Rehefa miezaka ny hahatakatra ny fifandraisan’ny fianakaviana ianao, dia izay mahita no mino. Maneho topimaso ankapobeny an’ireo razambe ny tsirairay avy amin’ireo endrika isehoan’ny rohim-pihavanan’ny rafi-tetiarana miisa efatra ao amin’ny FamilySearch. Rehefa manindry anarana iray voafaritra tsara ianao, dia afaka mahita antsipirian-javatra momba ny olona iray ary lasa mahaliana sy mahakasika ny tena manokana kokoa ny tantaram-pianakaviana.
Ireo endrika isan-karazany isehoan’ny Rafi-tetiarana dia manampy ireo olona vao manomboka mampiasa izany hahita ny fomba hifandraisan’ny rohim-pirazanana. Izy ireo ihany koa dia manolotra olona manam-pahaizana manokana manana fomba fijery mivelatra kokoa mikasika ny zavatra tokony hatao manaraka.
Ny fomba hanombohana
Rehefa tafiditra ao amin’ny FamilySearch.org ianao dia tsindrio ny Rafi-tetiarana. Eo amin’ny sisiny havia indrindra dia ahitana lisitra mitandahatra midina izay hanome fahafahana anao hanovaova ireo endrika isehoan’ny tetiarana. Mitovy ihany ny fampahalalana ao amin’ny endrika isehoana tsirairay saingy samy hafa ny fomba nandaminana azy.
Alohan’ny hijerenao ireo endrika isehoana isan-karazany dia inty ny fomba ahafahana mitety ny tsirairay avy amin’ireo endrika isehoana miisa efatra:

- Mba hanidiana ireo rohim-pihavanana nitarinao rehetra ka hiverenana amin’ny tenanao dia tsindrio ny sary famantarana ny Renim-pejy.
- Raha hamaky antsipirian-javatra momba ny olona iray eo amin’ilay rafi-tetiarana dia tsindrio ny anaran’ilay olona. Hisy efajoro famintinana hisokatra. (Raha hijery ny pejin’ilay olona dia tsindrio ilay anarana miloko ao anatin’ilay efajoro.)
- Raha hanitatra ny rohim-pianakaviana ho any amin’ny taranaka 2 hafa dia tsindrio ilay tondro eo amin’ny faran’izany rohim-pianakaviana izany.
- Raha hamindra olona hafa any amin’ny toerana fototra, dia tsindrio ny anarany ary avy eo dia tsindrio ny Tetiarana ao amin’ilay efajoro famintinana.
- Mba hihazonana ilay rohim-pianakaviana nohitarina rehetra hisokatra ka hiverina any amin’ilay olona niandohana, dia tsindrio ny sary famantarana ny atao afovoany indray eo ambanin’ny bokotra tokantrano.
Ny takelaka Safidy

Ny takelaka Safidy eo ambony havanan’ny efijery dia manome anao fomba maro hanamboarana ny zavatra hitanao eo amin’ny tetiaranao. Miovaova miankina amin’ny endrika isehoan’ny tetiarana ampiasainao ny safidy amin’izany.
- Safidio ireo sary famantarana izay maneho ireo firaketana aroso hoenti-manampy, soso-kevitra momba ny fikarohana, ary olana momba ny daty mba hahitana io fampahalalana io hiseho eo amin’ilay tetiarana.
- Raha haneho na hanafina ireo sary, dia safidio ny Sary.
- Raha hanova ny loko ampiasaina avy amin’ny mazava mankany amin’ny marevaka dia tsindrio ny Hanova loko.
- Raha hamoaka printy ny rohim-pihavanana dia tsindrio ny Safidy, ary tsindrio avy eo ny Hamoaka printy.
Ireo endrika isehoan’ny Rafi-tetiarana
Endrika isehoana amin’ny kisary miendrika fikopahana
Ny kisary miendrika fikopahana dia fitaovana milokoloko sy mahavariana na ho an’ny tanora na ny efa zokiolona. Maneho hatrany amin’ny taranaka miisa 7 izany. Afaka misafidy izay isan’ny taranaka tianao ho hita ianao eo amin’ny faritra havanan’ilay lisitra mitandrahatra midina amin’ilay kisary.

Fomba fampiasana tena manampy maro ao amin’ilay kisary miendrika fikopahana no manome soso-kevitra sy fanampiana izay manamora ny famantarana ny fiafaran’ny rohim-pirazananao. Ahitana lisitry ny safidy amin’ny endrika isehoan’ny kisary ihany koa io endrika isehoana io. Rehefa mampiasa io lisitra io ianao dia afaka manao safidy avy amin’ny endrika isehoana misy loko famantarana maromaro izay manazava ireo karazana fampahalalana ao amin’ny tetiaranao. Ireto manaraka ireto no mety ho hita ao anatin’io fampahalalana io:
- Ny rohim-pianakavianao.
- Ny firenena nahaterahan’ireo razambenao.
- Ny isan’ny loharano mipaingotra eo amin’ny havana tsirairay.
- Ny isan’ny tantara mipaingotra eo amin’ny havana tsirairay.
- Ny isan’ny sary mipaingotra eo amin’ny havana tsirairay.
Mipoitra eo ambany afovoan’ilay kisary miendrika fikopahana ny anaranao, miaraka amin’ny vady aman-janakao eo ambanin’izany. Mipoitra eo ankavanana ireo razambe avy amin’ny reny ary mipoitra eo ankavia ireo razambe avy amin’ny ray. Tsy hiseho eo amin’io endrika isehoana io ny razamben’ny vadinao raha tsy rehefa mijery ny kisary miendrika fikopahana an’ny vadinao ianao.
Endrika isehoana ara-taranaka
Ny endrika isehoana ara-taranaka dia afaka manampy anao hahita ny taranak’ireo razambenao. Tena manampy tokoa izany raha manana rafi-tetiarana feno be ianao. Io endrika isehoana io dia maneho mihoatra ny ray aman-dreny, ny ray aman-drenibe, ary ny ray aman-drenin’ireo ray aman-drenibe. Afaka mahita nenitoa sy dadatoa ary zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreninao ihany koa ianao amin’ny endrika isehoana ara-taranaka.

Endrika isehoana mitsivalana
Ny Endrika isehoana mitsivalana dia miseho amin’ny endriny mitsivalana. Eo afovoany ianao, any ankavia ireo taranakao, ary any ankavanana ireo razambenao. Ao amin’io endrika isehoana io dia afaka mahita ny zanaky ny mpivady iray ianao rehefa manindry ny Zanaka eo ambanin’ny efajoro ahitana ireo mpivady. Tsindrio indray ilay tondro raha hiverina any amin’ny endrika isehoana teo aloha.

Endrika isehoana mitsangana
Ny endrika isehoana mitsangana dia maneho ny rafi-tetiarana amin’ny endrika mitsangana, ary ianao sy ny taranakao dia hita eny ambany ary ny razambenao eo amboninao.

Manampy antsika hahatakatra izay nitranga tany aloha tany ireo endrika isehoan’ny Rafi-tetiarana
Ny fiantraikan’ny fahitana ny fampivondronana ny fianakaviana ao anatina rafi-tetiarana iray dia mety hiteraka fahalianana lehibe mba hanao fikarohana ary antenaina fa hiteraka faniriana mampitodika fo hianatra bebe kokoa momba ireo havan-tiana ireo, ny lovanao, izay hitarika ho amin’ny fampifandraisana ny lasa ny ankehitriny ary ny ho avy mihitsy aza.