Manomboka ny taona 2023 dia ho afaka hiditra ao amin’ny FamilySearch ianao amin’ny fampiasana kaonty Facebook, Google, Apple, na kaonty ao amin’ny Fiangonana (ChurchofJesusChrist.org). Na dia efa nisy teo aloha aza ny sasany amin’ireo safidy fidirana ireo, ny sasany dia vaovao.
Fanamarihana: Ny safidy fidirana sasany dia mety tsy hisy amin’ny fiteny rehetra.
Ny fampiasana ireo safidy fidirana isan-karazany dia afaka manampy anao hanamaivana ny fanoratana manasatra ny solonanarana sy ny tenimiafina samihafa, ary mety hahatonga ny fidirana ao amin’ny FamilySearch haingana kokoa izany. Afaka manampy ihany koa izany raha tsapanao fa mbola manadino hatrany ny anaranao sy ny tenimiafinao ho an’ny FamilySearch ianao na raha tianao kokoa ny hampiasa fomba hafa hidirana toy izay ny hanoratra tenimiafina (toy ny fampiasana passkey (fahazoan-dalana idirana) ho an’ny Google na Apple).
Tsy voatery hampiasa safidy fidirana iray fotsiny ihany koa ianao. Afaka mampifandray maro araka izay irinao ianao! Mora ny mampifandray fidirana:
Raha toa ka efa manana kaonty FamilySearch iray ianao, ao amin’nyFamilySearch.org, dia tsindrio ny Hiditra, dia safidio ny fomba fidirana izay tianao, amin’ny fampiasana ireo sary famantarana eo ambonin’ny pejy. Raha toa ka mbola tsy nampifandraisinao tamina kaonty Facebook, Google, na Apple ny kaontinao FamilySearch dia ny fikitihana ny sary famantarana ho an’ny iray amin’ireto dia hanome anao torolalana hanampy amin’ny fampifandraisana ireo kaontinao.
Raha mila fanampiana amin’ny fidirana amin’ny fampiasana ny Kaonty ao amin’ny Fiangonana dia tsidiho ity lahatsarotra manolotra fanampiana ity.

Raha hamorona kaonty FamilySearch vaovao amin’ny fampiasana an’ireto safidy fidirana ireto dia tsindrio eo amin’ny toeran’izany ny Hamorona Kaonty, ary safidio ny fomba fisoratana anarana izay tianao amin’ny fampiasana ireo sary famantarana samihafa.

Inona no fampahalalana zaraina rehefa mampifandray Kaonty aho?
Rehefa mampifandray kaonty amin’ny Facebook, Google, sy Apple dia hisy torolalana hampiseho anao ny fanomezan-dalana manokana izay ampandehaninao amin’ireo kaonty 2. Amin’ny ankapobeny dia ny fampahalalana famantarana fototra izay ahafahana mampifandray ny fidirana amin’ny kaonty ihany no zaraina.
Fanamarihana: Rehefa mampiasa solosaina ho an’ny daholobe ianao, dia ataovy izay hivoahana amin’ny FamilySearch sy ny kaonty mifandray izay nidiranao. Ny fivoahana amin’ny iray dia tsy manala anao foana amin’ny iray hafa.
nullManantena izahay fa hanampy ireo mpampiasa izay tia ny fanatsorana kokoa ny fampiasana ny kaontiny ireo safidy fidirana vaovao ireo. Ary raha toa sarotra aminao tsotra izao ny mitantana tenimiafina maro samihafa dia manantena izahay fa hanampy anao torak’izany koa ireo safidy ireo! Midira na misorata anarana anio hanandrana izany: