Ny fomba hanitsiana ireo rohy diso mankany amin’ireo firaketana ao amin’ny Rafi-tetiaranao

Cropped image of businessman holding paper jigsaw puzzle piece while making head on wooden table
Andrey Popov - stock.adobe.com

Ao anatin’ny rafi-tetiarana ho an’ny besinimaro sy hifanomezan-tanana, ny fisian’ny loharano diso mifandray amin’ny razambenao dia zavatra mpitranga matetika. Soa ihany fa mora ahitsy ny loharano diso. Ireto misy fomba vitsivitsy hanitsiana ireo rohy tsy marina ao amin’ny FamilySearch.

Hanaisotra ireo rohy

Fomba iray hanitsiana ireo rohy diso ny manaisotra azy ireny tsotra izao. Io fanitsiana io dia azo atao amin’ny dingana tsotra vitsivitsy:

1. Mandehana ao amin’ny pejin’ny olona ho an’ny razambe.

Sarin’ny efijery maneho ny bokotra loharanon-kevitra

2. Rehefa tonga ao amin’ny pejin’ny olona ianao dia tsindrio ny bokotra Loharanon-kevitra hita eo amin’ny barre de défilement eo ambony.

Sarin’ny efijery ahitana ny loharano hijerena ao amin’ny lisitr’ireo loharano

3. Ho voatarika any amin’ny pejy iray ahitana ny lisitry ny loharano an’ilay olona ianao. Raha hijery loharano iray dia tsindrio ny rohin’ny Loharano hijerena eo ambanin’ny lohatenin’ilay loharano.

Sarin’ny efijery maneho ny safidy hanaisotra firaketana

4. Rehefa avy nanindry ny Loharano hijerena, ianao ka mino fa diso ilay loharano, dia tsindrio ny rohin’ny Hanaisotra mba hanaisorana ilay loharano eo amin’ilay razambe.

Mahazoa toky fa any aoriana raha mahita ianao fa marina ilay loharano, dia azo foanana io fanovana io ao amin’ny efajoro hoe Ireo fanovana farany (hita eo amin’ny ilany havanana amin’ny pejin’ny olona).

Hamindra ireo rohy

Matetika no nopaingorina tamin’ny razambe tsy izy ao amin’ny fianakaviana iray ilay rohy. Raha fantatrao ny laharam-pamantarana ilay olona an’ilay razambe izay tompon’ilay firaketana, dia azonao afindra ao amin’ny lisitry ny loharano ho an’izany olona izany ilay loharano.

1. Mankanesa ao amin’ny pejin’ny olona an’ilay razambe izay ahitana loharano diso nopaingorina taminy ary avy eo dia mankanesa eo amin’ny bokotra Loharanon-kevitra eo ambonin’ny pejin’ny olona.

2. Tadiavo ao amin’ilay lisitr’ireo loharano ilay loharano diso. Tsindrio ny Hijery Loharano.

3. Fidio ao amin’ny safidy natolotra ny Handinika ireo zavatra nopaingorina izay manokatra ny pejy mampifandrohy an’ilay loharano.

  • Fanamarihana: Raha tsy safidy azo atao ny Handinika ny zavatra nopaingorina dia tsy misy ho an’io firaketana io ny fitaovana “hamindra rohy”, kanefa afaka manapaingotra ilay firaketana amin’ny razambe tena izy amin’ny fomba hafa ianao.

4. Eo amin’ny zorony ambony havanana, tsindrio ny hoe Tsy fianakavianao ve io? Tadiavo ny fianakavianao.

Sarin’ny efijery maneho ny “Tsy fianakavianao ve io? Hitady ny fianakavianao ve ianao?”

5. Hisy efajoro hipoitra izay ahitana soratra hoe Hitady firaketana mifandray ao amin’ny Rafi-tetiarana eo amin’ny farany ambony. Manomboka eto dia azonao atao ny misafidy razambe vaovao avy ao amin’ny Lisitry ny zavatra nataonao na mampiditra ny laharam-pamantarana ilay olona ho an’ilay razambe tianao hanapaingorana ilay loharano.

Sarin’ny efijery maneho ny efajoro mipoitra ahitana soratra hoe “Hitady firaketana mifandray ao amin’ny Rafi-tetiarana”.

Hifanome tanana

Sarin’ny efi-jery maneho ny anarana sy ny email an’ny olona hifandraisana

Afaka mitady matetika ny anaran’ny olona hifandraisana izay namorona na nampiditra rohy iray ianao. Azonao tadiavina io anarana io amin’ny alalan’ny fandehanana ao amin’ny pejin’ny Olona an’ilay razambe, dia misafidy ny bokotra Loharanon-kevitra eo ambonin’ny pejy, ary mitady ilay tsanganana Noforonin’i eo ankavanan’ny lisitry ny loharano.

Ho hitanao ao amin’ny tsanganana Noforonin’i ny anarana mifandray amin’ny loharano nakana ny firaketana tsirairay. Fidio io anarana io hitadiavana izay zavatra misy mombamomba ny olona ifandraisana na handefasana hafatra amin’ny alalan’ny fandefasan-kafatra ao amin’ny FamilySearch. Io olona ifandraisana io dia afaka ny ho fomba hanaisorana izay mety ho fisavorovoroan-tsaina na tsy fifankahazoan-kevitra manodidina ny razambe iray.

Aza adinoina ny maneho fahalalam-pomba sy fanajana rehefa miara-miasa amin’ny hafa. Isan’ireo zavatra tsara indrindra mikasika ny tetiarana ny herin’izany mba hampivondrona ny fianakaviana, ary io fahafahana hifanerasera io dia afaka mamporisika ny fanahin’ny firaisan-kina.

Fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba ampiasana ny Rafi-tetiarana

Nataon’i   FamilySearch
May 25, 2023
Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia fitaovana mahatalanjona afaka manampy anao handamina ny fampahalalana momba ny fianakavianao s…

Momba ilay namorona