Rehefa miditra ao amin’ny FamilySearch.org ireo mpampiasa dia nisy efamira asiana marika tao anatin’izany izay manolotra ilay safidy mba ho tonga dia tafiditra foana mandritra ny roa herinandro. Naheno fanamarihana maro izahay izay nilaza fa tsy nanome fahafahana an’ireo mpampiasa ho tonga dia tafiditra tsy tapaka foana ilay efamira asiana marika. Noho ireo fanavaozana vao haingana natao izay manome fahafahana ireo mpampiasa mba ho tafiditra amin’ny fomba mora kokoa ao amin’ny FamilySearch.org ary noho ny fiheverana ilay endri-javatra atolotra mba hahafahana ho tonga dia tafiditra foana ho mety tena hampidi-doza eo amin’ny lafiny ara-piarovana, dia nesorina ilay efamira asiana marika.
Rehefa miditra ao amin’ny FamilySearch.org ireo mpampiasa dia ho tonga dia tafiditra foana izy ireo mandritra ny fotoana voafaritra iray rehefa mampiasa amim-pahavitrihana ilay tranonkala izy ireo. Ho an’ireo mpampiasa izay tsy te hamerina hampiditra ny solonanarany sy ny tenimiafiny isaky ny miditra ao amin’ny FamilySearch, dia misy fomba maro hafa ho azy ireo mba hidirana amin’ny fomba haingana sy mora.
Safidy ahafahana miditra atolotry ny ankolafy fahatelo
Manandràma miditra ao amin’ny FamilySearch.org amin’ny alalan’ny Facebook, na Google, na Apple, endri-javatra iray nampidirina ao amin’ny FamilySearch.org tany am-piandohan’ity taona ity. Ireo safidy ireo dia miseho eny an-tampony havanan’ilay pejy fidirana.

Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany koa dia afaka mampiasa ny solonanarana sy ny tenimiafin’ny kaontin’ny Fiangonana ampiasain’izy ireo mba hidirana ao amin’ny FamilySearch, amin’ny alalan’ny fanindriana eo amin’ilay safidy atolotra hoe Hiditra amin’ny alalan’ny kaontin’ny Fiangonana.
Mampiasa mpandrindra ny tenimiafina
Safidy iray azo atao ny mandrafitra ny mpandrindra ny tenimiafina ao amin’ny mpitety ampiasainao mba hampiditra ho azy ny solonanaranao sy ny tenimiafinao isaky ny mitsidika ny FamilySearch.org ianao.
Raha tsy hainao tsara ny mampandeha ny mpandrindra ny tenimiafina ho an’ny FamilySearch, dia mandehana fotsiny any amin’ny fitaovana fanaovana fikarohana tena tianao ary manorata zavatra toy ny hoe, “Ataovy mahatadidy ny solonanarako sy ny tenimiafiko ny [anaran’ilay mpitety].”
Tsy misy efamira asiana marika, Tsy misy olana

Na solonanarana miisa iray na dimy na zato no anananao eo amin’ny asanao sy ny fiainanao manokana dia sarotra tadidina izy ireny. Takatray ato amin’ny FamilySearch izany. (Izany no antony nametrahanay tany am-boalohany ilay safidy manolotra efamira asiana marika rehefa te ho tonga dia tafiditra eo amin’ilay pejy ianao amin’ny fotoana manaraka.)
Na dia tsy misy intsony aza ilay efamira asiana marika rehefa te ho tonga dia tafiditra eo amin’ilay pejy ianao amin’ny fotoana manaraka, dia mamporisika anao izahay mba hanandrana ny iray amin’ireo safidy nofariparitana tetsy ambony. Afaka manampy mba hamahana olana sasantsasany mitovy amin’izany izy ireo, ary ny fianarana ny fomba hahazoana tombontsoa avy amin’izy ireo amin’izao fotoana izao dia mety hanampy anao any amin’ireo tranonkala hafa izay ahitana safidy atolotra mitovitovy amin’ireo.
Zarao ny fanamarihana avy any aminao
Mahaliana anay foana ny mandre ireo fomba hanatsarana ny tranonkala FamilySearch ary manantena izahay fa hizara izany ianao. Misy fomba maro ahafahantsika mifandray:
- Ampiasao ilay bokotra fampidirana fanamarihana izay mihevaheva ao amin’ny pejy (hita ao anatin’ireo pejy sasantsasany ao amin’ny FamilySearch.org) mba hanomezana mora foana fanamarihana mikasika ny endri-javatra iray manokana izay ampiasainao amin’izao fotoana izao.
- Tsidiho ny vondrom-piarahamonina FamilySearch mba hanolorana hevitra na hanaovana tatitra momba ny zavatra iray simba.
- Tsindrio eo amin’ireo tsipika telo ao amin’ny application mobile family tree. Avy eo dia tsindrio eo amin’ny Fanampiana, ary avy eo eo amin’ny Mifandraisa aminay, ary avy eo Appli ho an’ny fanamarihana.
Miandrandra ny haheno fanamarihana avy aminao izahay.
Ato amin’ny FamilySearch dia mieritreritra hatrany ny hampifandray anao amin’ny fianakavianao izahay, ary manolotra zava-baovao mahafinaritra sy tolotra momba ny tantaram-pianakaviana maimaimpoana. Nahoana? Satria sarobidy aminay ny fianakaviana ary mino izahay fa ny fampifandraisana taranaka dia afaka manatsara ny fiainantsika amin’ny ankehitriny sy mandrakizay. Izahay dia sampan-draharaha tsy mitady tombontsoa natao ho an’ny besinimaro tohanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo zavatra inoanay dia tsindrio eto.