Rehefa mitety ny hazon-tetiaram-pianakavianao ianao dia mety mahatsikaritra fitambarana litera sy tarehimarika eo ambanin’ny anaran’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana.
Laharam-pamantarana olona ireo ary ny fahatakarana hoe inona izy ireo ary ahoana no fomba fampiasana azy ireo dia afaka ny ho tombontsoa lehibe ho anao rehefa manao ny tantaram-pianakavianao ianao!
Inona no atao hoe laharam-pamantaran’olona ary aiza no ahitako azy?
Ny olona tsirairay ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch dia manana laharam-pamantaran’olona ampitondraina azy izay miseho amin’ny endrika andiana litera sy tarehimarika. Ireo laharam-pamantaran’olona ireo dia an’ny olona efa maty tsirairay manokana.
Afaka mahita ilay laharam-pamantarana eo ambanin’ny anaran’ilay olona ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakavianao ianao na eny an-dohan’ny pejin’ny olona.

Ahoana no ahafahako mampiasa ny laharam-pamantaran’olona iray?
Mandika ny laharam-pamantaran’olona
Mety hahasoa ny mahafantatra ny laharam-pamantaran’ny razambe iray, indrindra raha toa ka mikasa ny hiverina any amin’ny fampahalalana momba izany olona izany ianao (horesahina amin’ny antsipiriany ao aoriana ao). Mba handikana haingana laharam-pamantaran’olona iray dia araho ireto dingana ireto:
1. Tsindrio ilay laharam-pamantaran’olona, izay hitanao eo ambanin’ny anaran’ilay olona ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviana na eo amin’ny pejy olona an’ilay razambe.
2. Hisy varavarankely hipoitra tampoka izay misy teny hoe “Handika ny laharam-pamantarana.” Mba handikana ny laharam-pamantaran’olona iray dia tsindrio ity rohy ity.

3. Apetaho any amina raki-pampahalalana na any amin’izay fanasianao firaketana ireo laharam-pamantaran’olona izany.
Vao haingana
Afaka mampiasa ilay endri-javatra hoe Vao haingana ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana sy ny laharam-pamantaran’olona an’ny razambenao ianao mba hiverenana haingana any amin’ny pejin’ny razambenao anankiray. Dingana tsotra vitsy monja no atao amin’izany.

1. Tsindrio ilay vakizoro hoe Vao haingana eny amin’ny tampony havian’ilay efijery eo amin’ny hazon-tetiaram-pianakavianao.
2. Hisy saha mipoitra midina hiseho ary hanome anao safidy hanoratra na hametaka anaran’olona iray ao amin’ny fianakaviana na laharam-pamantaran’olona iray. Ampidiro ilay laharam-pamantarana an’ilay olona.
3. Tsindrio ny hoe Hiditra. Raha marina ilay laharam-pamantarana dia hisokatra ny pejin’ilay razambe.
Manaova fikarohana
Raha efa fantatrao ny laharam-pamantaran’olona izay an’ny olona iray manokana ao amin’ny fianakaviana, dia afaka mampiasa ihany koa ilay laharam-pamantaran’olona ianao mba hitadiavana ny pejin’ilay olona:
1. Tsindrio ny hoe Hazon-tetiaram-pianakaviana izay hita eny amin’ny sisiny havia eny amin’ny tampon’ny efijery na apetaho eo amin’izany ny tondron’ny totozinao, ary tsindrio ny hoe Hitady avy ao amin’ireo safidy atolotra.
Tsindrio ny hoe Hitady araka ny laharam-pamantarana ary ampidiro ao anatin’ilay faritra hanasiana izany ny laharam-pamantarana an’ilay olona. Tsindrio avy eo ny hoe Hitady. Hiseho eo amin’ilay efijery manaraka ny anaran’ilay olona izay mitondra ilay laharam-pamantarana manokana.

3. Manana safidy ianao, avy eo amin’io efijery io, hanindry izay anarana misy rohy izay hitondra anao any amin’ny pejin’ilay razambenao.

Manaovana fampitambarana
Indraindray raha tokony hiantehitra amin’ilay fitaovana fikirakirana ny zavatra mety miverina indroa, dia afaka mampiasa ny laharam-pamantaran’olona ianao mba hampitambarana olona miverina indroa ao amin’ilay hazon-tetiarana. Mba hanaovana izany dia hampiasa ny safidy atolotra hoe Hanambatra araka ny laharam-pamantarana avy ao amin’ny fizarana hoe Fitaovana eny amin’ny faritra havanan’ny pejy olona ianao.

1. Adikao na soraty ny laharam-pamantaran’ilay olona ao anatin’ilay firaketana izay tsy tianao hazonina.
2. Akorisaho midina ny pejy olona izay manana firaketana marina kokoa, ary tsindrio ao amin’ireo safidy atolotra eny ankavanana ny hoe Hanambatra araka ny laharam-pamantarana ao amin’ny fizarana hoe Fitaovana.
3. Ampidiro ao amin’ilay faritra omena ny laharam-pamantarana an’ilay olona izay nadikanao na nosoratanao. Averina indray fa io dia ilay laharam-pamantarana an’ilay olona manana firaketana izay zara raha marina ny fampahalalana ao anatiny. Tsindrio ny Hanohy.

4. Hatreto dia hahita ireo raki-pamantarana an’ireo firaketana anankiroa izay mifanila ianao mba hahafahana mampitaha azy roa ary mandika izay fampahalalana tianao hazonina. Avereno jerena ireo fampahalalana rehetra.
5. Rehefa avy namerina nijery tanteraka ireo raki-pamantarana anankiroa ianao, dia tsindrio ny Hanohy hanambatra eny amin’ny farany ambanin’ny efijery.
6. Hangatahina ianao mba hanazava ny antony inoanao fa tokony hatambatra ireo firaketana ireo. Rehefa nampidirinao ny filazanao ny antony dia tsindrio ny hoe Hamarana ny fampitambarana.
7. Nahatanteraka ireo dingan’ny fampitambarana olona miverina indroa araka ny laharam-pamantarana ianao izao.
Tetezo ny hazon-tetiaranao
Ankehitriny rehefa fantatrao ny atao hoe laharam-pamantaran’olona sy ny zavatra azony hanampiana anao ny fanaovana azy, dia tsidiho ny hazon-tetiaram-pianakavianao ary mitadiava fomba hampiasana ireo fahalalana anananao momba ny laharam-pamantarana!