Ny tranonkalan’ny FamilySearch izay azo hidirana maimaim-poana no ahitana ny rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Ity rafi-tetiarana iombonana ity, izay fantatra amin’ny anarana hoe Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch, dia ahitana fampahalalana momba ny razambe mihoatra ny 1200 tapitrisa izay nampidirin’ny taranaka an-tapitrisany.
Inona no atao hoe “Rafi-tetiarana iombonana”?
Ny rafi-tetiarana mitambatry ny FamilySearch dia tsy mitovy amin’ny traikefa azo amin’ny fanamboarana rafi-tetiarana ao amin’ny ankamaroan’ireo tranonkala hafa. Mba tsy hampifantohana ny ezaka amin’ny fananganana mitokana ny rafi-tetiaran’izy ireo manokana tsirairay avy, dia aleon’ireo mpanangana rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch miara-miasa mba hanangana rafi-tetiarana tokana, iombonana izay manampy anao sy ny hafa hahafantatra zavatra bebe kokoa momba ireo razambe sy ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana.
Raki-pamantarana iray ho an’ny olona maty tsirairay
Ny rafi-tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch dia miezaka hanana raki-pamantarana tokana hitan’ny besinimaro ho an’ny olona tsirairay izay nodimandry izay nisy hatramin’izay. Ireo taranaka dia mitondra izay fantany momba ny olona iray ao amin’ny raki-pamantarana tokana sy iombonana fa tsy mampiparitaka ny fahalalany amin’ny raki-pamantarana maro amin’ny rafi-tetiarana maro, izay mety misy sakana ara-tsiambaratelo ny sasany amin’izy ireny.
Fanamarihana: ny fampahalalana momba ny kaontin’olona manokana sy ny antsipirian-javatra rehetra momba ny olona mbola velona dia hazonina ho tsiambaratelo ao amin’ny Rafitetiarana ao amin’ny FamilySearch. Ny olona efa nodimandry ihany no manana raki-pamantarana hitan’ny besinimaro.
Nahoana no tokony hampiasa ilay Rafi-tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch?
Afaka manampy anao hifandray mora kokoa amin’ny fianakavianao sy hanangana ny tantaram-pianakavianao ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Ireto misy fomba miisa dimy mety hanampy anao.
- Mamantatra fampahalalana vaovao: Afaka manampy anao hamantatra fampahalalana vaovao momba ny razambenao ary hitady havana tsy fantatrao mihitsy aza ny rafi-tetiarana iombonana. Ny fampahalalana tsirairay ampidirin’ny olona, tahirin-kevitra, sary, fahatsiarovana, toerana nandevenana, dia mety hanome fampahalalana bebe kokoa mahakasika ny mombamomba ny razambe iray na ny traikefany teo amin’ny fiainana.
- Manangana amin’ny fomba tsotra ny rafi-tetiaranao: Mety ho asa mandreraka ny mameno samirery ny raki-pamantarana ho an’ny razambenao tsirairay ho an’ny rafi-tetiaranao. Rehefa miditra ao amin’ny rafi-tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch ianao, dia mety hanana fampahalalana betsaka izay efa ao amin’ny raki-pamantarany ny sasany amin’ireo razambenao. Na dia ianao aza no voalohany mampiditra razambenao manokana ao amin’ilay rafi-tetiarana iombonana dia afaka mampiseho anao ireo firaketana misy ho an’izany razambe izany ny FamilySearch ary afaka manampy anao ireo olona ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny famenoana izay zavatra fantatr’izy ireo.
- Miezaka ny hanana fomba fijery mivelatra kokoa: Ny vokatra ankapobeny azo avy amin’ny rafi-tetiarana iombonana izay azo avy amin’ny loharanom-pahalalana tsara dia afaka ny ho feno sy marina kokoa noho ny rafi-tetiarana mandeha mitokana. Na dia mety tsy hitovy amin’ny zavatra fantatrao momba ny razambenao aza indraindray ny fampahalalana ampidirin’ireo mpampiasa dia manome fahafahana ny taranaka rehetra hizara fampahalalana mety tsy ho fantatry ny hafa sy hampiditra loharano mba hanamafisana ireo fampahalalana marina ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch.
- Mifandray amin’ny taranaka hafa: Ny miara-miasa ao amin’ny rafi-tetiarana maneran-tany koa dia manampy ireo taranaka hifandray. Mety hahita havana ianao izay namangy fasana mitovy sy nametraka fanontaniana mitovy momba ny razambe mitovy, ary mety nianatra nitia azy ireo na talanjona tamin’izy ireo mihitsy aza.
- Manao maimaim-poana ny tantaram-pianakavianao: Rehefa miditra maimaim-poana ao amina kaonty FamilySearch ianao ary mampiditra ny tenanao amin’ny rafi-tetiarana iombonana, dia ho afaka ny hahita ireo razambe rehetra mifandray aminao ao amin’ny endrika isehoan’ny rafi-tetiaranao manokana. Io rafi-tetiarana an-jotra io dia mamela anao hampiditra trangam-piainana ao amin’ny raki-pamantarana ireo razambenao, hijery sarin-tany iray izay ahitana ny toerana mety ho nalehan’izy ireo, hijery sy hampiditra sary, fahatsiarovana, ary firaketana, sy ny maro hafa.
Mba hahitan-javatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia midira ao amin’ny FamilySearch.org na ny Application Arbre Familial ho an’ny finday.
Zava-baovao aminao ve ny FamilySearch? Hisoratra anarana amin’ny Kaonty maimaim-poana
Jereo ny zavatra azon’ny rafi-tetiarana iombonana lehibe indrindra maneran-tany lazaina anao momba ny fianakavianao. Midira ao amin’ny FamilySearch.org, na sintony ilay application FamilySearch ho an’ny fitaovana finday iOS na Android.
Hianatra bebe kokoa momba ilay Rafi-tetiarana iombonana
Mba hahalalana ny fomba hitadiavana ireo razambe izay mety efa ao amin’ny rafi-tetiarana iombonana dia mifandraisa amin’ireo olona velona ao amin’ny fianakaviana izay mampiasa ny FamilySearch ary ankoatra izay, dia jereo ny ao amin’ireto rohy manaraka ireto!