Ataovy mipoitra ireo zavatra hita vao haingana amin’ny alalan’ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo
Karohy ny ao anatin’ny angom-piraketana ara-tantara izay tsy nasiana fampahalalana mba hipoitran’ny anarana, sy ny daty, ary ny antsipiriany izay tsy hita amin’ny fikarohana tsotra.
Hikaroka amboaram-piraketana manokana
Akelezo ny voka-pikarohanao amin’ny fikarohana ao anaty amboaram-piraketana tokana misy angon-drakitra ara-tantara. Atombohy ny fanoratana dia ho arosonay izay lohateny mifanaraka amin’izay voasoratrao.
Torohevitra hahombiazana amin’ny fikarohana lahatsoratra manontolo
Betsaka loatra ve ny voka-pikarohana? Andramo ireto paik’ady ireto mba hampifantoka ny fikarohana ataonao:
Hitady teny na andian-teny voafaritra manokana
Ampiasao ny farango sosona. Ohatra: "Aina Ratsimba"
Asiana teny na andian-teny voafaritra manokana
Ampiasao ny tarehin-tsoratra +. Ohatra: +Miora
Tsy asiana teny na andian-teny voafaritra manokana
Ampiasao ny tarehin-tsoratra -. Ohatra: -Rivo
Hitady tsipelina samihafa
Ampiasao ny tarehin-tsoratra ?. Ohatra: Ny Rakoto? dia hamokatra hoe Rakotobe sy Rakotovao
Hitady endrika samihafan’ny teny fototra iray
Ampiasao ny tarehin-tsoratra *. Ohatra: Ny fiara* dia hamokatra fifandraisana manao hoe fiarakodia, fiaramanidina, fiaran-dalamby, sns.
Ny fomba fampiasana ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo ao amin’ny FamilySearch
Matetika dia teny fototra tokana dia ampy hanombohana. Avy eo, miankina amin’ny vokatra azo, dia ampio na analao teny na asio sivana mba hanatsarana ny fikarohanao.
Ampidiro ireo teny fototra
Mety hoe anarana na antsipiriany hafa izay heverinao fa afaka manampy anao hahita ny razambenao.
Mampiasà sivana mba hahazoana valiny marina tsara
Hita eo ankavian’ny efijery izy ireo, eo ambanin’ny andinindininy momba ny fikarohana.
Avereno jerena ny voka-pikarohanao
Amboary ny sivana na teny fototra mandra-pahazoanao fifandanjana eo amin’ny kalitao sy ny habetsany.
Ny fomba hanovàn’ny Fikarohana Lahatsoratra Manontolo ny fikarohana ataonao
Tsy lany fotoana kanefa mampipoitra ireo antsipiriany izay tsy ho hitanao amin’ny fomba fikarohana hafa.
Tongava mijery sahady ireo firaketana amin’ny fikarohana ireo amboaram-piraketana izay tsy mbola nasiana fampahalalana.
Tsy azonao antoka ve ny momba ny anaran’ireo razambenao? Andramo ny toerana, na daty, na trangan-javatra, na antsipiriany hafa izay mety misy ifandraisany amin’izy ireo.
Karohy ny teny rehetra hita ao amin’ilay angon-drakitra, anisan’izany ny fanamarihana rehetra.