Ny FamilySearch.org dia ahitana ny hazon’ny tetiaram-pianakavina an-jotra lehibe indrindra maneran-tany, izay ahitana firaketana ho an’olona arivo tapitrisa mahery. Mamantara zavatra misimisy kokoa momba ireo havanao, na mampidira zavatra hanampiana ireo zavatra efa fantatra momba azy ireo, amin’ny alalan’ny fijerena ny pejin’izy ireo tsirairay avy.
Inona no atao hoe Pejin’ny olona ao amin’ny FamilySearch?
Ny pejin’ny olona dia famintinana ny tantaram-piainana fantatra rehetra sy ireo fampahalalana ara-tetiarana momba ny olona iray. Ireo pejy ho an’ny olona efa maty dia hitan’ny besinimaro ary azon’ny olona rehetra jerena na ovaina. Kanefa ny pejin’ireo olona velona dia natokana ho an’izay mpampiasa namorona izany ihany.
Ireo pejin’ny olona hitan’ny besinimaro dia harena avy amin’ny fahalalana niarahana niasa ho an’ny taranaky ny olona iray. Mampiditra ny zavatra fantany ireo mpampiasa ny FamilySearch, manapaingotra raki-tantara ho porofon’izany, ary mampifandray ireo pejy ireo amin’ireo pejin’ny ray aman-dreny, vady, mpiray tam-po ary zanak’izany olona izany.
Ohatra, andeha ataontsika hoe namorona pejin’ny olona iray ho an’ny dadaben’ny dadabeny ny taranaka iray, kanefa tsy mahafantatra afa-tsy ny anarany sy ny mombamomba ny batisany izy. Taty aoriana dia nisy taranaka iray hafa nahita io pejy io, nampiditra sary ary nanampy vady. Nampiditra fampahalalana momba ny nahafatesany izay nalaina avy amina tsangambatom-pasana ny olona iray fahatelo ary namorona pejin’ny olona ho an’ny maro tamin’ireo zanany.
Rehefa manambatra ny fahalalana ananany ireo mpampiasa ny FamilySearch dia manambara ny tantaram-piainan’ireo razambentsika sy ny rohim-pihavanan’izy ireo teo anivon’ny fianakaviana. Io ezaka niarahana natao io dia manampy ny tsirairay avy hizara, hamantatra, ary hitahiry ny tantaram-pianakavian’izy ireo izay mifandray.
Ny fomba hitadiavana ny pejin’ny olona ho an’ny havana iray
Tsy ahitana pejin'ny olona ho an’ny olona maty rehetra ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch, kanefa ahazoana tombontsoa ny fikarohana ireo pejin’ny olona mihoatra ny 1,6 tapitrisa izay noforonina.

Raha efa mifandray amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch ianao dia afaka mahita havana ao amin’ny endrika isehoan’ny hazo tetiarana ianao. Midira amin’ny alalan’ny kaontinao maimaim-poana, dia fidio ny bokotra Hazon’ny tetiarana . Dia tetezo avy eo ireo razambenao mandra-pahafantaranao ny toerana tokony hisy ny mombamomba ilay havanao. Raha hitanao ny anaran’ilay olona, dia tsindrio izany, ary avy eo dia tsindrio ny Hijery Olona mba hankanesana ao amin’ilay pejy momba izany olona izany.
Raha tsy mora aminao ny mahita havana iray ao amin’ilay tetiarana, na tsy mbola mifandray amin’ny olona iray ao amin’ilay tetiarana ianao, dia azonao atao koa ny manao fikarohana ireo pejin’ny olona efa misy. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambonin’ny pejy, tsindrio ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hitady. Ampidiro eo amin’ilay efajoro fanaovana fikarohana ny zavatra fantatrao momba ilay olona. Dia tsindrio avy eo ny Hikaroka.
Mety hahita voka-pikarohana maro ianao ho an’ireo pejin’ny olona izay ahitana fampahalalana mitovy amin’izay nampidirinao. Diniho tsara ireo zavatra izay mety hisy fitoviana. Mety hisy pejin’ny olona mihoatra ny iray noforonina ho an’ny havanao. (Raha matoky tena ianao fa misy tahadika maro ao, dia azonao atambatra ireo pejy.) Azo heverina koa ny hoe tsy nisy pejy noforonina ho an’ilay havanao. Raha izay no izy dia azonao atao ny mampiditra iray.
Mahatakatra ny Pejin’ny olona ao amin’ny FamilySearch
Ny Pejin’ny olona ao amin’ny FamilySearch dia natao hitahiry fampahalalana tsy hita pesipesenina momba ny razambenao. Miankina amin’ny habetsaky ny zavatra nampidirina, dia saika toy ireny hoe mitsidika fitahirizam-boky kely iray izany, fitahirizam-boky iray izay natokana tanteraka ho an’ny razambenao!
Ny fahatakarana ny fomba nandaminana ny pejin’ny olona dia hanampy anao hahafantatra ny fomba hidiranao amin’ny zava-drehetra ao sy hahita tokoa ny zavatra tadiavinao.
Anarana misongadina
Ny zavatra voalohany mety hitanao rehefa mankao amin’ny pejin’ny olona ho an’ny razambenao ianao dia ilay anarana misongadina, izay hita eny amin’ny tampon’ny pejy.

Ny anarana misongadina dia ahitana ireto fampahalalana sy rohy manaraka ireto:
- Anarana fenon’ny razambenao.
- Daty nahaterahan’ny razambenao sy ny daty nahafatesany (fampahalalana betsaka araka izay fantatra).
- Laharam-pamantaran’ny Hazon’ny tetiaram-pianakavian’ny razambenao, izay azonao ampiasaina mba hahitana faingana indray ity pejy ity amin’ny hoavy. Azonao atao ihany koa ny mizara ilay laharam-pamantarana amin’ny olon-kafa mba hahafahany koa mahita faingana ny pejy.
- Rohy iray hijerena ny razambenao ao anatin’ny tabilaon’ny rohim-pirazanana ao amin’ny FamilySearch izay fantatra amin’ny hoe Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
- Rohy iray hijerena amin’ny endrika nanalehibiazana ny tabilaon’ny rohim-pirazanana notsorina izay mampiseho ny maha mpihavana anao sy ny razambenao.
- Rohy anarahana ny pejin’ny olona ho an’ny razambenao. Rehefa manaraka razambe iray ianao dia handray fampilazana isak’izay misy olona manampy fampahalalana na manova fampahalalana ao amin’ny pejin’ny olona ho azy.
Vakizoro fitetezana
Eo ambanin’ ilay anarana misongadina dia ahitana laharana vakizoro fitetezana. Amin’ny lafiny iray dia io no fizarana manan-danja indrindra ao amin’ny pejin’ny olona. Izany no izy satria izay vakizoro nosafidianao no mamaritra ny zava-drehetra hitanao eo ambanin’ilay anarana misongadina.
Raha sendra mijery ny pejin’ny olona ho an’ny razambenao ianao ka tsy mitovy amin’ny nahitanao azy teo aloha ny zavatra hitanao dia satria angamba mijery vakizoro hafa ianao amin’izay fotoana izay.



Ny vakizoro Hiara-hiasa dia natao ho an’ny fifampiresahana amin’ny olon-kafa tahaka ny tenanao momba ny pejin’ny olona ho an’ny razambenao. Ito no toerana tsara ametrahana fanontaniana na anombohana resadresaka momba ana zavatra ezahinao ianarana na fantarina.
Ny vakizoro Fahatsiarovana dia mitondra anao mankany amin’ny Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovana, toerana izay ahafahanao mitety ireo sary, raki-peo ary tahirin-kevitra hafa izay nampidirin’olona hanajana sy hahatsiarovana ny razambenao.


Torohevitra kely: Ampiasao ilay mason-tsivana ho an’ny tranga, eo an-tampon’ilay laha-potoana, mba hisafidianana ireo tranga tianao ho hita misoritra eo amin’ny sarintany. Aorian’izay dia azonao tsindrina ny Aseho ny lalana eny amin’ny fanambanin’ilay sarintany; dia hisy tsipika mitsitapatapaka hampifandray ireo tranga araka ny filaharany ara-potoana. Izany vokany izany no sarintany izay mampiseho anao ny lalana nodiavin’ny razambenao teo am-pisehoan’ireo tranga ireo teo amin’ny fiainany.
Mamantara zava-baovao
Fakafakao ireo pejin’ny olona an’ny razambenao. Raha efa mifandray amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch ianao dia atombohy ny fikarohana ataonao ao amin’ny endrika isehoan’ny hazon’ny tetiarana. Raha tsy izany dia karohy ao amin’ilay hazon’ny tetiarana mba hahitana ny anaran’ny havana iray efa maty ka jereo hoe inona no lasa fantatrao!
Ato amin’ny FamilySearch dia mieritreritra hatrany ny hampifandray anao amin’ny fianakavianao izahay, ary manolotra zava-baovao mahafinaritra sy tolotra momba ny tantaram-pianakaviana maimaimpoana. Nahoana? Satria sarobidy aminay ny fianakaviana ary mino izahay fa ny fampifandraisana taranaka dia afaka manatsara ny fiainantsika amin’ny ankehitriny sy mandrakizay. Izahay dia sampan-draharaha tsy mitady tombontsoa natao ho an’ny besinimaro tohanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo zavatra inoanay dia tsindrio eto.