Ny fomba hitadiavana maimaim-poana ny razambenao ao amin’ny Rafi-tetiarana iombonana

search-for-ancestor2

Miezaka mitady razambe na olona efa nodimandry ao amin’ny fianakaviana ve ianao? Raha izay no izy dia tokony hanao fikarohana ato amin’ny Rafi-tetiaranay ianao, ny rafi-tetiarana iombonana lehibe indrindra maneran-tany. Ahitana anarana mihoatra ny arivo tapitrisa ilay tetiarana. Maimaim-poana ary azon’ny besinimaro ampiasaina izany, ary mety efa ao anatin’izany ny razambe izay tadiavinao.

Angony ny zavatra fantatrao momba ny havanao nodimandry, toy ny anarany, ny mombamomba ny nahaterahany na ny nahafatesany, ary angamba ny anaran’ny ray na reny, vady, na zanaka, dia araho ireto dingana eto ambany ireto mba hahitana raha ao amin’ilay Rafi-tetiarana izy. Na kitiho ilay bokotra etsy ambany ary mandehana avy hatrany ao amin’ny pejy Hitady. 

Fikarohana Rafi-tetiarana, fomba haingana hanombohana na hampidirana ny tetiaranao

Raha te hitady havana izay mety ho ao amin’ilay Tetiarana ianao, dia mankanesa ao amin’ny FamilySearch, ary safidio eo ambanin’ny bokotra Fianakaviana, Tetiarana ny hoe Hitady. Miomàna ny hiditra na hamorona kaonty FamilySearch maimaim-poana. (Azonao atao koa ny mandeha ao amin’io pejy io ihany amin’ny alalan’ny fankanesana ao amin’ny bokotra Hikaroka dia mifidy ny hoe Rafi-tetiarana.)

Sarin’ny efijery ahitana ny FamilySearch.org, maneho ny fomba hitadiavana Rafi-tetiarana ao amin’ny zava-misy fototra.

Rehefa tafiditra ao amin’ny Hitady ao amin’ilay Tetiarana, dia ampidiro ny zavatra fantatrao momba ny havanao efa maty. Misokatra amin’ny alalan’ny takelaka tsotra fikarohana ilay pejy, izay mahomby amin’ireo fikarohana voalohany. Mba hahazoana vokatra tsara kokoa anefa dia tsara ny manokatra ny fanaovana fikarohana feno amin’ny alalan’ny fikitihana ny Safidy misimisy kokoa.

Sarin’ny efijery maneho ny efajoro fikarohana avy ao amin’ny Hitady ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch.

Ny efajoro fanaovana fikarohana feno avy ao amin’ny Hitady ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch.

Ny Hitady ao amin’ny Tetiarana dia mitovy ary miasa tahaka ny fitaovana Hikaroka raki-tantara ao amin’ny FamilySearch mihitsy. Ninianay natao izany mazava ho azy. Ny paikady rehetra entina manao fikarohana izay nianaranao ho an’izany pejy izany dia tena ilaina eto koa. Andao anefa isika hampiasa sivana ary hatao tsirairay izany, ary handinika fomba fanao tena tsara vitsivitsy isika. 

Sarin’ny efijery maneho ny toerana hametrahana anarana hafa ao amin’ny fikarohana ao amin’ny Hitady ao amin’ny Rafi-tetiarana.

1. Anarana

Jereo ireto fomba tena tsara hamenoana ny toerana fasiana anarana ireto:

  • Ampidiro ao amin’ny toerana fasiana ny fanampin’anarana ny fanampin’anarana voalohany sy faharoa an’ilay olona.
  • Ampidiro eo amin’ny toerana fasiana ny Anarana ny anaram-pianakavian’ilay olona.
  • Ampiasao ny bokotra ho an’ny Anarana hafa ho an’ny anarana fony mbola zatovovavy, ny anaram-bositra, anaran-petaka, ireo fiantsoana hafa, anaram-pianakaviana faharoa, sy izay fanovana anarana mety ho nitranga nandritra ny fiainan’ny olona iray.

2. Maha-lahy na vavy

Ny fisafidianana hoe Lahy na Vavy, raha fantatra dia afaka manampy amin’ny famintinana ny voka-pikarohanao.

Sarin’ny efijery nameho ny fomba hampidirana ireo fampahalalana momba ny trangam-piainana ao amin’ny efajoro fikarohana.

3.Trangam-piainana

Ampidiro eo ambanin’ny hoe Hanampy trangam-piainana ny zavatra fantatrao momba ny toerana nisy ilay olona nandritra ny fiainany. Alaivo antoka fa voaova ny sivana avy amin’ny hoe Rehetra ka ovaina ho Fahaterahana, Fanambadiana, Fonenana, na Fahafatesana. Mahatonga ny fikarohana ataonao ho marina kokoa ny fanaovana izany.

4. Ireo olona ao amin’ny fianakaviana

Ampidiro eo ambanin’ny hoe Hanampy olona ao amin’ny fianakaviana ny zavatra fantatrao momba ny vady, ny ray, ny reny, na ny rohim-pihavanana hafa an’ilay olona. Afaka mampiasa ny torolalana sy paikady momba ny fampidirana anarana ianao eto tahaka izay nataonao teo aloha.

5. Fikarohana marina tsara

Eo ambanin’ny fizarana hoe Olona ao amin’ny Fianakaviana no ahitana avy hatrany bokotra fanovaovana ho an’ny Haneho ny fikarohana tena marina. Mitandrema amin’ny fampiasana io safidy io, ary aza ampiasaina izany raha tsy efa nahazo voka-pikarohana betsaka kokoa azonao dinihina araka ny tokony ho izy ianao. Mety tsy hitovy kely amin’ireo anarana, daty ary toerana ampidirinao ny angon-drakitra hita ao amin’ny Rafi-tetiarana, ka noho izany dia hevitra tsara foana matetika ny tsy dia manao hentitra loatra amin’ny fepetra apetrakao amin’ny fikarohana ataonao.

Zava-dehibe ny manamarika fa tsy avy hatrany akory dia mamoaka voka-pikarohana tena marina ny fikitihana ilay bokotra ho an’ny Haneho ny fikarohana tena marina. Izy io kosa dia manokatra efajoro eo akaikin’ireo sivana fikarohana rehetra eo amin’ny efijery, izay azonao safidina na avela ho foana eo fotsiny. Tsara tokoa raha tsy misafidy afa-tsy ny toerana fenoina izay azonao antoka fa hahazoanao vokatra marina ianao, ary atombokao amin’ny vitsivitsy izany. Izany hoe afaka manao fikarohana marina ho an’ny daty nahaterahana iray ianao fa tsy ho an’ireo toerana hafa tokony hofenoinao.

Raha vao nahatafiditra ny fampahalalana fantatrao ianao, dia tsindrio ny Hitady mba hikarohana ny raki-pamantaran’ny razambenao ao amin’ny Rafi-tetiarana. Rehefa mipoitra ilay voka-pikarohana dia tsindrio ny anarana iray mba hijerena famintinana ny fampahalalana momba izany olona izany. Dia tsindrio avy eo ilay anarana eo amin’ilay efajoro nipoitra mba handehanana any amin’ny pejin’ny olona fenon’ilay olona.

Torohevitra avo lenta kokoa hahitana ny olona tena tadiavina

Betsaka loatra ny voka-pikarohana

Ampiasao ilay bokotra volon-davenona fanivanana eo ambonin’ny pejy mba hanatsarana haingana ny voka-pikarohanao:

Ireo safidy sivana volon-davenona maneho ny fahafahana manivana ny voka-pikarohana araka ny maha-lahy na vavy, ny fahaterahana, ny fanambadiana, ny fahafatesana, ny fonenana na fampahalalana hafa.

Ao amin’ny fikarohana aseho ao amin’ireo sarin’ny efijery ireo, dia nampiditra ny anaran’ny rain’ny raibeko aho tany am-piandohana. Araka ny hitanao eto dia nitondra voka-pikarohana be dia be io fikarohana nivelatra loatra io, betsaka loatra ny zavatra hokarohina. Raha manindry ny sivana Fahaterahana aho anefa, ary misafidy faritra iray voafaritra tsara eto amin’izao tontolo izao, dia afaka mampidina be avy hatrany izany isa izany aho.

Sarin’ny efijery maneho fikarohana nosivanina araka ny firenena nahaterahana.
Sarin’ny efi-jery maneho ny fomba hampihenana ny voka-pikarohana.

Tsy misy vokatra hita na tsy misy zavatra mifandraika amin’izany

Raha tsy nahazoana na inona na inona ny fikarohana nataonao voalohany, dia ampiasao ny takelaka fikarohana eo amin’ny ilany havanan’ny efijery mba hanovana ny teny hanaovanao fikarohana. Fanamarihana: Miankina amin’ny haben’ny efijerinao, ny takelaka fikarohana dia mety tsy hisokatra amin’ny voalohany. Raha izay no miseho, dia tsindrio ny Hikaroka eo amin’ny zoro havanana mba hanokafana izany.

Mba hampivelarana ny fikarohana ataonao amin’izay dia diniho ny hanova izay zavatra mety ho voafaritra be loatra, toy ny taona marina iray. Afaka manampy ny fampitomboana ny elanelan’ny daty ho an’ny trangam-piainana iray manokana. Azonao atao koa ny manandrana manova ny zava-misy ao amin’ny Trangam-piainana mba ho lasa Fahaterahana na Fonenana fa tsy hoe Rehetra. Raha azo atao dia ampiasao ireo toerana fasiana anarana hafa mba hampidirana anarana tamin’ny mbola zatovovavy, anaram-petaka, na fiantsoana hafa. Dia tsindrio avy eo ny Hikaroka.

Raha toa ka mbola tsy mahita ilay olona tadiavinao ianao taorian’ny nanovanao ny fikarohanao, dia mety tsy mbola tafiditra ao amin’ny Rafi-tetiarana izany olona izany. Raha izay no izy dia azonao atao ny hoe ianao mihitsy no mampiditra ilay olona.

Mba hampidirana olona ao amin’ny Tetiarana, dia hila ny anarany ianao, ary avy eo ianao dia afaka mampiditra fampahalalana fanampiny araka izay vitanao momba azy ireo, toy ny hoe mety ho taiza no nahaterahan’izy ireo na taiza no nipetrahany.

Soso-kevitra: Raha misy fampahalalana tsy anananao momba ny razambenao dia ezaho tadiavina ao amin’ny raki-tantara izy, toy ny kôpia nahaterahana, taratasy manamarina ny fanambadiana, kara-panondro, taratasy manamarina ny fahafatesana.

Fampiasana ny zavatra tiana haseho mba hanamboarana ny voka-pikarohanao

Ireo mpikaroka efa manana traikefa dia hankasitraka tokoa ireo fomba fampiasana miaraka amin’ny bokotra Zavatra tiana haseho izay mipoitra eo ambonin’ny pejin’ny voka-pikarohana. Raha mampiasa ny Zavatra tiana haseho ianao dia afaka manao safidy manan-danja mahakasika ny fandrafetana sy ny famindrana ny voka-pikarohanao.

Ohatra, ny safidy voalohany eo ambanin’ny Zavatra tiana haseho dia ny safidy haneho ny voka-pikarohanao ao anatina takelaka mirakitra angon-drakitra na tabilao voarindra:

Sarin’ny efijery ahitana ny bokotra zavatra tiana haseho amin’ny fikarohana izay maneho ny fomba hisafidianana ny endrika isehoana Tabilao voarindra sy takelaka mirakitra angon-drakitra.

Raha nitady voka-pikarohana mifandraika amin’ny fampahalalana voafaritra tsara iray aho, daty nahaterahana iray ohatra, dia hampiasa takelaka mirakitra angon-drakitra aho. Ny firafitr’izany dia mora akarina sy ampidinina ary hitadiavana ny vokatra izay mifandraika amin’ny zavatra tadiavina.

Voka-pikarohana maneho endrika isehoana takelaka mirakitra angon-drakitra izay ahitana ny fampahalalana rehetra mora ampitahaina isaky ny andalana.

Tabilao voarindra no ho nampiasaiko, tetsy an-kilan’izay, rehefa te hijery akaiky voka-pikarohana vitsivitsy izay toa antenaina hahazoana vokatra tsara aho, sy hijery hoe hatraiza ny fitovian’izy ireo amin’ny zavatra rehetra fantatro momba ilay olona.

Voka-pikarohana mampiseho endrika isehoana tabilao voarindra izay ahitana ny fampahalalana ho an’ny voka-pikarohana iray mivondrona mifanakaiky ary mora vakina haingana.

Ery ambanimbany ao amin’ny takelaka ho an’ny Zavatra tiana hiseho dia ahitana fizarana mitondra ny lohateny hoe Safidy amin’ny Fiteny. Afaka misafidy ny hijery ny fampahalalana amin’ny endriny nampidirana azy tany aloha tao amin’ny FamilySearch ianao eto, na mijery izany amin’ny endriny novana kely, izay antsointsika hoe “fandikan-teny”, ka mahatonga ilay izy ho mora vakina. Ohatra tsotra amin’izany ny teny iditra ho an’ny hoe “Jan 1855”, izay rehefa hazavaina na hadika dia lasa “Janoary 1855” no mipoitra eo.

Ary farany kanefa manan-danja, dia misy safidy hisintonana ny voka-pikarohana nataonao mankao amin’ny solosainao ao amin’ny takelaka ho an’ny Zavatra tiana haseho. Angamba manana ny fombanao manokana ianao amin’ny fampidirana anaty kisary na ny fanivanana fampahalalana. Raha izay no izy,dia afaka misintona ilay fampahalalana amin’izay endrika fichier mety aminao amin’ireto manaraka ireto ianao: XLS, XLSX, CSV, ODS, TSV, ary ODS.

Hitady ny razambenao ao amin’ny Rafi-tetiaran’ny FamilySearch!

 
Vonona ny hamantatra zavatra momba ny iray amin’ireo razambenao ve ianao? Ny Rafi-tetiarana iombonantsika dia ahitana toerana ho an’ny olona rehetra maneran-tany, ary tianay ny rehetra mba hanampy amin’ny fananganana izany!

Misafidiana havana nodimandry iray, dia jereo raha toa izy ka isan’ireo anarana 1200 tapitrisa ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch! Tadiavo ny raki-pamantarana ilay olona, dia ankafizo ireo tantara, sary, vanim-potoana, ary zavatra hafa izay nopaingorina tamin’izany. Dia diniho ny zavatra fantatrao momba azy ireo sy azonao ampidirina ao amin’ny raki-pamantarany. Mety hisaotra anao ny havana sasany any aoriana any!


Nataon’i   Rachel J. Trotter
May 21, 2024
Fitaovana miavaka ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Ho an’ny olona sasany, ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch …
Nataon’i   Sunny Jane Morton
February 27, 2024
Ny tranonkalan’ny FamilySearch izay azo hidirana maimaim-poana no ahitana ny rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Ity rafi…

Momba ilay namorona