afaka manampy anao hahita ny razambenao.

Mampiasà sivana mba hahazoana valiny marina tsara

Hita eo ankavian’ny efijery izy ireo, eo ambanin’ny andinindininy momba ny fikarohana.

Avereno jerena ny voka-pikarohanao

Amboary ny sivana na teny fototra mandra-pahazoanao fifandanjana eo amin’ny kalitao sy ny habetsany.

Ny fomba hanovàn’ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo ny fikarohana ataonao

Tsy lany fotoana kanefa mampipoitra ireo antsipiriany izay tsy ho hitanao amin’ny fomba fikarohana hafa.

  • Tongava mijery sahady ireo firaketana amin’ny fikarohana ireo amboaram-piraketana izay tsy mbola nasiana fampahalalana.

  • Tsy azonao antoka ve ny momba ny anaran’ireo razambenao? Andramo ny toerana, na daty, na trangan-javatra, na antsipiriany hafa izay mety misy ifandraisany amin’izy ireo.

  • Karohy ny teny rehetra hita ao amin’ilay angon-drakitra, anisan’izany ny fanamarihana rehetra.

Fanontaniana apetraka matetika