Ahoana no hanombohana ny rafi-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch: Mampiditra ny taranaka efatra voalohany

CWD_85328A2A-12EA-20D4-E053-CB02630A594D

Rehefa vonona ianao ny hamantatra ny rafi-tetiaram-pianakavianao dia ny FamilySearch.org no toerana tsara indrindra hanaovana izany. Tsotra kely ny manokatra kaontinao maimaimpoana. Raha vao tafasokatra ny kaontinao dia mety hanontany tena ianao hoe: “Dia inona izany izao no atao?”

Ny fomba tsara indrindra hanombohana dia ny mampiditra ny taranaka efatra voalohany. Ny fanorenana ny rafi-tetiaranao manokana dia hanampy anao hahita hoe aiza ianao no mifandray amin’ny rafi-tetiaram-pianakaviana maneran-tany an’ny FamilySearch. Rohy iray ihany dia ahafahan’ny rafi-tetiaram-pianakavianao mihemotra an-jato taona maro!

Ny fanangonana ny mombamomba ny fianakavianao ho amina rafi-tetiaram-pianakaviana dia afaka manampy anao ihany ko hitahiry ireo fahatsiarovana sy fampahalalana momba ny fianakavianao mbola velona. Ankoatra ny fampidirana daty sy toerana fotsiny ao amin’ny rafi-tetiaram-pianakavianao dia afaka mampiditra antontan-taratasy sarobidy an’ny fianakavianao ihany koa ianao, na hitahiry sary, na hitahiry horonam-peo.

Tena mora ny famoronana ny rafi-tetiaram-pianakavianao! Ireto misy dingana vitsivitsy azonao atao dieny izao mba hanombohana.

Atombohy amin’ny tenanao

Eo amin’ireo safidy eo ambony amin’ny pejy fandraisana an’ny FamilySearch, dia ampandalovy eo amin’ny hoe Rafi-etiaram-pianakaviana ny korisan’ny totozy, ary, ao amin’ilay lisitra mitandahatra midina dia tsindrio ny Rafi-tetiarana. Hiseho eo amin’ny efijery ny rafi-tetiaram-pianakavianao. Ny anaranao, araka ny nampidiranao azy tamin’ny nanokatra ny kaontinao, no tokony hiseho eo afovoany. Tsarovy fa ny FamilySearch dia miaro ny tsiambaratelon’ny olona mbola velona. Tsy misy olon-kafa afaka hahita ny zavatra ampidirinao momba anao na fianakaviana hafa mbola velona. Tsy afaka hahita ny tenanao eo amin’ilay rafi-tetiarana ihany koa ianao, na dia mampiditra fampahalalana momba anao aza ny havanao hafa. Ny fampahalalana momba ny olona velona dia tsy maintsy ampidirina amin’ny rafi-tetiaram-pianakaviana tsirairay.

maodelin’ny fomba fampidirana fianakaviana ao amin’ny rafi-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch.

Tsindrio ny anaranao handehanana ao amin’ny pejy olona. Avy eo ianao dia afaka manampy fampahalalana bebe kokoa amin’ny pejinao, ao anatin’izany ny daty sy ny toerana ary ireo fanamarihana sy fahatsiarovana (toy ny sary, sy ny antontan-taratasy, ary tantara).

Ampidiro izay fantatrao momba ny fianakavianao.

Rehefa eo afovoan’ny rafi-tetiaranao ny tenanao dia afaka manomboka mampiditra fifandraisan’ny fianakaviana amin’izay ianao. Raha hampiditra ny reninao ohatra dia tsindrio fotsiny ny hoe Hanampy reny.Hisy boaty tahaka ity iray ity hiseho:

ny boaty “hanampy reny” izay miseho rehefa misafidy ny hoe “Hanampy reny” ianao eo amin’ny rafitetiarana.

Ampidiro izay fampahalalana betsaka indrindra fantatrao eo amin’izay azo fenoina.

Afaka manampy fampahalalana toy izany momba ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana ianao (vady, sy zanaka, ary ray aman-drany). Ny tanjona dia ny ho tonga any amin’ny razambe efa maty. Rehefa mampiditra razambe iray efa nodimandry ianao ao amin’ny rafi-tetiaranao, dia hikaroka ho azy ao amin’ny rafi-tetiarany izay tena midadasika ny FamilySearch mba hampifandray anao amin’ny rafi-tetiarana maneran-tany ao amin’ny FamilySearch.

Mangataha fampahalalana vaovao amin’ireo havana

Rehefa mandeha lavitra miverina ao amin’ny rafi-tetiaranao ianao dia mety tsy ho afaka mameno ny banga rehetra. Aza avela hanakana anao ny fampahalalana kely tsy ampy! Ampidiro izay rehetra fantatrao ka avelao ho banga ny ampahany sasany amin’ny tetiaranao raha ilaina. Rehefa tafiditra daholo izay rehetra fantatrao dia vonona ny hiroso amin’ny dingana manaraka amin’izay ianao, mikaroka fampahalalana vaovao.

Ny fomba tsara indrindra hanombohana ny fikarohanao fampahalalana vaovao dia ny manatona ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Raha misy fampahalalana tsy ampy momba ireo olona mbola velona dia ny manontany azy ireo no vahaolona tsotra indrindra! Mba hahitana fampahalalana tsy ampy momba ireo razambe efa nodimandry dia manontania havana efa zokinjokiny na havana izay mety nahafantatra ireo olona ireo.

fianakaviana miara-miresaka eo an-tokonam-baravaran’ny trano.

Rehefa voangonao ny zavatra fantatry ny fianakavianao dia izay no fotoana hikarohana ao amin’ny angon-drakitra lehibe an’ny FamilySearch mba hamantarana zavatra bebe kokoa momba ny fianakavianao. Alaivo antoka fa fantatry ny hafa hoe avy aiza ny fampahalalana hitanao amin’ny alalan’ny fanampiana ny loharano. Ianaro bebe kokoa eto ny fomba fanampiana loharano.

Rohy mankany amin’ireo olona hafa ao amin’ny rafi-tetiaram-pianakaviana

Rehefa avy mampiditra fampahalalana momba ny velona ianao ao amin’ny rafi-tetiaranao ka mampiditra fampahalalana momba ireo razambe efa nodimandry dia azo atao ny mampifandray olona efa nampidirina tao amin’ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Hapihena be ny fotoana mety ho lany io karazana fampifandraisana io. Raha tokony hampiditra ny fampahalalana rehetra momba anao ianao, dia azonao atao ny manararaotra mampiasa ny fampahalalana izay efa nampidirin’ny hafa.

Vonona ny hanomboka ve? Araho ireto torohevitra ireto raha hampiditra ireo taranaka efatra voalohan’ny fianakavianao ao amin’ny rafi-tetiaram-pianakaviana. Saingy nahoana no hijanona eo amin’ny taranaka efatra fotsiny? Mety ho hitanao fa mahafinaritra ny manangana ny rafi-tetiaranao ka ny fampidirana taranaka efatra dia fanombohana fotsiny ihany amin’ny dianao ao amin’ny tantaram-pianakavianao!

Mamakia misimisy kokoa momba ny fidirana ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana

Nataon’i   Sally Odekirk
March 26, 2024
Nanapa-kevitra ianao ny hianatra momba ireo razambenao sy hampiditra zavatra ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Arahabaina i…

Momba ilay namorona