Mampiasa ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch mba hitadiavana ny fianakavianao

A family works on genealogy together

Fitaovana miavaka ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Ho an’ny olona sasany, ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch mba hitadiavana ny fianakaviana dia mety ho toy ny asa mampatahotra, kanefa misy tari-dalana hanamoràna ny fikarohana ataonao. Ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia hiafara amin’ny fahafaham-po sy fifaliana, tsy ho anao ihany fa ho an’ireo taranaka ho avy koa.

Maimaim-poana ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch, ary na dia tsy mbola nampiasa ny FamilySearch mihitsy aza ianao teo alohha, dia ho mora aminao ny hiditra ao amin’izany.

Ity lahatsoratra ity dia manolotra rohy ahitana torohevitra hanoro anao amin’ireo fanontaniana mety anananao rehefa mampiasa ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch ianao. Jereo izany dia atombohy ny fitadiavanao ny fianakavianao!

Tari-dalana hikarohana firaketana ho an’ny olona vao manomboka manao izany

Nataon’i   Leslie Albrecht Huber
May 7, 2024
Ny FamilySearch.org dia feno firaketana tena tsara, ary ny sasany amin’izany dia azo antoka fa saika ahitana fampahalalana vaovao momba ny f…

Maro tokoa ireo firaketana tsara manomboka hita ao amin’ny FamilySearch. “Ny Tari-dalana hikarohana firaketana ho an’ny olona vao manomboka manao izany” dia hanampy anao hanomboka izany. Fantaro hoe karazana firaketana inona no hanampy anao hitady ireo razambenao sy ny dingana mandeha tsikelikely hahazoanao vokatra.

HAMAKY ILAY LAHATSORATRA

Hitady olona iray voafaritra tsara

Nataon’i   David Nielsen
April 23, 2024
Ankehitriny dia mitovy be amin’ny pejy fikarohana firaketana izao ny Hitady ao amin’ny Tetiarantsika izay naverina notefena. Tsotra sy tsy miolakolaka ary azo ovaovaina tsara izany. Ireo sivana sy zavara tiana haseho vaovao ary ireo safidy fanampiny ao amin’ny takelaka eo amin’ny sisiny dia manome anao fahefana bebe kokoa amin’ny fikarohana ataonao sy ny fomba hijerenao ny vokatra azonao. Raha tsy dia nampiasa izany firy ianao tany aloha, dia hitondra vokatsoa ho anao ny mamantatra izany bebe kokoa! Manandrama mikaroka razambe izao na fantaro bebe kokoa ny fomba fiasan’ny Hitady ao amin’ny Tetiarana.

Rehefa mitady razambe ianao dia mety maniry ny hitady olona iray voafaritra tsara, mety hoe hitady tantara miavaka, daty voafaritra tsara, na hampifandraisina amin’ireo olona hafa ao amin’ny tetiaranao. Fantaro ny sasany amin’ireo fomba tena haingana hitadiavana izany olona izany sy ny fomba hakana antoka fa izy marina tokoa ilay olona tadiavinao.

HAMAKY ILAY LAHATSORATRA

Ny fomba: Ny Tari-dalana ho an’ny firaketana

Ny rafitry ny FamilySearch dia mikaroka tsy tapaka firaketana amin’ny endriny nomerika sy vita firaketana faobe izay mety mifandray amin’ireo olona ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Rehefa misy firaketana mitovy hita dia misy tari-dalana ho an’ny firaketana miforona. Ireo tari-dalana ho an’ny firaketana ireo dia miovaova ka mety hoe manohana ireo daty marina kokoa ny sasany, manampy anao hahafantatra ireo rohim-pihavanana fanampiny ny sasany, ary manampy anao hahita anarana feno kokoa ny sasany, sy ny maro hafa. Ianareo bebe kokoa ny fomba hampiasana ireo tari-dalana ho an’ny firaketana mba hitondra ny vokatsoa tsara indrindra ho anao.

HAMAKY ILAY LAHATSORATRA

Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch no rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Rehefa miditra ao amin’ny tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch ianao, dia mety hahita ireo razambe tsy fantatrao ary hamantatra bebe kokoa ireo izay efa fantatrao. Fantaro ny fomba hanombohana!

HAMAKY ILAY LAHATSORATRA

Ny fomba: Mampitambatra olona

Matetika no misy pejy momba ny olona mihoatra ny iray ho an’ny olona iray ihany. Mety hiteraka fikorontanan-tsaina izany, ka izay no hanaovana ny fampitambarana ireo pejy. Manana fitaovana atao hoe “mety ho dika mitovy” ny FamilySearch izay manampy anao hahita raha mila manambatra ireo pejy ianao, kanefa na dia tsy milaza ireo zavatra mifandray aza ilay rafitra, dia mbola afaka manatanteraka fampitambarana ihany ianao.  

HAMAKY ILAY LAHATSORATRA

Ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch mba hitadiavana ny fianakavianao dia mety ho dingana hahazoana vokatsoa sy mitondra fifaliana izay ahafahanao mahita, manangona, ary mifandray amin’ny lasa, ny ankehitriny, ary ny ho avy. Raha manaraka ny sasany amin’ireo lahatsoratra nasiana rohy etsy ambony ianao dia efa eo an-dalam-pananganana tetiarana mahomby sy manan-danja ianao izay.

Ny zavatra rehetra mikasika ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch

Nataon’i   FamilySearch
May 21, 2024
Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia manome fahafahana anao hahita zavatra bebe kokoa momba ny fianakavianao, hijery ny fivoaran’ny…

Momba ilay namorona