Raha efa nanandrana ny Ôrdônansy vonona ianao na efa nanontanian’ny mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana na tsatòka misy anao momba izany dia mety mitady valiny amin’ny fiasan’io endrika fiasa io na ny antony iasany.
Indreto misy valinteny vitsivitsy amin’ireo fanontaniana apetraka matetika avy amin’ireo mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana sy ny hafa izay manana antso momba ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana maneran-tany. Manantena izahay fa hanampy anao amin’ny antsonao ireo valinteny ireo rehefa manampy ny hafa hiaina zavatra mitaona fanahy ao amin’ny tempoly ianao.
Tsindrio ny fanontaniana raha hijery ny valiny eo ambany
- Inona no atao hoe Ôrdônansy vonona?
- Ahoana no hanampiako ny hafa hampiasa ny Ôrdônansy vonona?
- Azoko ampiasaina mba hamandrihana ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny olona iray ve ny Ôrdônansy vonona?
- Manamarina ny fisian’ireo firaketana amin’ny tahadika mitovy ve ny Ôrdônansy vonona?
- Nahoana ny Ôrdônansy vonona no nanome ahy anaran’olona izay tsy havako?
- Moa ve afaka manampy ahy hahafantatra bebe kokoa ny razambeko ny Ôrdônansy vonona?
- Nahoana ny Ôrdônansy vonona no nanome ahy anaran’olona kanefa tsy misy loharano?
- Azo ampiasaina ve ny daty notombanana rehefa mamandrika ôrdônansin’ny tempoly?
- Tsy hiteraka ny fisian’ny zavatra diso ve ny fanombanana daty?
- Rahoviana no mety ny manombana daty?
- Inona no fiantraikan’ny fanombanana daty amin’ny fikarohana ireo firaketana amin’ny tahadika mitovy?
- Moa ve lany daty afaka 90 andro avokoa ireo ôrdônansy rehetra azo tamin’ny alalan’ny Ôrdônansy vonona?
- Hafiriana mialoha no handraisako hafatra hoe ho lany daty ny ôrdônansy iray?
- Ahoana no fomba hanavaozako famandrihana ôrdônansy iray izay efa ho lany daty?
Manana fanontaniana izay tsy hitanao eto ve ianao? Asio fanamarihana eo ambany, na tsidiho ny Ivon-toerana misahana ny fanampianamomba ny FamilySearch.
F: Inona no atao hoe Ôrdônansy vonona?
V: Ny Ôrdônansy vonona dia fitaovana ao amin’ny FamilySearch izay manamora ny fitadiavana anarana ho an’ny tempoly. Manampy anao hahita ireo ôrdônansy azo atao izany sy hamandrika azy ireo, hamantatra bebe kokoa ilay olona anatanterahanao ôrdônansy, ary hanao printy ireo karatra famandrihana. Hitanao ao amin’ny application Arbre familial izany sy ao amin’ny FamilySearch.
Ianaro bebe kokoa ny fomba fampiasana ny Ôrdônansy vonona.
F: Ahoana no hanampiako ny hafa hampiasa ny Ôrdônansy vonona?
V: Anisan’ny fomba iray hampianarana ny hafa momba ny Ôrdônansy vonona ny famporisihana azy ireo hanandrana izany. Amin’izany dia afaka mamandrika samirery ireo anarana izy ary hatoky tena fa afaka manao izany indray rehefa handeha amin’ny dia manaraka.

Toetra fanampiana ho an’ny Ôrdônansy vonona
Ny Ôrdônansy vonona dia manana fomba fanampiana ihany koa izay azon’ireo mpanorohevitra jerena. Raha hiditra amin’izany toetra izany dia midira mba ho mpanampy aloha (amin’ny fampiasana adiresy email na laharana maha mpanampy). Avy eo dia mandehana ao amin’ny pejy tempoly ao amin’ny FamilySearch mba hampiasa ny Ôrdônansy vonona. Rehefa vitanao izany dia ho voafandrika amin’ny anaran’ilay olona ampianao ireo ôrdônansy.
Raha hianatra misimisy kokoa momba ny fomba fampiasana ny Ôrdônansy vonona sy ny fomba hamandrihan’izay ôrdônansy dia jereo ireto loharanom-pitaovana ireto:
- Ahoana no fomba ahitako anaram-pianakaviana ho an’ny tempoly avy ao amin’ny Ôrdônansy Vonona?
- Ny fomba hitaoman’ny Ôrdônansy vonona ny fanahin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao

F: Azoko ampiasaina mba hamandrihana ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny olona iray ve ny Ôrdônansy vonona?
V: Ilay endrika fiasa hoe Ôrdônansy Vonona dia mahita ireo famandrihana ôrdônansy ampy ho an’ny fotoam-panatrehana iray any amin’ny tempoly (batisa 4–5, fanafiana masina 1, sy ny sisa.)
Raha toa ka mamandrika ôrdônansy iray ho an’ny olona iray ianao amin’ny fampiasana ny Ôrdônansy vonona ka te hamandrika hafa ihany koa dia afaka manindry ny anaran’ilay olona mba hijerena zavatra misimisy kokoa momba ilay olona ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana. Ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana ianao dia afaka mamandrika ôrdônansy hafa izay misy.
F: Manamarina ireo firaketana misy amin’ny tahadika mitovy ve ny Ôrdônansy vonona?
V: Eny. Ny Ôrdônansy vonona dia manamarina ny mombamomba ny raki-pamantarana izay misy amin’ny dika mitovy amin’ireo anarana izay hitany, raha tsy hoe avy amin’ny lisitry ny famandrihana anao manokana ilay famandrihana (amin’izay tranga izay dia tokony efa vita ny fanamarinana nilaina natao). Ny raki-pamantarana izay mety manana dika mitovy izay ambony tokoa ny tahan’ny mety hananany tahadika mitovy dia tsy hiseho ao amin’ny Ôrdônansy vonona.
Amin’ny toe-javatra sasany dia mety nampidirina tao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana ny raki-pamantarana iray rehefa avy nanaovana fanamarinana ny fisian’ny tahadika mitovy. Raha mahita io karazana toe-javatra io ianao amin’ny famandrihana ataonao dia azonao atambatra ireo raki-pamantarana manana tahadika mitovy mba hakana antoka fa tanterahina indray mandeha ihany ireo ôrdônansy isoloana tena.
F: Nahoana ny Ôrdônansy vonona no nanome ahy anaran’olona izay tsy havako?
V: Rehefa tsy mahita fahafahana hanao asa any amin’ny tempoly ho an’ny iray amin’ireo havanao ny Ôrdônansy vonona, dia manampy anao hiomana amin’ny dianao manaraka ho any amin’ny tempoly izy amin’ny alalan’ny fitadiavana famandrihana izay nozarain’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa tamin’ny tempoly.
Ilay endrika fiasa Ôrdônansy vonona dia mitady fahafahana hanao asa any amin’ny tempoly araka izao filaharana izao:
- Ny lisitry ny famandrihana any amin’ny tempoly nataonao manokana izay nozarainao tamin’ny tempoly.
- Famandrihana ho an’ireo havanao izay nozarain’olon-kafa tamin’ny tempoly.
- Havanao ao anaty rohy (na rafi-tetiarana) izay manana ireo ôrdônansy nangatahina efa vonona.
- Ireo famandrihana nozaran’ireo mpikambana hafa tamin’ny tempoly.

Raha tsy mahita anaran-kavana ho anao ny Ôrdônansy vonona dia azonao andramana ny sasany amin’ireto dingana ireto mba hahitana bebe kokoa ny momba ny razambenao sy mba hahitana raha toa ka manana fampahalalana ampy hamantarana azy ireo izy hamitana ny ôrdônansin’izy ireo:
- Raha tsy nampifandray ny tenanao tamin’ny razambenao ianao ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch dia mety tsy afaka nahita ny razambenao ny Ôrdônansy vonona. Ianaro ny fomba famenoana ny rafi-tetiaram-pianakavianao ao amin’ny FamilySearch.
- Trandraho ny rafi-tetiaram-pianakavianao ao amin’ny FamilySearch, dia jereo ireo sary famantarana ny tempoly miloko volom-boasary. Ireo sary famantarana ireo dia mampiseho ireo razambenao izay mbola mila fampahalalana fanampiny ampidirina ao amin’ny raki-pamantaran’izy ireo alohan’ny ahafahana mangataka ôrdônansy ho azy ireo. Afaka mampiasa ny firaketana aroso hoenti-manampy sy ny teknika fototra fikarohana ianao mba hahitana misimisy kokoa momba ireo razambe ireo sy hameno ireo fampahalalana ilaina.
- Mety misy tsy ao amin’ny rafi-tetiaranao angamba ny sasany amin’ireo razambenao e? Azonao ampiasaina ny endrika isehoana miendrika fikopahana mba hahafahana mahita mora ireo toerana (hatramin’ny taranaka faha-7) izay mety misy banga ao amin’ny rafi-tetiaranao. Ianaro ny fomba fampidirana ireo taranaka efatra voalohany ao amin’ny rafi-tetiarana, na ny famenoana ireo banga any aloha amin’ny fitadiavana rakitsoratra saro-tadiavina.
F: Moa ve afaka manampy ahy hahafantatra bebe kokoa ny razambeko ny Ôrdônansy vonona?
V: Rehefa mampiasa ny Ôrdônansy vonona sy ny FamilySearch ianao dia mety ho afaka mahita tantaram-piainana, tantara, trangam-piainana, ary sary mihitsy aza an’ilay olona izay anatanterahanao ôrdônansy isoloana tena (miankina amin’izay nampidirina tao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana). Midika izany fa afaka mahafantatra ireo olona ireo ianao raha toa ka havanao izy ireo na anarana olona hafa izay nozarain’olon-kafa tamin’ny tempoly. Toy izao no fomba anaovanao izany:
Rehefa avy manindry ny bokotra maitso Ôrdônansy vonona ianao dia hanome anao ny lisitr’ireo olona azonao hamandrihana ôrdônansy ilay endrika fiasa. Tsindrio ny Hijery ny rohim-pihavanana eo amban’ny anarana iray mba hijerena ny rohim-pihavananao aminy, ary tsindrio ny Hijery olona raha hijery ny trangam-piainana sy ny fahatsiarovana ary ny sary ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana.

Fanamarihana: Raha vao tsindrinao ny Hanohyao amin’ny Ôrdônansy vonona, na raha efa manana ôrdônansy nofandrihana ianao dia afaka manindry ny anaran’olona iray ao amin’ny lisitry ny famandrihana nataonao ianao mba hamantarana misimisy kokoa momba ilay olona ao amin’ny FamilySearch.
F: Nahoana ny Ôrdônansy vonona no nanome ahy anaran’olona kanefa tsy misy loharano?
V: Ny Ôrdônansy vonona dia mampiasa ireo fenitra ôfisialin’ny famandrihana any amin’ny tempoly. Mialoha ny ahafahana mamandrika ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny olona iray dia tokony hampidirana fampahalalana ampy manondro ilay olona manokana ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana. Tsy maintsy misy ny anarana, daty manaraka ny fenitra, toerana manaraka ny fenitra, ary fampahalalana hafa saingy tsy voatery takina ny loharano.

Fanamarihana: Any amin’ny toerana sasany eto amin’izao tontolo izao dia tsy notanana matetika ny raki-tantarana an-taratasy sy nomerika. Mila tandremana foana ny fahamarinan’ireo fampahalalana sy ny fahafenoany mialoha ny hanatanterahana ôrdônansy, saingy fampahalalana marina amantarana ilay olona dia ampy.
F: Azo ampiasaina ve ny daty notombanana rehefa mamandrika ôrdônansin’ny tempoly?
V: Rehefa tsy fantatra ny daty marina an’ny tranga manan-danja irain’ny olona iray (toy ny nahaterahana sy ny fanambadiana, ary fahafatesana) dia azo atao ny mampiditra daty notombanana.
F: Tsy hiteraka fisian’ny zavatra diso ve ny fanombanana daty?
V: Na dia afaka manampy amin’ny famantarana daty manokana aza ireo antontan-taratasy manan-tantara, ny diary ary ny loharano hafa, dia tsy ny razambe rehetra no ahitana ireo loharano ireo. Rehefa mamandrika ôrdônansin’ny tempoly ianao dia afaka manao dingana hanombanana marina kokoa.
Rehefa ampy ny zavatra fantatrao momba ireo razambe mba hamantarana azy saingy tsy manana daty voafaritra ianao dia mamela anao ny FamilySearch hampiditra tombantomban-daty ary soraty ny hoe “talohan’ny” na “taorian’ny” na “tokony tamin’ny” miaraka amin’ilay daty mba hanehoana fa tombantombana izany.
Rehefa manombantombana daty dia ampiasao izay rehetra hitanao na efa fantatrao momba ny razambenao mba hahazoana ny daty manakaiky indrindra ny daty marina. Indro misy torohevitra vitsivitsy momba ny fomba fanombantombanana daty manakaiky ny marina indrindra

F: Rahoviana no mety ny manombana daty?
V: Raha mila fanampiana amin’ny fahafantarana ny daty tokony hotombantombanana sy ny fomba fampidirana tombantomban-daty ao amin’ny Rafi-tetiaram-pianakaviana dia vakio ity lahatsoratra ity.
F: Inona no fiantraikan’ny fanombanana daty amin’ny fikarohana ireo firaketana misy amin’ny tahadika mitovy?
V: Ny Rafi-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch dia manombantombana ireo daty amin’ny endrika fotoana lavalava eo anelanelana daty roa. Ohatra, ny hoe “tokony tamin’ny 1880” dia heverina ho 1 janoary 1880 hatramin’ny 31 desambra 1880. Ao amin’io ohatra io ny FamilySearch dia hitady ireo firaketana manana tahadika mitovy izay tafiditra ao anatin’io elanelan-daty io.
F: Moa ve lany daty afaka 90 andro avokoa ireo ôrdônansy rehetra azo tamin’ny alalan’ny Ôrdônansy vonona?
V: Amin’ny ankapobeny ireo ôrdônansy izay fandrihanao amin’ny fampiasana ilay endrika fiasa Ôrdônansy vonona dia lany daty afaka 90 andro. Tafiditra ao anatin’io vanim-potoana namandrihana io ireo famandrihana ôrdônansy nalaina avy tamin’ny lisitry ny tempoly (indraindray antsoina hoe anarana avy any amin’ny tempoly) sy ireo famandrihana ôrdônansy izay mety nozarain’ny havanao tamin’ny tempoly.
Rehefa manana fahafahana ny hanaovana asa any amin’ny tempoly ny Ôrdônansy vonona ao amin’ny rafi-tetiaranao sy manampy anao hamandrika izany dia afaka 2 taona izany famandrihana izany no lany daty.
Rehefa natao ivelan’ny Ôrdônansy vonona ny famandrihana dia mety hiova ny fotoana mahalany daty azy.
F: Hafiriana mialoha no handraisako hafatra hoe ho lany daty ny ôrdônansy iray?
V: Telo herinandro alohan’ny hahalany daty ny famandrihana iray dia handefa hafatra ny FamilySearch izay hampahatsiahy anao fa efa ho lany andro izany. Handray hafatra hafa ianao rehefa lany daty ilay famandrihana. Raha tianao ho azo amin’ny email ihany koa ireo fampandrenesana ireo dia ataovy mandeha ny safidy momba ny hafatra ao amin’ny fikirakirana ny fampandrenesana amin’ny FamilySearch.

F: Ahoana no fomba hanavaozako famandrihana ôrdônansy iray izay efa ho lany daty?
V: Zava-dehibe ny hamitana ireo ôrdônansy nofandrihanao ao anatin’ny fotoana nomena raha afaka ianao, fa tsy mamerina mamandrika izany indray. Raha tsy afaka mamita ireo ôrdônansy ianao dia azonao zaraina any amin’ny tempoly izany mba hahafahan’ny hafa manampy amin’ny fanolorana ireo fitahiana.
Rehefa manakaiky ny daty ahafahanao mandeha any amin’ny tempoly dia azonao ampiasaina indray amin’izay ny Ôrdônansy vonona hitadiavana famandrihana ho an’ny havana iray na olona iray hafa izay mila vitaina ny ôrdônansiny.
Fanamarihana: Rehefa lany daty ny famandrihana ôrdônansy iray dia tsy very izany. Zaraina amin’ny tempoly ilay famandrihana mba hahafahan’ny hafa mamita ireo ôrdônansy. Afaka manafoana famandrihana ôrdônansy ianao ary mamandrika izany indray, saingy mety tsy ho ao intsony izany famandrihana izany.