Hirotsaka an-tsehatra

Hirotsaka an-tsehatra

Andramo ity asa atao ity hanampiana anao hanavaka ireo mpanao fikarohana maneran-tany.

Inona no atao hoe firaketana faobe?

Ny firaketana faobe dia tetikasa atao an-tsitrapo izay ahafahana manao fikarohana an-jotra ny sarin’ireo raki-tantara toy ny fanisam-bahoaka sy ny filazana manjo. Fomba tsara ahafahana mamaly soa ny fianakaviamben’ny mpanao tetiarana izany sy hahatonga ny fikarohana fianakaviana ho azo tanterahina.

Toy ny ahoana ny fandehan’izany

Tsy afaka ny ho hita ao anatin’ny fikarohana ny sarina raki-tantara tsy nampidirina ao amin’ny firaketana faobe. Tsy misy teny fanalahidy miaraka amin’izany azo tadiavina.

Mijery ilay firaketana ao amin’ny fandaharanasa firaketana faobe ireo mpanao firaketana an-tsitrapo ary manoratra ireo fampahalalana fototra toy ny anarana sy daty ary toerana. Ny vokatry ny sary izay noraketina dia tafiditra ao amin’ireo firaketana azo karohina maimaim-poana ao amin’ny FamilySearch.

Ny firaketana faobe dia iantsorohan’ny FamilySearch sy tohanany ara-bola, ary asa fanasoavana atolotry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Hanandrana izany

Tsidiho ny renim-pejin’ny firaketana faobe raha hiditra ao amin’ny FamilySearch ary safidio ny “amboaram-piraketana” sary ilaina ampidirina ao amin’ny firaketana faobe. Misy ireo tetikasa azo atao amin’ny fiteny maro samihafa. Manokàna fotoana betsaka na kely araka izay anananao. Misy ireo loharanom-panampiana tafiditra ao anatin’ilay rafitra natao hamaliana ireo fanontaniana.