Mamoròna rafi-tetiarana iray

Mamoròna rafi-tetiarana iray

Andramo ireto asa atao ireto hanombohanao ny fanoratana eo amin’ireo rantsan’ny rafi-tetiaran’ny fianakavianao eo amin’ny FamilySearch.

Inona no atao hoe rafi-tetiarana?

Amboaram-piraketana lehibe ny tetiaram-pianakaviana izany. Olona maro manerana izao tontolo izao no nampiditra sampana izay azy ireo tao anatin’ny taona maro.

Dingana voalohany

Atombohy amin’ireo ray aman-dreninao, ary mampidira havana izay velona sy maty tany aloha be tany araka izay vitanao. Ny antso an-tariby vetivety na hafatra alefa any amina fianakaviana efa antitra iray dia mety hanampy anao hameno ny banga sasany.

Torohevitra kely: Aza manahy momba ny fampidirana ireo olona izay mbola velona rehefa miverina mankany amin’ireo maty ianao. Ny fampahalalana rehetra momba ny olona mbola velona dia tazonina ho tsiambaratelo.

Mampiditra olona ao anatin’ny rafi-tetiarana

Safidio ny bokotra (+) mba hampidirana olona amin’ny rafi-tetiarana.

Ampidiro ny anaran’ilay olona ary ny daty sy ny toerana nahaterahana sy nahafatesana. Izay rehetra fantatrao sy azonao tadiavina. Avy eo dia safidio ny manaraka.

Mifandraisa amin’ny fianakaviam-ben’ny Arbre Familial

Rehefa mampiditra ireo anarana ao amin’ny rafi-tetiarana ianao dia hojerenay ireo olona mitovy. Noho izany, raha toa ka efa ao anaty rafi-tetiarana ny renibenao efa maty dia ho hitanay izy ary hataonay ny fifandraisana. Fahita matetika ny fitadiavana olona mitovy— anisa’ny mampijoro ny vondron’ny rafi-tetiarana dia ny fitondran’ireo mpikaroka manerana izao tontolo izao ny anjara birikiny izay natao nandritra ny taona maro.

Hijery ireo toro-hevitra kely momba ny firaketana

Ho fanampin’ny fitadiavana ny olona mitovy ao amin’ny razambe ao amin’ny rafi-tetiarana, dia hitady koa ireo amboarana raki-tantara ho an’ireo razambe nampidirinao izahay. Rehefa mahita olona mitovy izahay dia hanehoanay “tari-dalana” ianao. Azonao fantarina ny tari-dalana iray amin’ny mari-pamantarana kely manga miseho eo ambony.

Araho ny rohy ary mankanesa ao amin’ny rafi-tetiarana ka atombohy. Tsindrio ny mari-pamantarana (?) eo ambonin’ny pejy raha toa manana fanontaniana na te hianatra kokoa momba ny fiasan’izany ianao.

Torohevitra kely: Avereno jerena ireo tari-dalana hahitana raha toa ka olona mitovy izany. Raha mitranga izany, dia izany no lalana tsara indrindra hampidirana sampana vaovao ao amin’ny rafi-tetiaranao.