Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia manome fahafahana anao hahita zavatra bebe kokoa momba ny fianakavianao, hijery ny fivoaran’ny rafi-tetiaranao, ary hizara ny zavatra fantatrao amin’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana, ary maimaim-poana izany rehetra izany!
Hatramin’ny nanombohana nampiasa maneran-tany ny Rafi-tetiarana tamin’ny 2013 dia olona an-tapitrisany no nampiasa ny Rafi-tetiarana, namantatra sy nirakitra fampahalalana ho an’ny razambe mihoatra ny arivo tapitrisa.
Azonao ianarana amin’ireto rohy eto ambany ireto ny fomba fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch, ny fomba fiasan’ny rafi-tetiarana iombonana, ary ny fomba fampidirana zavatra amin’ny tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Afaka mahita fomba tsotra ihany koa ianao mba hikarohana firaketana, hevitra ary fomba enti-manampy hitadiavana fampahalalana momba ny fianakaviana, sy ny maro hafa.