Loharanom-pitaovana ho an’ireo mpandrindra vaovao ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch

Share

Teny fanolorana

Tonga soa eto amin’ny anjara asanao vaovao amin’ny maha-mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch anao. Ny andraikitra voalohany dia ny manampy ny hafa hiaina zavatra manokana momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Ny andraikitrao faharoa dia ny mitantana ny ivon-toeran’ny FamilySearch. Manampy amin’ny antsonao vaovao ity fampahalalana manaraka ity.

Misy rohy mitondra any amin’ny fampahalalana fanampiny tena ilaina avy amin’ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana ao amin’ny FamilySearch.org any amin’ny faran’ity lahatsoratra ity.

Hisoratra anarana mba ho mpandrindra vaovao ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch

  1. Raha tsy manana kaontin’ny Fiangonana ianao dia mamoròna iray ao amin’ny https://account.churchofjesuschrist.org/register.
  2. Mifandraisa amin’ny FamilySearch dia ampidiro ny antsonao vaovao.

Mpiasa sy fiofanana

Miaraha midinika amin’ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo misahana ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny tsatòka misy anao. Afaka manampy anao hahatakatra ny antsonao izy ary hanampy amin’ireto manaraka ireto:

  • Manome torohevitra sy torolalana.
  • Mametraha fotoana matetika hihaonana mba hiresahana momba ny fampandehanana ny ivon-toerana.
  • Resaho ireo antsipiriany toy ny ora, ny mpiasa, ny fiofanana ilaina, ary ny fampiasan’ny mpikambana ny ivon-toerana.
  • Ampidiro ao amin’ny fizarana Mitantana ireo antso ao amin’ny Loharanom-pitaovana ho an’ny mpitarika sy mpitamboky ny anaranao sy ny antsonao mahazatra amin’ny maha-mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch eo anivon’ny tsatòka anao. Hanome antoka izany hoe mahafantatra ny antsonao ny mpanorohevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny vondromparitra misy anao.

Mihaonà amin’ny mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch teo aloha, raha azo atao. Afaka manampy anao amin’ireto fomba ireto ny mpandrindra teo aloha:

  • Manome fampahalalana momba ny ivon-toerana, toy ireo ora sy ny mpiasa.
  • Mampahalala anao ireo olana amin’ny mpiasa sy olana hafa.
  • Manome anao ireo fanalahidy hidirana ao amin’ny ivon-toerana.
  • Manome anao ny tenimiafin’ny mpiandraikitra amin’ireo solosaina.
  • Miresaka momba ireo andraikitra fototra.
  • Manome ny fomba hahafahana mifandray amin’ny mpitantana ny trano sy ny fampitaovana ary ny tompon’andraikitra manokana momba ny teknôlôjia eo amin’ny tsatòka.

Mandehana ao amin’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch. Midira ao amin’ireto vondrona manaraka ireto:

  • Mpanorohevitra mikasika ny tempoly & ny tantaram-pianakaviana
  • Fanampiana avy amin’ny Ivon-toeran’ny FamilySearch ho an’ireo mpandrindra sy mpiasa

Ampiasao ny vondrom-piarahamonina mba hametrahana fanontaniana sy hizarana hevitra ary hangatahana fanampiana. Midira eto raha ho ao amin’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch.

Mba hidirana ao amin’ny Vondrom-piarahamonina dia:

  1. Midira amin’ny alalan’ny kaonty maha-mpikambana anao (ao amin’ny Fiangonana na ny FamilySearch) izay mifandray amin’ny laharan’ny firaketana ny maha-mpikambana anao.
  2. Safidio ny Vondrona.
  3. Ampidiro eo amin’ny faritra ahitana ny hoe Hitady vondrona ny hoe: Mpanorohevitra mikasika ny tempoly & ny tantaram-pianakaviana dia tsindrio ny Entrée.
  4. Tsindrio ny vondron’ny Mpanorohevitra mikasika ny tempoly & ny tantaram-pianakaviana ao amin’ireo vokatra.
  5. Tsindrio ny Hiditra.
  6. Eo an-tampon’ny efijery, izay ahitana hoe: RENIM-PEJY > VONDRONA > MPANOROHEVITRA MIKASIKA NY TEMPOLY & NY TANTARAM-PIANAKAVIANA, dia fidio ny VONDRONA mba hiverenana eo amin’ny efijerin’ny Vondrona.
  7. Ampidiro ao amin’ilay faritra ahitana hoe Hitady vondrona ny hoe: Fanampiana avy amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ho an’ireo mpandrindra sy mpiasa dia tsindrio ny Entrée.
  8. Tsindrio ny vondrona Fanampiana avy amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ho an’ireo mpandrindra sy mpiasa eo amin’ireo voka-pikarohana.
  9. Tsindrio ny Hiditra.

    Mba hiverenana any amin’ ireo vondrona misy anao any aoriana any, raha vantany vao tafiditra ao amin’ny toerana misy ny Vondrom-piarahamonina ianao, dia fidio eo amin’ny tampon’ny efijery ny hoe Vondrona, dia fidio avy eo ny Vondrona misy Ahy mba hahitana ny lisitr’ ireo vondrona efa nidiranao.

Raha tsy misy olona afaka manome fampiofanana ao amin’ny tsatòka misy anao dia milà hevitra amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka misy anao. Afaka manome fomba ifandraisana ho an’ny mpanoro hevitra momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny vondromparitra misy anao izy. Raha tsy fantatr’ireo mpiasa amin’izao ny fomba fanolorana traikefa mivantana amin’ireo mpampiasa dia ampiofano izy ireo. Raha tsy mahatsapa ianao fa mahay tsara ny fampiofanana ny mpiasa ao aminao dia milà hevitra amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana.
Hita ao amin’ny pejy Loharanom-pitaovana ho an’ny Ivon-toeran’ny FamilySearch ireo loharanom-pitaovana sy fitaovana fiofanana.

Filana mpiasa fanampiny

Raha mila mpiasa misimisy kokoa ianao dia miaraha mivory amin’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana ary resadresaho amin’izany ny zavatra ilainao. Tafiditra ao anatin’izany mpiasa izany ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana eo anivon’ny paroasy ary ireo mpikambana mpilatsaka an-tsitrapo. Misy fanampiana fanampiny azo jerena ato na amin’ny alalan’ny Vondrom-piarahamonina FamilySearch.

Tatitra isam-bolana

Azo jerena eto ireo tatitra isam-bolana momba ny zavatra ataon’ny ivon-toerana ho an’ireto faritra manaraka ireto:

Fanamarihana: Any Eorôpa Afovoany dia tsy takina amin’izao fotoana izao ireo antontanisa ireo.

  • Eorôpa
  • Eorôpa Atsinanana
  • Amerika Latina

Vitao amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao ilay tatitra:

  1. Misafidiana fiteny eo amin’ny lisitra mitandahatra midina.
  2. Ampidiro ny solonanaranao sy ny tenimiafinao.
  3. Tsindrio ny Hiditra.
  4. Fenoy ilay tatitra.
  5. Tsindrio ny Handefa.

Ho an’ireto faritra manaraka ireto dia azo jerena eto ny tatitra isam-bolana:

  • Amerika Avaratra
  • Afrika
  • Pasifika
  • Filipina

Vitao amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao ilay tatitra:

  1. Ampidiro ny laharan’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ao amin’ny rantsana misy anao.
  2. Tsindrio ny Hanohy.
  3. Fenoy ilay tatitra.
  4. Tsindrio ny Handefa.

Tafiditra ao anatin’ilay tatitra ny isan’ny ora isokafan’ny ivon-toerana, ny isan’ny fitsidihana ataon’ny mpikambana sy ireo mpitsidika hafa, ary zavatra hafa. Ny tatitra isam-bolana dia misy fiantraikany mivantana raha heverina ho mila fanoloana fitaovana na tsia ny ivon-toerana misy anao. Amporisihina ny hamandrihanao ny tranonkalan’ny vondromparitra misy anao.
Rehefa vita ny fandefasana tatitra isam-bolana dia misy email alefa ao amin’ny kaonty FamilyHistoryMail anao miaraka amin’ny fampahalalana nalefanao. Azonao alefa any amin’ny mpitarika anao ao amin’ny fisoronana io tatitra io.

Torolalana momba ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch

Ny Torolalana momba ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch dia boky torolalana fototra hitantanana ireo ivon-toeran’ny FamilySearch. Ny fampahalalana momba ireto lohahevitra manaraka ireto dia hita ao amin’ilay torolalana momba ny fampandehanan-draharaha:

Lisitry ny fomba ifandraisana amin’ireo rafitra sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana (CDOL)
Sarintany maneho ny ivon-toeran’ny FamilySearch sy fanoroana ireo tranomboky mifandray amin’izany
FamilyHistoryMail
Solosaina, fanaovana printy, ary rindrambaiko
Microfilm sy microfiche
Fitaovana ao amin’ny Ivon-toerana
Fikarakarana ny trano sy ny fampitaovana

Raha tsy azonao antoka hoe marina ny zavatra iray ao amin’ny torolalana momba ny fampandehanan-draharaha, dia mifandraisa amin’ny Sampam-panampiana an’ny FamilySearch mba hahazoana fanampiana.

Portail an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch

Ny Portail an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch no toerana iaingana amin’ireo tranonkalan’ny FamilySearch sy ireo tolotra hafa misy ho an’ireo mpampiasa ny ivon-toeran’ny FamilySearch. Ilay Portail no ataovy renim-pejy eo amin’ny mpitety tranonkalan’ny solosaina tsirairay ao amin’ny ivon-toerana. Ny fahafahana miditra ao amin’ny Portail an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch dia hita ao amin’ny https://www.familysearch.org/centers/portal. Raha mila fampahalalana misimisy kokoa momba ny extension ilaina ho an’ny mpitety tranonkala dia jereo ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe: Ny fomba ampiasana ny extension ho an’ny votoatiny Premium an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch

Ivon-toerana misahana ny fanampiana sy ny fianarana ao amin’ny FamilySearch

Ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana sy fianarana ao amin’ny FamilySearch dia ahitana lahatsoratra sy loharanom-pitaovana hafa mba hanampiana anao amin’ny antsonao. Mba hidirana ao amin’ny Ivon-toerana misahana ny fanampiana sy ny fianarana dia midira ao amin’ny FamilySearch.org. Tsindrio ilay baraingo (?) eo amin’ny zorony ambony havanana amin’ny efijery. Ampidiro eo amin’ny faritra fanaovana fikarohana ao amin’ny Fanampiana ny fepetra takina amin’ny fikarohana, na tsindrio ny teny manokatra rohy an’ny ivon-toerana misahana ny fanampiana sy ny fianarana.

Fandrindram-potoana

Ny Fandrindram-potoana dia mamela anao hanampy ny hafa. Afaka mampiditra mpikambana ao amin’ny Fandrindram-potoana ianao mba hijery ny fampahalalana eo amin’ny hazon’ny tetiaran’izy ireo sy hanomana traikefa amin’ny tantaram-pianakaviana natao ho azy ireo manokana. Raha hiditra ao amin’ny Fandrindram-potoana dia tsindrio ny marika famantarana ny fanontaniana ary avy eo dia loharanom-pitaovana ho an’ny mpanampy.

Lahatsoratra mifandray

Fanesorana ny fitaovana amin’ny solosaina efa tonta ao amin’ireo ivon-toeran’ny FamilySearch
Fampiasana ny renim-pejy misy ireo tolotra an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Extension amin’ny fitety tranonkala ho an’ny votoatiny Premium an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Fanaovana ny renim-pejy misy ireo tolotra an’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ho pejy fototra
Fanovana ny tenimiafin’ny FamilyHistoryMail
Mihidy ny kaonty FamilyHistoryMail
Olana amin’ny fidirana sy ny tenimiafina amin’ny kaonty FamilyHistoryMail
Fanavaozana ny fampahalalana momba ny ivon-toeran’ny FamilySearch ao amin’ny CDOL
Fidiran’ny ivon-toeran’ny FamilySearch ao amin’ny CDOL
Microfilm na microfiche tsy ilaina ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Ahoana no fomba hanomanako lesona ao amin’ny Fandrindram-potoana?
Loharanom-pahalalana an-jotra ho an’ireo ivon-toeran’ny FamilySearch
Torolalana momba ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny ivon-toeran’ny FamilySearch
Hanavao ny mombamomba ny mpandrindra ny ivon-toeran’ny FamilySearch

Nanampy anao ve ity?