Fanampiana amin’ny fikirakirana ny FamilySearch: Nohavaozina sy amin’ny endrika vaovao

Graphic of people helping people up a stairway.

Ny Fanampiana amin’ny fikirakirana ny FamilySearch no itodihan’ireo izay vao manomboka mikaroka tantaram-pianakaviana sy ireo efa zatra mba hahazoana valiny amin’ireo fanontaniana sendra azy ireo eo am-pitadiavan’izy ireo ny razambeny. Tanatina lahatsoratra am-blaogy tamin’ny jona 2021, izahay dia nanasongadina ireo rafitra vaovao sy fomba fidirana vaovao ao amin’ilay Ivom-panampiana mahakasika ny FamilySearch izay nohavaozina. Nisy lahatsoratra am-blaogy talohan’io nanazava tamin’ny antsipiriany fa ny Lisitr’ireo zava-misy izay notsorina dia afaka mamaly ireo fanontaniana ilainao fanampiana rehetra.

Mifototra amin’ny fanamarihana avy amin’ireo mpampiasa no nanavaozan’ireo mpahay tefi-bika an’ny FamilySearch ny fitaovana Fanampiana mba hahitana kokoa ireo loharanom-pitaovana manampy tsara sasantsasany. Ireo fanovana ireo dia vokatry ny andrana maro be nataon’ny mpampiasa sy ny fanamarihana azo avy amin’izany. Nilaina tokoa ny fanehoan-kevitra nataonao.

Screen capture showing where to click the Help icon.

Tsy miova ny dingana arahina mba hidirana ao amin’ny Fanampiana amin’ny fikirakirana ny FamilySearch. Mankao amin’ny www.familysearch.org aloha ny mpampiasa, hiditra ao amin’ny kaontiny, avy eo manindry ny famantarana ny Fanampiana eo amin’ny zorony havanana amin’ny efijery. Ilay baraingo anaty faribolana io famantarana io.

Ny fahasamihafana lehibe indrindra hotsikaritr’ireo mpampiasa dia ny fanatsarana ny endrik’ireo sary sy ny fipoirana varavarana vaovao ho an’ireo pejy. Toy ny hatramin’izay, ny faritra malalaka fanoratana azo ampidirana ireo fanontaniana dia mbola eo an-tampon’ny pejin’ny Fanampiana sy Fianarana. Avy eo ireo valim-panontaniana mety hifanentana amin’ireo fanontaniana dia hipoitra miaraka amin’ny safidy entina ametrahana amin’ny fomba hafa ilay fanontaniana na hampidirana fampahalalana fanampiny. Indraindray dia tsara raha apetrakao amin’ny alalana teny tokana na roa ny fanontanianao. Mety tsy hamoaka ireo vokatra tena hanampy indrindra ny andian-teny na fehezan-teny feno. Ny fanindriana ny Fanampiana araka ny lohahevitra dia hampiseho ireo lohahevitra lehibe izay hanampy amin’ny famintinana ny voka-pikarohana.

Ireo takelaka lehibe akaiky ny tampon’ny pejin’ny Fanampiana sy Fianarana dia hitarika ireo mpampiasa ho amin’ireo lohahevitra be mpikaroka toy ireo zavatra azo hatao mba Hanomboka hampiasa, Hanarina tenimiafina, sy ny fahitana Ireo fanontaniana 10 be mpametraka (satria mety efa nisy nametraka ilay fanontanianao). Eo ambany kely amin’io faritra io no hahitana ireo zava-baovao vao haingana sy ireo fanovana natao tamin’ny FamilySearch. Misy rohy entina mijery ireo fampahalalana manan-danja fanampiny momba ny tranonkala FamilySearch manontolo.

Raha midina eny ambany eo amin’ny pejy ny mampiasa dia ho tody eny amin’ilay hoe Loharanom-pitaovana hanampiana ny tena izay afaka hianarana bebe kokoa sy hanaovana fikarohana fanampiny. Mifandray amin’io fizarana io ilay rohy malaza hoe Ireo kilasy sy horonan-tsary izay sehatra ahafahan’ireo mpampiasa misafidy sy mijery ireo seminera virtoaly an-jotra sy horonan-tsary hafa entina hanatsarana ny fikarohana ataon’izy ireo sy ny fahalalany.

Tanjona lehibe iray momba ireo pejy Fanampiana ny hanampy anao hahita Vondrom-piaraha-monina sy loharanom-pitaovana manampy anao manokana. Amin’ireo Ivon-toerana FamilySearch mihoatra ny 5.000 maneran-tany dia azo inoana fa misy iray eny akaiky anao eny izay azonao haleha mba hahazoana fanampiana ao anatin’ny fandraisana tsara sy misy loharanom-pitaovana fanampiny hokarohina.

Ny fanavaozana ny Fanampiana amin’ny fikirakirana ny FamilySearch dia hanome fahafahana hanao fanatsarana kanefa kely dia kely ny fanelingelenana aterak’izany. Hanome vahana kokoa ny fampidirana rafitra vaovao ao amin’ny tranonkala ihany koa izany. Afaka mandry ivohon’ny vato ianao fa tsy misy na inona nofoanana fa nalamina araka ny tokony ho izy fotsiny ny zava-drehetra ary nohamoraina ny fikarohana.

Araho tsy tapaka ny FamilySearch Blog izay hamoahanay lahatsoratra fanampiny momba ireo rafitra tsirairay mahakasika ny loharanom-pitaovana Fanampiana izay nohavaozina. Irinay ny mba hahafahan’ny rehetra manana traikefa tsara amin’ny fahazoana ny fanampiana ilain’izy ireo mba hifandraisana amin’ny fianakaviany.

Author Default Image
Momba ilay namorona
Michael Provard