Tehirizo ny fahatsiarovana momba ny fianakaviana
Tehirizo ny fahatsiarovana momba ny fianakaviana
Andramo ireto asa atao ireto hanombohana ny fitehirizana sy ny fizarana ireo harena manan-danjan’ny fianakaviana.
Ireto misy asa atao entinao hanombohana:
Ny fiainana dia fifangaroana tantara izay voarafitra avy amin’ireo hafaliana sy zava-doza nitranga teo amin’ny fiainana. Afaka mitahy ireo taranaka vao misondrotra ny fitehirizana ireo tantarantsika.
Dingana 4
Mampiditra sy mizara sary
Step 1: Afaka mampiditra sary mankao amin’ny FamilySearch ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ny solosainanao na ny findainao.
Step 2: Tsindrio ny bokotra(+). Misafidiana sary avy ao amin’ny solosainanao na fakan-tsary ao amin’ny findainao.
Azonao atao mihitsy aza ny maka sary avy ao amin’ny Google na Facebook na Instagram.
Step 3: Mampidira fampahalalana manan-danja toy ny hoe iza (na inona) no eo amin’ny sary, ary mampidira lohateny, famariparitana, ary ny daty sy ny toerana.
Step 4: Tsindrio ny hoe Hizara ary safidio ny fomba tianao hizarana ilay sary.
Dingana 5
Mitantara tantara - Mandrakitra fahatsiarovana
Step 1: Afaka mampiditra tantara mankao amin’ny FamilySearch ianao amin’ny alalan’ny fampiasana ny solosainanao na ny findainao.
Step 2: Azo soratana na atao PDF na raki-peo ireo tantara.
Step 3: Kitiho ny bokotra Hampiditra fahatsiarovana(+)dia safidio ny Hamorona tantara (Solosaina) na Hanoratra tantara (finday).
Step 4: Ampidiro ny lohatenin’ny tantara.
Step 5: Ampidiro ny lahatsoratry ny tantara amin’ny fampiasana ny kitendrin’ny fitaovanao na ny fandraisam-peo.
Aza manahy raha toa ka ohatra ny toa fohy ilay tantara na raha toa tsy manana fotoana hamerenana sy hanitsiana ianao. Mifantoha amin’ny fandraketana fahatsiarovana—tsy voatery ho tonga lafatra izany. Afaka miverina ianao sy manao fanitsiana raha ilaina.
Step 6: Amboary ny momba izay afaka mahita izany mba hatao hohitan’olona manokana na ho hitan’ny olona rehetra.
Step 7: Tsy voatery atao: Hampiditra sary izay manaingo ilay tantara.
Step 8: Tsindrio ny hitahiry.
Step 9: Voatahiry ao amin’ny fahatsiarovana izay anao ilay tantara. Afaka mizara ny rohy amin’ny email na sms na amin’ny tambajotra-tserasera ianao.