Ny saha manolotra fanampiana ao amin’ny FamilySearch dia manamora ny fitadiavana ny fanampiana ilainao rehefa manao asa mikasika ny tantaram-pianakavianao ianao. Fantaro ny fomba ahafahanao mampiasa ilay saha misy safidy atolotra mba hialana amin’ny sakantsakana sy mba hanatratrarana ireo tanjonao.
Fanampiana manokana sy lohahevitra aroso
Hita any amin’izay mety ho pejin’ny tranonkala FamilySearch ny saha manolotra fanampiana. Jereo eny amin’ny sisiny ambony ankavanan’ny efijery ary tsindrio ilay faribolana kely misy baraingo. Hisy saha kely hisokatra eny amin’ny tampon’izay faritra misy anao ao amin’ny FamilySearch.org, izay midika fa afaka mitrandraka ny ao anatin’ireo safidy atolotra hanomezana fanampiana ianao nefa tsy mila mandao ilay pejy izay hanaovanao asa.


Hahita faritra hanaovana fikarohana ianao eny an-tampon’ilay saha misy safidy atolotra. Ampidiro eo ireo teny manan-danja ao amin’ilay lohahevitra na ilay olana izay ilanao fanampiana, ary hiseho ao anatin’ilay faritry ny saha manolotra fanampiana ireo valim-pikarohanao. Tadiavo izay fanampiana ilainao ary ampiharo amin’ilay asa eo am-pelatananao izany, ka tsy mila miovaova efijery.
Eo ambanin’ilay efajoro fanaovana fikarohana dia misy fizarana iray mitondra ny lohateny hoe “Lohahevitra aroso.” Ireo rohy hitanao eo dia nampifanarahana daholo amin’ilay pejy jerenao amin’io fotoana io. Ohatra, eo amin’ny renimpejin’ny FamilySearch.org ianao nefa tsy mbola niditra. Hifantoka amin’ny famerenana ny tenimiafinao na ny solon’anaranao ireo lohahevitra aroso na hamaha ireo olana hafa misy ifandraisany amin’ny kaonty.
Etsy ankilany, mety manao asa ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ianao. Ao anatin’io toe-javatra io, ireo lohahevitra aroso dia hifantoka amin’ireo sahanasa na asa azonao tanterahina eo amin’io pejy io, toy ny fampidirana fampahalalana momba ny olona iray ao amin’ny fianakavianao ohatra, na fanovana ny endrika isehoan’ny rohim-pianakavianao.
Rehefa manokatra ilay saha manolotra fanampiana ianao, dia manoro hevitra anao izahay mba hijery vetivety an’ireo lohahevitra atolotra. Matetika mitovy ny fanontaniana apetraky ny olona ary ireo lahatsoratra izay miseho dia efa nomanina niaraka tamin’ireo fanontaniana ireo tao an-tsaina.
Safidy atolotra maro hanomezana fanampiana izay azo isafidianana
Indraindray rehefa manana fanontaniana ianao dia te hiresaka fotsiny amin’olona. Indraindray dia tsy valiny tsotra fotsiny no tadiavianao fa fanazavana na fikarohana lahatsoratra mikasika ny lohahevitra iray izay mahaliana anao. Ao anatin’ireo toe-javatra ireo dia afaka manondro anao ny lalana tokony haleha ny saha manolotra fanampiana.
Amin’ity indray mitoraka ity dia te hijery ireo lohahevitra aroso eny amin’ny faritra farany ambany indrindran’ilay saha manolotra fanampiana mipoitra tampoka ianao. Mahita zavatra maro azo isafidianana ianao eo. Mitondra anao any amina karazana fanampiana hafa ny tsirairay amin’izy ireo. Ampiasao izay anankiray ilainao.

Eritrereto ho tranomboky ahitana fitaovam-panampiana an’ny FamilySearch ny ivon-toerana misahana ny fanampiana. Raha toa ka tsy nanana ny zavatra notadiavinao ireo lohahevitra naroso ary tsy nisy valiny ny fikarohana nataonao dia jereo ny ivon-toerana misahana ny fanampiana. Voazara ao anatina sokajy ireo fampahalalana—Hazon-tetiaram-pianakaviana, fahatsiarovana, firaketana fampahalalana, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Afaka misafidy lohahevitra iray ianao ary manomboka mitety ny votoatiny. Afaka miditra ao amin’ny ivon-toeranay misahana ny fianarana koa ianao avy ao amin’ny ivon-toerana misahana ny fanampiana, izay manolotra fianarana an-jotra maimaim-poana miompana amina lohahevitra samihafa mikasika ny tantaram-pianakaviana.
Nosoratana tany am-boalohany tamin’ny teny anglisy ny maro amin’ireo fitaovana hita ao amin’ny ivon-toerana misahana ny fanampiana. Raha mijery ny FamilySearch.org amin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy ianao, ary misy lahatsoratra manokana tsy mbola voadika, dia mety ny dikanteny amin’ny teny anglisy no hitanao eo amin’ny toeran’izany. Ialanay tsiny ny fanelingelenana aterak’izany. Matokia fa miasa mafy izahay mba handikana sy hampivelarana amin’ny fiteny maro araka izay tratra ny tranombokinay ahitana ireo fitaovam-panampiana.

Ilay safidy atolotra hoe Vondrom-piarahamonina dia fitaovana iray ifaneraserana amin’ireo olona hafa izay manana tombontsoa iombonana ary vonona hizara ny fahaizany.
Ilay safidy atolotra hoe Mifandraisa aminay dia mitondra anao any amin’ny pejy iray ahitana fampahalalana mikasika ny fomba ifandraisana amin’ny FamilySearch na ny fomba ahitana ny iray amin’ireo ivon-toeranay misahana ny tantaram-pianakaviana manerana izao tontolo izao. Hahita fampahalalana momba ny mpanorohevitra mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ao amin’ny paroasiny ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ho hitanao ao amin’ity fizarana ity koa ny lisitr’ireo fifampiresahana ifanaovanao amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny sampana misahana ny fanampiana ao amin’ny FamilySearch sy ny fifampiresahana nifanaovanao taminy taloha.
Ilay safidy atolotra hoe Loharom-pitaovana mpanampy dia mitondra anao any amin’ny pejy irain’ny FamilySearch izay natokana ho an’ireo olona manampy ny hafa mahakasika ny zavatra mahaliana azy ireo eo amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny tanjon’izy ireo eo amin’ny tantaram-pianakaviana. Ny fisafidianana io safidy iray io dia hanome anao fampahalalana manan-danja momba ireo zava-baovao mikasika ny tranonkalan’ny FamilySearch sy ireo fitaovana ao aminy izay azonao ampiasaina mba hanampiana olona hafa. Ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia hahita fampahalalana mikasika ireo andraikiny eo anivon’ny fiangonana ary afaka mahita ny Drafitr’asa.
Efa an-dalana ny fanampiana
Misaotra tamin’ny fanokanana fotoana kely nianarana mikasika ny saha manolotra fanampiana. Ao amin’ny FamilySearch, dia takatray fa na ho ela na ho haingana, ny mpanao tantaram-pianakaviana, na ny vao manomboka na ny efa mahay, dia mila fanampiana kely. Amin’ny manaraka, rehefa sendra sakana iray ianao ao amin’ny tantaram-pianakaviana dia aza sorena, ary aza milavo lefona mihitsy!
Midira fotsiny ao amin’ny saha manolotra fanampiana. Azo inoana hoe manana ny zavatra tadiavinao izy. Farafaharatsiny afaka mampifandray anao amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ny sampana misahana ny mpanjifa ary ireo mpanampy hafa izany, izay maniry ny hahombiazanao avokoa.