Nanapa-kevitra ianao ny hianatra momba ireo razambenao sy hampiditra zavatra ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Arahabaina ianao!
Ny famantarana ireo razambenao dia mety ho feno fikorontanana tsy ampoizina, toy ireny hoe mamaha zava-miafina na manao piozila ireny. Ary tahaka ilay manao piozila, dia manampy ny mahafantatra hoe aiza no aleha mba hahazoana ny valin’ny fanontanianao.
Raha vantany vao vitanao ny namorona ny tetiaranao, dia mety hanontany tena ianao hoe aiza no ahazoanao ny valin’ireo fanontanianao ary mety maniry ny hahafantatra izay tokony hatao manaraka ianao.
Mety hisy fanontaniana maro hipoitra rehefa miasa amin’ny fanaovana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch ianao. Mety hanontany tena ianao hoe:
- Ahoana no hampifandraisako ny tenako amin’ny tetiaran’ireo havako?
- Be dia be ny fampahalalana azo ampiasaina. Aiza no hanombohako azy?
- Dia ahoana raha tsy mahita fampahalalana mihitsy aho?
- Ahoana no handraisako anjara raha toa ireo olona ao amin’ny fianakaviana ka efa namita ny asa rehetra?
- Ahoana no hampiasako ireo tranonkala mpiara-miasa sy ireo applications momba ny tantaram-pianakaviana hafa miaraka amin’ny FamilySearch.org?
Ireo fanontaniana ireo sy ny hafa mitovy amin’izany dia hahatonga ny fanombohana manao tantaram-pianakaviana ho toy ny mavesatra be, ary mety hampikorontan-tsaina mihitsy aza indraindray. Fa afaka mahazo fanampiana nefa ianao!
Maro ireo fitaovana misy ao amin’ny FamilySearch.org izay afaka mampitombo ny rafi-tetiaranao. Ohatra hoe, rehefa mandeha ao amin’ny lisitra mitandrahatra midina ao amin’ny fanampiana eo amin’ny pejy fototra ianao, dia hahita ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana ahitana torolalana mandeha tsikelikely mikasika ny fampiasana ny FamilySearch.org sy ny zava-misy ao amin’ny Hanomboka mba hanampiana amin’ny famaliana ireo fanontaniana tsotra, miaraka amin’ireo pejin’ny loharano hafa maro izay manome fampahalalana fanampiny.
Ankoatra ny lisitra mitandrahatra midina ao amin’ny Fanampiana, ireto pejy eto ambany ireto dia feno torohevitra manome hevitra ary torolalana mikasika ny fampiasana izay tena manampy. Jereo izy ireny dia ho hitanao fa mora ny manomboka ny tantaram-pianakavianao!