Manomboka mampiasa ny Rafi-tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch

Smiling family standing together while watching photos in album.
Framestock - stock.adobe.com

Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch no rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Tetiarana hifanomezan-tanana sy natao ho an’ny besinimaro izany, izay ahafahan’ny mpandray anjara mahita ny rohim-pihavanana mampifandray azy ireo, mamantatra ny rohim-pirazanany, ary mizara ny zavatra fantatra momba ireo havana efa nodimandry.

Rehefa miditra ao amin’ny tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch ianao, dia mety hahita ireo razambe tsy fantatrao ary hamantatra bebe kokoa ireo izay efa fantatrao. Afaka mahita sary mihitsy aza ianao ary mamaky tantaram-pianakaviana nampidirin’ireo taranaka hafa. Rehefa manangana ny raki-pamantarana ny razambenao ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch ianao, dia mamorona ihany koa fototra ahafahan’ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana mahalala zavatra bebe kokoa sy mizara ny zavatra fantany mikasika ireo razambenao.

Ny fomba hanombohana

Raha hiditra ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia mankanesa ao amin’ny FamilySearch.org. Midira ao amin’ny kaonty na mamoròna kaonty maimaim-poana. Fidio eo ambanin’ny bokotra hoe Rafi-tetiarana ny hoe Rafi-tetiarana.

Sarin’ny efijery maneho ny zava-misy hitetezana ny FamilySearch.

Tsindrio avy eo ny Hanampy ray na Hanampy reny, dia ampidiro ny zavatra fantatrao momba ny ray aman-dreninao.

Efijery maneho ny bokotra Hanampy ray sy Hanampy reny ao amin’ny FamilySearch.

Olona velona ampitahaina amin’ireo Razambe efa maty

Raha velona ny ray na reny na havana hafa ampidirinao, dia hamorona raki-pamantarana an’ny tena manokana sy voaro ny FamilySearch ka ianao irery ihany no afaka mahita izany. Raha vantany vao mampiditra fampahalalana momba ny fahafatesana eo amin’ny raki-pamantarana iray ianao dia lasa hitan’ny besinimaro ny raki-pamantarana izany olona izany. Io fiovana io dia midika fa azon’ireo olona hafa mampiasa ilay rafi-tetiarana iombonana jerena ilay raki-pamantarana.

Fampitoviana ny Raki-pamantarana ny razambe iray amin’ny iray hafa efa ao amin’ny tetiarana iombonana

Rehefa manandrana mampiditra havana iray efa nodimandry ianao, dia hanamarina aloha ny FamilySearch mba hijerena raha efa misy ao amin’ireo raki-pamantarana 1200 tapitrisa ao amin’ny Rafi-tetiarana ny raki-pamantarana ho an’izany olona izany. Haseho anao izay raki-pamantarana rehetra ahitana fampahalalana mitovy amin’izany. Ohatra, andeha atao hoe te hampiditra vehivavy iray antsoina hoe Opal Collins ianao izay teraka tamin’ny 1918 tao Kentucky Etazonia. Araka ny hita eto ambany dia milaza aminao ny FamilySearch fa efa misy raki-pamantarana mitovy amin’izany ao amin’ny Rafi-tetiarana.

Sarin’ny efijery maneho ny fampidirana zavatra mitovy ao amin’ny Rafi-tetiarana.

Anjaranao ny manapa-kevitra raha toa ka ilay Opal Collins tianao ampidirina ihany na tsia ilay raki-pamantarana naseho eo ambanin’ny hoe “Ireo mety ho zavatra mitovy hita” (izay naterak’ireo ray aman-dreny naseho tamin’ny 1917 tany Kentucky).

  • Raha mifandraika amin’ny zavatra fantatrao momba ny razambenao ny fampahalalana ao amin’ilay raki-pamantarana dia ekeo ilay izy amin’ny alalan’ny fanaovana ny safidy 1 hoe Hampiditra zavatra mifandraika na ny hoe Hampiditra zavatra roa mifandraika.
  • Raha azonao antoka fa tsy misy mifandraika amin’izay tadiavina ireo raki-pamantarana, dia mamoròna raki-pamantarana vaovao amin’ny fampiasana ny safidy 2 hoe Hamorona Olona.
  • Raha tsy azonao antoka hoe mifandraika amin’izay tadiavina ve ny iray amin’ireo raki-pamantarana sa tsia, dia afaka manandrana manindry ny anarana eo amin’ilay raki-pamantarana ianao mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa. (Hevitra aroso: Mampiasà Ctrl+click na Commande+click mba hanokafana ny pejin’ilay olona ao amin’ny pejy fikarohana vaovao mba tsy hanapahana ny dingan’ny fampidirana ny havanao.) Raha te hampiditra antsipirian-javatra amin’ny fikarohana ataonao ianao mba hamantarana kokoa ny raki-pamantarana ny havanao, dia azonao fidina koa ny safidy 3 hoe Hanatsara ny fikarohana.

Raha maka fotoana hanamarinana fitovian-javatra tena marina ianao ary mampiditra izany ao amin’ny tetiaranao, fa tsy mamorona raki-pamantarana vaovao ho an’izany havana izany, dia mety hahita zavatra bebe kokoa momba ireo havanao, ary afaka mizara ny zavatra fantatrao amin’ireo taranaka hafa an’izany olona izany. Raha mampiditra zavatra mifandraika izay efa manana ray aman-dreny sy razambe hafa mipaingotra amin’izany ianao, dia manamora ihany koa ny dingan’ny famenoana ny rafi-tetiaranao ianao. Raha misy raki-pamantarana dika mitovy foronina ho an’ny razambe iray izay efa ao amin’ny Rafi-tetiarana dia hatambatra amin’ilay iray efa misy ao izany raki-pamantarana izany aty aoriana.

Fampidirana razambe fanampiny

Rehefa avy mamorona na mahita raki-pamantarana ho an’ny ray aman-dreninao ianao dia fomba mitovy no ampiasao mba hamoronana na hitadiavana ireo raki-pamantaran’ireo ray aman-drenibenao sy ireo havana hafa. Fantaro fa afaka manampy ray aman-dreny maro ianao, isan’izany ny ray aman-drenikely, ray aman-dreny niteraka, ary ray aman-dreny nanangana. Toy izao ny fanaovana izany.

Mampitombo ilay Tetiarana iombonana

Rehefa mifandray amin’ireo raki-pamantarana efa misy ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao, dia hipoitra ho azy ireo havana efa nodimandry fanampiny izay efa mifandray amin’izy ireo ao amin’ilay tetiarana. Ity santionana kisary eto ambany ity dia maneho ny dingan’ny fifandraisana ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch amin’ireo rantsana samihafa ao amin’ny tetiaranao:

  1. Mampiditra raki-pamantarana ho an’ireo havana velona, izay mijanona ho anao samirery.
  2. Mampiditra fampahalalana momba ireo razambe nodimandry ary mijery ireo zavatra mety mifandraika avy ao amin’ny Rafi-tetiarana iombonana. Ho hitan’ny besinimaro ireo raki-pamantarana ho an’ny maty.
  3. Raha mahita zavatra mifandraika ao amin’ny Tetiarana ianao dia mety hisy raki-pamantarana fanampiny an’ireo havana hafa hipoitra ho azy!
Kisary maneho ny fomba hifandraisana amin’ny tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch.

Mety hahita fahadisoana ianao ao amin’ireo raki-pamantaran’ireo havana nodimandry na amin’ny rohim-pihavanana mampifandray azy ireo amin’ny hafa. Manantena izahay fa hanampy amin’ny fanitsiana azy ireo ianao!

Ny zavatra atao raha tsy mahita zavatra mifandraika ianao

Ny olona sasany dia mety tsy hahita hoe efa ao amin’ny tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch ny havan’izy ireo. Raha izay no mitranga aminao dia manana fanamby sy tombontsoa ianao ny hampiditra ny zavatra fantatrao. Avy eo dia afaka mifanome tanana ianao sy ireo havanao mbola velona mba hamantatra zavatra bebe kokoa momba azy ireny. Ireo olona hafa manerana izao tontolo izao izay misy rohim-pihavanana amin’ireo olona ireo dia mety hahita anao sy hifandray aminao aty aoriana ao amin’ilay tetiarana iombonana ao amin’ny FamilySearch.

Mankanesa ao amin’ny FamilySearch dia forony ao amin’ny Tetiarana ao amin’ny FamilySearch ny toeranao androany!

Nataon’i   Sally Odekirk
March 26, 2024
Nanapa-kevitra ianao ny hianatra momba ireo razambenao sy hampiditra zavatra ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Arahabaina i…
Nataon’i   Sunny Jane Morton
February 27, 2024
Ny tranonkalan’ny FamilySearch izay azo hidirana maimaim-poana no ahitana ny rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Ity rafi…

Ny fomba hitadiavana ny fianakavianao

Nataon’i   Rachel J. Trotter
May 21, 2024
Fitaovana miavaka ny rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch. Ho an’ny olona sasany, ny fampiasana ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch …

Momba ilay namorona