Hitady razambe ao amin’ireo firaketana
Afaka mampipongatra antsipiriany vaovao ireo firaketana ary afaka mamorona dian-taratasy ho ana razambe iray manokana.
Ireo fototry ny fikarohana razambe
Ny fikarohana ireo razambenao ao amin’ireo lahatahirin’ny raki-tantara dia tena mitovy amin’ny fikarohana atao amin’ny Google. Ampidirinao izay fantatrao mikasika ny zavatra tianao ho hita. Avy eo ny milina mpikaroka dia manivana lahatahiry maro mba hahitana ireo zavatra tena mitovy.
Ho an’ny fikarohana razambe dia tsara ny mampiditra fampahalalana toy ny anaran’ilay olona sy hoe taiza ary oviana izy no niaina sy maty. Manampy ihany koa ny fahafahana mampiditra ny fifandraisana toy ny hoe vady, na ray aman-dreny na zanaka.
Ampidiro izay zavatra fantatrao na izay azonao tadiavina avy amin’ireo fianakaviana. Aza manahy raha toa tsy hainao izy rehetra. Afaka miainga amina fampahalalana vitsivitsy fotsiny ny fikarohana.
Inona no hatao manaraka
Manampy anao hanangona ireo antsipiriany ao amin’ny tantaram-pianakaviana ny raki-tantara. Manolotra fampahalalana manan-danja sy mahaliana izany toy ny adiresy, anaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, ary antsipiriany manokana toy ny halava, lokon’ny maso sy ny asa. Mety ho hitanao na dia ny sonian’ilay razambenao aza.
Tehirizo ao amin’ny mombamomba azy ireo ao amin’ny rafi-tetiarana ny zavatra hitanao momba ireo razambenao. Ny zavatra tehirizinao dia ho voatahiry sy ho voazara ho azy amin’ireo fianakaviana izay mety mikaroka fampahalalana mitovy amin’izany. Lasa loharano ihany koa ireo antsipiriany ireo izay afaka hanamarinana ireo zava-nitranga tamin’ny fiainan’olona iray sy manampy amin’ny fanaporofoana ireo fifandraisana misy.