Fampitambarana firaketana diso ao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch

Two happy boys holding hands and walking along a railway
Aliaksei Lasevich - stock.adobe.

Efa nanambatra olona roa tsy nahy ve ianao tao amin’ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch ary avy eo dia tonga saina fa tsy tokony ho nanao izany? Sa ve efa nisy havana nafana fo nanambatra firaketana maro be tao anatin’ny fotoana fohy ka ianao no nomena andraikitra hanitsy ireo fampitambarana diso? Hanampy anao ao anatin’izany dingana izany ity lahatsoratra ity.

Hitady firaketana natambatra ao amin’ny Rafi-tetiarana

Misy fomba tsotra hamantarana raha toa ka efa nanaovana fampitambarana firaketana ny olona iray kendrenao.

Rehefa natambatra ny firaketana roa, dia mijanona ao amin’ny Rafi-tetiarana ny iray, fa ny iray hafa kosa dia voatahiry. Ireo fanovana ireo sy ny zavatra hafa dia angonina ary azo jerena.

Ho hitanao ao amin’ny pejin’ny Olona an’ny olona efa maty rehetra ao amin’ny Rafi-tetiarana ny lisitra mitandrahatra midina an’Ireo fanovana farany eo amin’ny ilany havanana. Eo ambanin’ny fitaovana Ireo fanovana farany no ahafahanao mahita ireo fanovana natao tao amin’ny raki-pamantaran’io olona io. Ireo fanovana dia mety ahitana loharano nopaingorina, fanampiana zanaka, trangan-javatra momba ny mpivady, toerana nampidirina, ary fampitambarana firaketana.

Ireo fanovana farany indrindra dia azo jerena avy eo amin’izany efijery izany. Fa ny fanovana rehetra kosa dia azo jerena amin’ny alalan’ny fanindriana ny Aseho daholo.

Ankoatra izay dia afaka ny ho hitanao raha toa ka nisy fanovana manokana natao ary iza no nanao izany fanovana izany.

Fanitsiana ireo fampitambarana firaketana diso ao amin’ny Rafi-tetiaranana ao amin’ny FamilySearch

Raha nisy fampitambarana firaketana natao vao haingana, dia hiseho ao amin’ny fizarana hoe Ireo fanovana farany izany.

Mba hampisarahana izany dia tsindrio ny Vita ny fampitambarana. Tsindrio ao amin’ilay efijery manaraka fotsiny avy eo hoe Hampisaraka eo amin’ny ankavanana. Alaivo antoka ny fampidirana fanambarana ny antony nanaovana ny fampisarahana ireo firaketana.

Sarin’ny efijery maneho ny safidy hampisaraka eo amin’ny efijerin’ny fampitambarana.
Sarin’ny efijery maneho ny efajoron’ny -antony nampitambarana-.

Ireo fampahalalana teo aloha rehetra dia samy haverina amin’ny laoniny avokoa na ho an’izay olona mbola tavela na nofafana.

Ny fampitambarana na ny fampisarahana ireo firaketana dia mety ho dingana manahirana kanefa ilaina, ary tsy ny firaketana natambatra rehetra no hoe tsy azo tontosaina amin’ny alalan’ny fampiasana io fomba io. Mba hahazoana fanampiana fanampiny momba ny dingan’ny fampitambarana na ny fanadiovana ny rafi-tetiaranao, dia jereo ireto lahatsoratra manampy ireto:

Nataon’i   FamilySearch
May 25, 2023
Ny Rafi-tetiarana ao amin’ny FamilySearch dia fitaovana hanampiana anao handamina ny fampahalalana momba ny fianakavianao sy hamantatra misimisy kokoa azy ireo ao anatin’izany.

Momba ilay namorona