Ny fomba hifandraisana amin’ireo mpampiasa hafa—Miara-miasa ao amin’ny Rafi-tetiarana

Two brothers sit side by side working on a laptop.

Efa nandeha hafatra ho an’olona tao amin’ny FamilySearch.org ve ianao na efa niresadresaka mikasika ny razambe iray tao amin’ny pejin’ny olona azy ireo?Mety ho ampahany manan-danja amin’ny fananganana rafi-tetiarana ny fifandraisana amin’ireo olona hafa mpampiasa ny FamilySearch sy ny fifandraisana amin’ny fianakavianao, na ny tany aloha na ny amin’izao fotoana izao.

Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia manome fahafahana ny fianakaviana maneran-tany hiara-hiasa sy hanangana rafi-tetiarana. Ny taranaka avy amin’ny rantsana isan-karazany ao amin’ny fianakaviana iray dia matetika no manana sarim-pianakaviana sy tahirin-kevitra ary fahatsiarovana samy hafa. Mety hahita fampahalalana miavaka ireo izay manao fikarohana amin’ny fiteny, faritra, tahiry, na tranonkala hafa manokana.

Rehefa mampiditra ny zavatra fantany ao amin’ny Rafi-tetiarana iombonana sy miara-miasa ireo taranaka mba hitady fampahalalana vaovao, dia lasa mafonja kokoa ny fahalalana iombonana ananan’izy ireo. Afaka mianatra mihoatra ny zavatra mety efa hitany samirery izy ireo ary afaka mitsitsy ny fotoana lany amin’ny alalan’ny famelana fanamarihana sy ny fandefasana hafatra ho an’ireo mpampiasa hafa.

Fomba tsotra hifaneraserana amin’ireo olona hafa mpampiasa ny FamilySearch.org

Mety hahazoana hevitra sy hanampy ny fifaneraserana amin’ireo olona hafa mpampiasa ny FamilySearch.org. Mety ho tianao angamba ny hisaotra olona noho ny fampidirana sary nataony na ny fizarany tantara manan-danja. Mety ho tianao ny hahafantatra ny loharano nahazoana ny fampahalalana momba ny olona iray raha tsy mbola navoaka izany. Mety hila fanampiana ianao mba hametraka fanontaniana raha toa ka nisy mpampiasa hafa nampiditra zavatra diso. Na mety ho tianao fotsiny ny hifandray amin’ny olona izay mitovy zavatra tadiavina aminao mikasika ny havana iray manokana.

Ireto misy fomba tsotra vitsivitsy hifaneraserana amin’ireo olona hafa mpampiasa ny FamilySearch rehefa mampiasa ny Rafi-tetiarana ianao.

Hazavao ny asa ataonao

Ny fomba fifaneraserana manan-danja indrindra nampiasainao ao amin’ny Rafi-tetiarana raha mitaha amin’ny fomba hafa dia ny firaketana ny antony ieritreretanao fa marina ny fampahalalana nampidirinao. Rehefa mampiditra na manova fampahalalana ianao, dia hahita efa-joro izay milaza hoe “Ny antony maha-marina io fampahalalana io.” Makà fotoana hanazavana ilay loharanon-kevitra sy ny antony nitarika anao hampiditra io fampahalalana io. Ny fanambarana antony nataonao dia lasa ampahan’ny raki-pamantarana ny razambe iray ary afaka manampy ny taranaka hafa hahatakatra ny antony nitondrana fanovana ary manampy azy ireo amin’ny fikarohana ataony.

Sarin’ny efijery maneho ny fomba hanazavana ny asanao.

Tsy mahafantatra ny zavatra holazainao ve ianao? Inty ny fomba hanoratana fanambarana antony mahomby. (Aza adinoana ny manapaingotra ireo loharano ara-tantara izay manohana ihany koa ny zavatra lazainao!) 

Ampiasao ny bokotra ny Anjara birikiko

Ny pejin’ny raki-pamantarana an’ny razambe tsirairay avy dia ahitana bokotra Ny anjara birikiko. Eto ianao dia manana toerana hampidirana fanamarihana sy hanaovana fifanakalozan-kevitra.

Azonao atao ny mamoaka hafatra ho an’ny olona hafa izay mety mikaroka ireo razambeny eo amin’ny fizarana fanoratana fanamarihana.  Ampiasao ireo fanamarihana mba handrindrana ny fikarohana, ilazana amin’ny hafa ny toerana nahafahanao na tsy nahafahanao nahita firaketana, na hanaovana fanamarihana momba ana rakitsoratra voafaritra tsara. (Jereo eto ambany ny ohatra iray ana fanamarihana.) Ny fanamarihana ato amin’ity fizarana ity dia azo jerena sy ovain’izay olona rehetra mampiasa ny Rafi-tetiarana.

Fanamarihana manan-danja:Ny bokotra fanamarihana dia tsy toerana hametrahana rohim-pihavanana manokana na antsipiriana trangan-javatra, toy ny daty nahaterahana sy nahafatesana. Ireo antsipirian-javatra ireo dia apetraka eo ambanin’ny bokotra Antsipiriany ho an’ny razambenao. Manana ny toerany manokana ihany koa ireo tantara sy fahatsiarovana, eo ambanin’ny Fahatsiarovana.

Sarin’ny ef-jery maneho ny fomba hampidirana fanamarihana.

Azonao atao, ao amin’ny fizarana Fifanakalozan-kevitra, ny manomboka na miditra anaty fifanakalozan-kevitra momba ny razambenao (Ohatra: “Nanambady olona hafa ankoatra an’i Valeria ve i Charles?”). Hitan’ny rehetra ny valin’izany ary mijanona hitan’ny olona eo foana raha tsy hoe fafan’ilay olona nanomboka ilay fifanakalozan-kevitra izany. Io fitaovana io dia fomba tsara iray hifampiresadresahana amina taranaka maro.

Sarin’ny efijery ahitana tondro maneho ny fomba hampidirana fifanakalozan-kevitra vaovao.

Hifandray amina olona iray mpampiasa

Ny mpampiasa tsirairay izay nampiditra fampahalalana tao amin’ny Rafi-tetiarana dia paingorina eo amin’ny anaran’ny efijerin’ilay mpampiasa izay nampiditra ilay fampahalalana. Raha te hahita ireo anarana nopaingorina dia tadiavo ny bokotra fanovaovana ny Fijerena ny antsipiriany eo ambonin’ny fizarana tsirairay dia tsindrio izany mba hijerena ny fampahalalana.

Sarin’ny efijery ahitana tondro maneho ny fijerena ny antsipiriany sy ny fomba ahitana ny fanovana farany indrindra natao.

Afaka mahita ihany koa lisitra famintinana ny fanovana natao vao haingana indrindra tao amin’ny raki-pamantarana ny razambe iray ianao (sy izay nanao ny fanovana) eo ambanin’ny bokotra Antsipiriany, izay milaza hoe Fanovana farany indrindra; tsindrio ny Haneho ny zavatra rehetra mba hahitana tantara feno.

Mifandraisa amina mpampiasa iray amin’ny alalan’ny fanindriana ny anaran’ny efijerin’izany olona izany, na aiza na aiza no mety hipoiran’izany. Araka ny haseho eto dia hisy efa-joro varavarankely hipoitra izay hamela anao handefa hafatra. (Raha hijery ny hafatra ho anao dia midira ao amin’ny tranonkala ary tsindrio ny rohy Hafatra eo amin’ny farany ambony amin’ny efijerin’ny FamilySearch.org. Mety haharay email fampandrenesana ihany koa ianao rehefa misy olona hafa mpampiasa ny FamilySearch.org mandefa hafatra ho anao.)

Sarin’ny efijery maneho ny fomba handefasana hafatra.

Indraindray dia mety hahatsikaritra ianao fa nandefa fahadisoana maro ny mpampiasa iray. Tsy manana traikefa sy fahalalana tahaka ny hafa ny mpampiasa sasany. Mety tsy hanana fampahalalana feno na marina ny sasany. Mandray ny olona rehetra izay te hanampy mba hampivelatra ny Rafi-tetiarana ny FamilySearch ary manantena fa hisy mpanao fikarohana manana traikefa bebe kokoa afaka hanampy ireo mpianatra manana fandavan-tena mba hanatsara ny fandraisan’izy ireo anjara.

Mba hanombohana na hanatsarana ny fiarahanao miasa amin’ireo taranaka namanao dia tsindrio eto mba hankanesana ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch!

Nataon’i   Sunny Jane Morton
February 27, 2024
Ny tranonkalan’ny FamilySearch izay azo hidirana maimaim-poana no ahitana ny rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Ity rafi…

Momba ilay namorona