TOVANA FANITSIANA NY FEPETRA MOMBA NY FIKIRAKIRANA SY FAMINDRANA ANGON-DRAKITRA

Ny Andaniny sy Ankilany dia mahafantatra sy manaiky fa ny Angon-drakitra momba ny Tena Manokana nifamindran'ny FamilySearch International (na rantsana ao aminy) sy ny " Mpitahiry rakitsoratra " dia voafehin’ny (i) fepetra soniavin'ny andaniny sy ny ankilany izay ampidirana ho fitsiahy io Fepetra momba ny fikirakirana sy famindrana angon-drakitra io ("Fifanarahana"), ary (ii) ireo lalàna manan-kery rehetra momba ny fiainana manokana sy fiarovana angon-drakitra.

Ny Andaniny sy Ankilany dia mahatakatra sy manaiky fa, (i) ny Mpitahiry rakitsoratra no Mpanara-maso sy Mpamoaka an-drindrambaiko ny Angon-drakitra momba ny Tena Manokana afindra, ary ny (ii) FamilySearch International (na rantsana ao aminy) no Mpikirakira sy Mpampiditra an-drindrambaiko.

Ny Andaniny sy Ankilany dia mahatakatra sy manaiky fa ny Tovana Fanitsiana momba ny Fikirakirana sy Famindrana angon-drakitra manan-kery voalaza eo ambany dia voafaritry ny toerana misy ny Mpitahiry rakitsoratra, raha tsy hoe misy toerana hafa voatondron'ilay Mpitahiry Rakitsoratra an-tsoratra amin'ny fotoana idirana amin'ilay Fifanarahana.

(1) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any amin'ireto toerana manaraka ireto, dia mihatra ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2: Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira (“Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2”) (hita eto):

Afganistana, Alzeria, Aotrisy, Aostralia, Bahraina, Barbada, Belzika, Beliza, Bôtsoanà, British Virgin Islands, Bolgaria, Borkinà Fasô, Nosy Kaïmana, Repoblikan'i Kôngô, Nosy Cook, Kroasia, Kiobà, Sipra, Repoblika Tseky, Danemark, Ekoatera, Ejipta, Estonia, Eswatini, Etiopia, Fidji, Failandy, Frantsa, Giyana Frantsay, Polinezia Frantsay, Faritra Atsimo Frantsay, Gabôna, Alemaina, Nosy Glorieuses, Gresy, Grenada, Guam, Goiana, Haïti, Hongria, India, Indonezia, Iràna, Iràka, Irlandy, Italia, Israely, Jamaika, Japana, Jordana, Nosy Juan de Nova, Kiribati, Koety, Letônia, Libanona, Libia, Liktenstaina, Litoania, Loksamborga, Malta, Nosy Marshall, Melanezia, Meksika, Mikronezia, Mongolia, Marôka, Naoro, Nepaly, Peibà, Nouvelle-Calédonie, Nizera, Nioe, Norvezy, Ômàna, Palaô, Panama, Papoazia-Ginea-Vaovao, Pakistàna, Palestina, Nosy Pitcairn, Pôlônina, Pôrtogaly, Repoblikan'i Moldavia, Romania, Saint-Kitts-et-Nevis, Samoa, Seychelles, Slôvakia, Slôvenia, Nosy Solomona, Somalina, Afrika Atsimo, Korea Atsimo, Espaina, Sri Lanka, Sodana, Soeda, Soisa*, Tanzania, Tailandy, Togo, Tokelau, Tonga, Tonizia, Torkia, Tovalo, Ogandà, Emirà Arabo Mitambatra, Fanjakana Mitambatra**, Vanoato, Wallis-et-Futuna, Zambia, Zimbaboe

* Na dia mihatra amin'i Soisa aza ny Tovana fanitsiana momba ny fikirakirana sy famindrana angon-drakitra ao amin'ny Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, dia mitaky fiteny fanampiny ihany koa i Soisa, izay ampidirina ao anatin'ny Tovana Fanitsiana ary omena eo ambany.

** Na dia mihatra amin'ny Fanjakana Mitambatra aza ny Tovana Fanitsiana momba ny Fikirakirana sy Famindrana Angon-drakitra ao amin'ny Sehatra ara-toekarena Eorôpeana, dia mitaky fiteny fanampiny ihany koa ny Fanjakana Mitambatra, izay ampidirina ao amin'ny Tovana Fanitsiana ary omena eo ambany.

Ireto manaraka ireto dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eoropeana, Singa 2 araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

  • Voafafa ny andinim-pifanarahana 7 (Andinim-pifanarahana momba ny fampidirana mpandray anjara vaovao) .
  • Ny andinim-pifanarahana 9 (Fampiasana mpikirakira madinika) dia ahitana ny SAFIDY 2: FANOMEZAN-DALANA AN-TSORATRA ANKAPOBENY).
  • Ny andinim-pifanarahana faha-11 (Fanonerana) dia tsy ahitana ny SAFIDY ao amin'ny (a).
  • Ny andinim-pifanarahana faha-13 (Fanaraha-maso) dia ahitana fiteny mihatra amina mpamoaka an-drindrambaiko voapetraka ao amina firenena mpikambana iray ao amin'ny Vondrona Eorôpeana.
  • Ny andinim-pifanarahana faha-17 (Lalàna manan-kery) dia ahitana ny SAFIDY 1 ary ahitana ny lalànan'ny firenena misy ny angon-drakitra kirakirain'ny mpamoaka an-drindrambaiko.
  • Ny andinim-pifanarahana 18 (Safidim-pitsarana sy fari-pahefana) dia ahitana ny fitsarana ao amin'ny firenena misy ny angon-drakitra kirakirain'ny mpamoaka an-drindrambaiko.
  • TOVANA I: Jereo eo ambany.
  • TOVANA II: Jereo eo ambany.
  • TOVANA III: Jereo eo ambany.

TOVANA I:

A. Lisitry ny Andaniny sy Ankilany

Mpamoaka an-drindrambaiko

  1. Anarana: Mpitahiry rakitsoratra hita ao amin'ilay Fifanarahana
  2. Adiresy: Adiresin'ny Mpitahiry rakitsoratra hita ao amin'ilay fifanarahana
  3. Fomba ahafaha-mifandray: Jereo ny “Fampahalalana momba ny fomba ahafaha-mifandray mahakasika ny fampandrenesana” voalaza ho an'ny Mpitahiry rakitsoratra ao amin'ilay Fifanarahana
  4. Ny Fisahanana asa mifandraika amin'ny angona nafindra araka ny Andinim-pifanarahana: Ny fisahanana asa mifandraika amin'izany dia voalaza ao amin'ny Fizarana B (“Famaritana ny famindrana”) eo ambany
  5. Anjara asa: Mpanara-maso

Mpampiditra an-drindrambaiko

  1. Anarana: FamilySearch International
  2. Adiresy: 36 S State St., Ste 1900, Salt Lake City, UT 84111
  3. Fomba ahafaha-mifandray: Manager, Data Privacy Office - 50 East North Temple Street, Salt Lake City, Utah 84150
    1. Telefaonina: (801) 240-1187
    2. Mailaka: Dataprivacyofficer@churchofjesuschrist.org
  4. Ny fisahanana asa mifandraika amin'ny angona nafindra araka ny Andinim-pifanarahana: Ny fisahanana asa mifandraika amin'izany dia voalaza ao amin'ny Fizarana B (“Famaritana ny famindrana”) eo ambany
  5. Anjara asa: Mpikirakira

B. Fanoritsoritana ny famindrana

Sokajin'olona voakasika izay manana angona momba ny tena manokana voafindra

Ireo olona voakasika hita ao amin'ny rakitsoratra ara-tantara sy ara-tetiarana izay manana angona momba ny tena manokana voatahiry ho amina tanjona ara-pikarohana, ara-tantara ary arak'antontanisa.

Sokajin'ny angon-drakitra momba ny tena manokana voafindra

Angon-drakitra ara-tetiarana - Fampahalalana voaangona mba hitehirizana ny tantaran'ny tenan'ny olona manokana sy ny fianakaviany:

  • Anarana (anaran'ny olona voakasika, anaran-dray sy anaran-dreny, anaran'ny zanaka, anaran'ny mpiray tam-po, anaran'ny vady, sns.)
  • Fifandraisana ao amin'ny fianakaviana (anaran'ny isam-batan'olona, mpiray tam-po, ray aman-dreny, zanaka, raibe sy renibe, nenitoa, dadatoa).
  • Fampahalalana momba ny tantaram-piainana (anarana, daty nahaterahana, daty nahafatesana, tantara sy antsipiriany momba ny fiainan'ilay olona, asa, fianarana, toerana nitrangan'ny zava-nitranga teo amin'ny fiainana, fotoana ara-pivavahana nahakasika ny tena manokana – batisa, fandraisana ho mpikambana, sns.)
  • Daty nahaterahana, toerana nahaterahana, ary ny antsipiriany mifandraika amin'izany (ny maha-lahy na vavy ny zaza, anaran'ny ray aman-dreny, adiresin'ny ray aman-dreny tamin'ny fotoana nahaterahana, na ray aman-dreny nanangana arakaraka ny karazan'ny sora-pahaterahana resahina, daty nahaterahana, ary toerana nahaterahana).
  • Taona
  • Ny maha-lahy na vavy
  • Daty nanambadiana, toerana, ary ny antsipiriany mifandraika amin'izany (anaran'ny olona, ray aman-dreny, sns.)
  • Daty nahafatesana, toerana nahafatesana, ary ny antsipiriany mifandraika amin'izany (anaran'ilay olona, fomba nahafatesana)
  • Zom-pirenena
  • Toetoetra manokana, anisan'izany ny saripika
  • Ny fampahalalana hafa voarakitra ao anatin'ny rakitsoratra momba ny tetiarana sy ny tantara azo, anisan'izany ny avy amin'ny fanisam-bahoaka (anaran'ny isam-batan'olona, zanaka, asa, toeram-ponenana), tantaran'ny fianakaviana (angona momba ny tantaram-piainana, anarana, fifandraisan'ny fianakaviana), firaketan'ny paroasy (anaran'ny mpikambana ao amin'ny fiangonana, toeram-ponenana, daty nahaterahana, fifandraisan'ny fianakaviana), rakitsora-piangonana (rakitsoratra mombana fahaterahana sy fanambadiana ary fahafatesana, batisa, fandraisana ho mpikambana), sora-piankohonana (rakitsoratra mombana fahaterahana, fanambadiana ary fahafatesana), filazana manjò an-gazety (rakitsoratra momba ny fahaterahana, ny tany, fanangonana arisivam-panjakana), ary rakitsoratra mombana fanomezana zom-pirenena (rakitsoratra momba ny maha-olom-pirenena, rakitsoratra momba ny fifindra-monina, rakitsoratra momba ny fanomezana zom-pirenena, ao anatin'izany ny anarana, daty nahaterahana, firenena niaviana, firenena onenana sy adiresy, anaran'ny olona ao amin'ny fianakaviana, asa, zavatra manokana sasantsasany arakaraka ny firenena, miankina amin'ny firenena sy ny daty nanaovana ny fanangonana).

Angon-drakitra saro-pady – Fampahalalana izay sendra tafiditra ao anatin'ny rakitsoratra ara-tantara sy ara-tetiarana izay mety ho voafaritra ho saro-pady araka ny Lalàna mifehy ny fiarovana ny fiainana manokana.:

  • Angon-drakitra mahakasika ny mombamomba sy ny mponina (fiaviana ara-pirazanana na ara-poko, fiaviana ara-pirenena, fiaviana ara-pianakaviambe, sata ara-tsosialy, mombamomba manokana (marika manokana, ohatra, pasipaoro, SSN, fahazoan-dàlana mitondra fiarakodia, kara-panondrom-pirenena), toe-panambadiana, taona, loko, sata maha-olom-pirenena na momba ny fifindra-monina, sata maha-niharan-keloka bevava na niharana fahavoazana noho ny heloka bevava)
  • Finoana sy Fikambanana (finoana na firaisana ara-pivavahana, finoana ara-pilozofia, finoana ara-moraly, faharesen-dahatra ara-pirehan-kevitra, hevitra ara-pôlitika, fandresen-dahatra ara-pôlitika, firehana ara-pôlitika, na firaisana ara-pôlitika, ny maha-mpikambana ao amin'ny sendika, ny maha-mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpanao asa tànana sy ny mpivarotra, firaisan'ny sendika, ny maha-mpikambana ao amin'ny fikambanana sosialy na matihanina, na fikambanana mpiaro ny zon'olombelona
  • Angon-drakitra momba ny fahasalamana sy fototarazo/biometrika (toetra na sata na fizaham-pahasalamana ara-batana na ara-tsaina amin'izao fotoana izao na any aoriana any, tantaram-pitsaboana, rakitsoratra mombana fitsaboana, fitsaboana, fanomezana fikarakarana ara-pahasalamana, satam-pahasalamana ara-tsaina na ara-batana, angona mombana fototarazo (toetoetra nolovaina na azo, toetoetra biôlôjikan'olombelona), angona biometrika (ampiasaina amina famantarana miavaka, fanamarinana mandeha ho azy, na maneho toetoetra saro-pady fanampiny), angona momba ny rafi-pitatitra (angona mifandraika amin'ny atidoha/fitatitra, angona momba ny saina/fihetseham-po).
  • Angon-drakitra mombana heloka bevava sy lalàna (rakitsoratra na tantara mombana heloka bevava, fitondran-tena na fihetsika heloka bevava, fanaovana na fiampangana ho nanao heloka bevava, paik'ady, didim-pitsarana, sazy, na sazy mifandraika amina raharaha heloka bevava)
  • Angon-drakitra mombana toerana sy fifandraisana (angon-drakitra mombana famantaran-toerana jeografika (toerana marina na voafaritra tsara, ao anatin'izany ny fangitra GPS), angon-drakitra mombana fifandraisana, ao anatin'izany ny votoatin-javatra sy ny angon-drakitra mombana antso, hafatra an-tsoratra, mailaka na taratasy, na votoatin-taratasy, mailaka, na hafatra an-tsoratra (raha tsy hoe misy adiresin'ny mpandray))
  • Angon-drakitra momba ny tanora (izay rehetra angon-drakitra momba ny tena manokana mifandray amina zaza tsy ampy taona)
  • Sokajy manokana hafa
    • Fahazarana manokana, fomba fiainana, ary toe-javatra momba ny fiainana ara-pifandraisana akaiky/manokana
    • Toetra ara-môraly na arak'etika
    • Angon-drakitra momba ny raharaham-pianakaviana na fiainana ara-pihetseham-po/fiainam-pianakaviana
    • Rakitsoratra mombana fianarana vita
    • Angon-drakitra mifandray amin'ny asa mifamatotra amina mombamomba arovana
    • Angon-drakitra momba ny fahasalaman'ny mpanjifa (mivelatra kokoa noho ny rakitsoratra mombana fitsaboana, ao anatin'izany ny fiainantsoa/fahasalamana ara-batana, fitondrana vohoka, sns.)
    • Angon-drakitra mifandray amina firehan-kevitra na finoana izay tsy voarakitra raha tsy izany
    • Izay angona rehetra mety hanimba ny fiainana manokana, ny fahamendrehana, ny fiarovana, na ny fananana raha ampiasaina amin'ny fomba tsy mety
    • Angon-drakitra atahorana kokoa hiteraka fanavakavahana na fahavoazana arakaraka ny toe-javatra (ohatra, angon-drakitra momba ny fijerena fahitalavitra izay sokajin'ny FTC ho saro-pady)
    • Toe-panambadiana (anarana, daty, sns.)
    • Laharan'ny karapanondro na antsipiriany mitovitovy amin'izany (SSN, sns.)
    • Laharan'ny pasipaoro
    • Fikambanana ara-pivavahana (Fampahalalana anatina rakitsora-piangonana, ao anatin'izany ny laharan'ny mpikambana, anarana, daty nahaterahana, daty nanaovana batisa, daty nanambadiana, daty nahafatesana, ary angona mifandray amina fivavahana manokana).
    • Angon-drakitra mifandray amin'ny zaza tsy ampy taona (anarana, daty nahaterahana, ray aman-dreny, mpiray tam-po, rakitsoratra momba ny fiantohana, fampahalalana mombana fananganana, rakitsoratra mombana fitsarana, rakitsoratra momba ny fianarana)
    • Angon-drakitra mifandray amin'ny fahasalamana (aretina, fijanonana amina hôpitaly, fomba nahafatesana)
    • Heloka bevava natao tany aloha (anarana, daty nampidirana am-ponja, didim-pitsarana momba ny olona)
    • Ny maha-mpikambana ao amin'ny sendikà (anaran'ny mpikambana, daty naha-mpikambana, fampahalalana momba ny saran'ny maha-mpikambana, sns.)
    • Fiaviana ara-pirazanana na ara-poko (faritra na firenena niaviana)
    • Fivavahana (anarana sy fikambanana ara-pivavahana)
    • Fikambanana ara-pôlitika (anarana sy antoko pôlitika, fampahalalana momba ny fanomezana)

Ny fahatetehan'ny famindrana (ohatra hoe, na indray mandeha dia vita na mitohy).

Amina fotoana manokana

Karazan'ny fikirakirana

Ny angon-drakitra momba ny tena manokana voafindra dia mety hiharan'asa fikirakirana isan-karazany, rehefa avelan'ny lalàna, ao anatin'izany ny fanovana ho nomerika, fanaovana indeksa, fampiantranoana, fitehirizana, fampitana, fanitsiana, ary fanehoana. Ireo zavatra atao ireo dia tohanana foiben'angon-drakitra mifototra amina mpamatsy tambajotra an'aterineto, anisan'izany ny any Etazonia, araka ny fahazoan-dàlana omen'ny Lalàna mifehy ny fiarovana ny fiainana manokana. Ohatra, ny angon-drakitra dia mety hokirakiraina mba hanohanana ireto asa manaraka ireto:

  • Fiarovana ny rakitsoratra ara-tantara: Fanovana ho nomerika, fiarovana, fanaovana indeksa, fitehirizana, ary/na firaketana antontan-taratasy ara-tantara, sary, ary vakoka ho an'ny taranaka any aoriana, araka ny toromariky ny mpamoaka angon-drakitra.
  • Tetiarana: Raha vao avelan'ny Lalàna mifehy ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny mpamoaka angon-drakitra (ohatra, rehefa tsy voafetra intsony ny angon-drakitra), dia mety hampidirina anatina fampiharana ampiasain'ny mpikaroka sy ny mpampiasa tranonkala ilay angon-drakitra mba hanohanana ny fikarohana tetiarana na rakitsoratra mombana tantaram-pianakaviana na fikarohana sy fandaharana asa ary sahanasa hafa momba ny tetiarana.
    • Fikarohana mombana tantaram-pianakaviana: Fanangonana sy fiarovana fampahalalana momba ny razambe sy ny hazon-tetiaram-pianakavian'ny tena.
    • Toromarika ho an'ny tetiarana: Manomeza fanofanana sy loharanom-pitaovana hanampiana olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao hahita ny lovan'izy ireo sy hifandray amin'ny olona ao amin'ny fianakavian'izy ireo.

Ny tanjon'ny famindrana angon-drakitra sy ny fikirakirana manaraka izany

Ny famindrana angon-drakitra ho an'ny amin'ny mpampiditra angon-drakitra (any amin'ny foibe manerantany misy ny mpampiditra angon-drakitra) sy ny fikirakirana manaraka izany ataon'ny mpampiditra angon-drakitra dia manohana ny fiarovana sy fitehirizana ny rakitsoratra ara-tantaran'ny fianakaviana ho tombontsoan'ny arisivam-panjakana, ny sampan-draharaha ao amin'ny fitondram-panjakana, ny vahoaka teratany, ny arisiva manokana, ny sampan-draharaha manokana hafa, ary ny isam-batan'olona. Raha avelan'ny Lalàna mifehy ny fiarovana ny fiainana manokana sy ny mpamoaka angon-drakitra (ohatra, rehefa tsy voafetra intsony ny angon-drakitra), dia mety hapetraka ho azon'ny besinimaro jerena maimaimpoana ao amin'ny tranonkalan'ny mpampiditra angon-drakitra ihany koa, amina tanjom-pikarohana, ireny rakitsoratra ireny.

Ny vanim-potoana hihazonana ny angon-drakitra momba ny tena manokana, na, raha tsy azo atao izany, ny masontsivana ampiasaina hamaritana izany vanim-potoana izany

Ny angon-drakitra momba ny tena manokana voaangona amina tanjom-pitehirizana ara-tantara dia hohazonina araka ny toromariky ny mpamoaka angon-drakitra araka izay angatahana izany. Amina toe-javatra maro, raha mbola mitazona soatoavina ara-tantara ny rakitsoratra dia mety hohazonina mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireny, amina tanjo-pitehirizana sy firaketana an-tahirin-kevitra ny tetiarana, raha tsy hoe mangataka ny hamafana izany ny olona voakasika.

Ho an'ny famindrana mankany amin'ny mpikirakira madinika, dia farito ihany koa ny zavatra resahina, ny karazany, ary ny faharetan'ny fikirakirana

Ny mpampiditra angon-drakitra dia mikirakira angon-drakitra momba ny tena manokana mba hiarovana rakitsoratra ara-tantara sy hanaovana fikarohana ara-tetiarana, araka ny toromariky ny mpamoaka angon-drakitra. Ny mpampiditra angon-drakitra dia mety hampiasa mpikirakira na mpikirakira madinika araka ny fifanarahana momba ny fikirakirana na fikirakirana madinika iray mba hanampy amin'ny fikirakirana angon-drakitra amin'ireo tanjona ireo ihany ary hanatanteraka asa amin'ny anaran'ny mpamoaka angon-drakitra sy/na ny mpampiditra angon-drakitra (ohatra, ny fanovana ho nomerika sy ny fanaovana indeksa ny rakitsoratra ara-tantara). Ny fifanarahana momba ny fikirakirana na fikirakirana madinika dia hanome antsipiriany fanampiny momba ny zavatra resahina, ny karazany, ary ny faharetan'ny fikirakirana.

C. Manampahefana mahefa

Fantaro ny/ireo manampahefana mahefa mifanaraka amin'ny Andinim-pifanarahana faha-13

Ny manampahefana mpanara-mason'ny firenena misy ny Mpamoaka Angon-drakitra hita ao amin'ny Tovana I.A.

TOVANA II:

FEPETRA ARA-TEKINIKA SY ARA-PIKAMBANANA HO AN'NY FAMILY SEARCH INTERNATIONAL (MPAMPIDITRA AN-DRINDRAMBAIKO)

Ity tahirin-kevitra ity dia manoritsoritra ny fepetra ara-tekinika sy ara-pikambanana momba ny fiarovana ny angon-drakitra ampiasain'ny Family Search International (Mpampiditra) ("FSI").

Fepetra fiarovana ara-tekinika sy ara-pikambanana. Ny FSI dia nametraka Rindrambaiko fiarovana angon-drakitra feno ary mampihatra fepetra ara-tekinika sy ara-pikambanana voalanjalanja, mifototra amin'ny fenitry ny indostria, ny filan'ny fikambanana, ary ny loza mety hitranga, mba hampihenana sy hiarovana amin'ny fikirakirana tsy nahazoana alalana na tsy ara-dalàna, fatiantoka tsy nahy na iniana, fidirana tsy nahazoana alalana, famotehana, na fahasimbana. Ireo fepetra ireo dia manampy amin'ny fiantohana ny maha-tsiambaratelo, ny fahamarinana, ny fisiana, ary ny fahamafisan'ny FSI sy ny rohin-drafitra sy angon-drakitry ny FSI. Amina rafitra tsy fehezin'ny FSI mivantana, ny FSI dia miara-miasa amin'ny FSI mba hampiharana fanaraha-maso ny fiarovana mifanentana amin'izany. Ny Rindrambaiko Fiarovan'ny FSI dia ahitana ireto singa manaraka ireto:

1. Fitsipika sy dingana arahina. Ny FSI dia mametraka fitsipika sy dingana arahina voasoratra ôfisialy mba hiantohana ny maha-tsiambaratelo, ny fahamarinana, ary ny fisian'ny angon-drakitra ary hiarovana azy amina fampahafantarana, fampiasana, fanovana, na famotehana tsy nahy, tsy nahazoana alalana, na tsy mety. Ireo fitsipika ireo dia dinihina sy havaozina isan-taona na matetika kokoa rehefa heverina ho mety ny hanaovana izany. Ny fitsipika sy dingana arahina dia natao hahazoana antoka fa ny fiarovana ara-batana, ara-tekinika ary ara-pitantanana dia mipetraka tsara ary miasa tsara.

2. Fifehezana ny fahafaha-miditra.

Fahafaha-miditra mivantana - Ny FSI dia mampihatra fepetra voalanjalanja hisakanana ny olona tsy nahazo alalana tsy hiditra amin'ny fitaovam-pikirakirana angona (mpitati-tambajotran'angon-drakitra, mpitati-tambajotram-pampiharana, mpanova tambajotra, rindranasa fiarovana, mpanara-maso, ary fitaovana mifandray amin'izany) izay ikirakirana na ampiasana angon-drakitra momba ny tena manokana.

Fahafaha-miditra lôjika - Ny FSI dia mampihatra fepetra fiarovana voalanjalanja mba hisorohana ny fidirana tsy nahazoana alalana amin'ny rafitra fikirakirana angon-drakitr'izy ireo. Ny FSI dia manohana sy mandinika ny mpampiasa FSI izay afaka miditra amin'ny rafitra fikirakirana angon-drakitra. Ny FSI dia manome fahafaha-miditra ho an'isan'olona voafetra miainga amin'ny filàna nahazo fankatoavan'ny orinasa.

3. Fanofanana sy fampahafantarana momba ny fiarovana. Ny FSI dia nametraka fandaharanasa fampahafantarana sy fanofanana momba ny fiarovana ôfisialy ho an'ny mpikambana ao amin'ny mpampiasa ny mpiasan'ny FSI sy ny mpiasan'ny FSI. Io fandaharanasa io dia ahitana singa fianarana takina izay miantoka ny fahafantaran'ny mpampiasa ny fotokevitra sy fitsipiky ny fiarovana angon-drakitra manan-danja, isan-taona, na matetika araka izay mety. Ny lohahevitra fampiofanana isan-taona dia ahitana ny fanasokajiana sy fisahanana fampahalalana saro-pady. Ankoatra ny fanofanana ôfisialy, ny fanazaran-tena tsy ampahafantarina sy miverimberina izay akàna tahaka fisolokiana hahazoana mombamomba amin'ny aterineto dia manamafy ny fanofanana amin'ny fomba hamantarana, hitaterana ary hisorohana ny hafatra anaty mailaka ratsy.

4. Fiarovana ny angon-drakitra. Ny FSI dia mampihatra fepetra voalanjalanja mba hisorohana ny fampiasana, famakiana, fandikana, fanovana, na famafana tsy araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra momba ny tena manokana ataona mpandray anjara tsy nahazo alalana na eo am-pandehanana na tsy mihetsika izany. Ny fifehezana ny fiarovana ny angon-drakitra dia ampiasaina amin'ny alalan'ny fampiasana fiantomorana fiarovana lalina.

5. Fanaraha-maso. Ny FSI dia mampihatra fepetra voalanjalanja hanaraha-maso ny fidirana amina rafitra saro-pady sy ny loharano an-tambajotra ary mba hahazoana antoka fa mifanaraka amin'ny fitsipika ny fihetsiky ny mpampiasa. Ny raki-daza dia hazonina araka ny filàn'ny orinasa sy ny zavatra takina mifanaraka amin'ny fitsipika ary tehirizina ao amina fitehirizana foibe na fitehirizana mifanaraka amina sehatra iray ka afaka mifindra amin'ny fitehirizana foibe raha ilaina. Ny raki-daza dia tehirizina sy arovana amin'ny fomba izay manampy amin'ny fiantohana ny fahamarinana sy ny tsy fahafaha-miova. Ny FSI dia mametraka andiana fampitandremana mandeha ho azy mba hamantarana ny mety ho hetsika ratsy. Ny angon-draki-dazan'ny FSI dia averina jerena tsy tapaka mba hahitana ny mety ho fanafihana sy hanohanana ny ezaka ataon'ny FSI hamaliana ny zavatra sendrasendra.

6. Fitiliana fitaovana sy hetsika asetry. Ny FSI dia mampihatra fanaraha-maso voalanjalanja amin'ny fitaovana ampiasain'ny mpampiasa sy ny fitaovana ampiasain'ny mpitati-tambajotra, ao anatin'izany ny fitaovana ampiasain'ny FSI, izay miaro amin'ny fiparitahan'ny rindrambaiko maloto, fanairana miainga amina toerana iray, ny rindrambaiko mpampiantrano sy ny fangatahana momban-drakitra, ary ny fahafaha-mampitokan-drafitra.

7. Dingana arahina amin'ny hetsika asetry zavatra sendrasendra ara-piarovana (IR). Ny FSI dia mametraka fitsipika sy dingana arahina amin'ny hetsika asetry zavatra sendrasendra mba hamantarana, hamaliana, ary, raha tsy izany, hisahanana ny zavatra sendrasendra mifandray amin'ny fiarovana. Ny FSI dia mampiasa Foiben-kirakira Fiarovana (SOC) miasa andro aman'alina isan'andro isan'andro mba hanombanana mialoha ny tranga mahaliana, hanara-maso ny rafitra mba hahitana fanafihana na fitsofotsofohana tena marina na nandramana natao, hampihenana ny fiantraika ratsin'ny zavatra sendrasendra ara-piarovana, ary hanaovana an-tahirin-kevitra ny zavatra sendrasendra ara-piarovana sy ny vokatr'izany. Misy ny fifanarahana atao amina mpamatsy hetsika asetry zavatra sendrasendra ivelany mba hanamorana ny firotsahana haingana ataona mpandray anjara ivelany raha sendra misy zavatra sendrasendra lehibe na rehefa misy zavatra sendrasendra mitaky fanadihadiana manokana ataona fitsarana. Ny FSI koa dia mamaetraka ekipa fiarovana mifantoka amin'ny FSI amina fotoana feno mba hahazoana fanohanana sy fanombanana mialoha manokana. Ny Foiben-kirakira Fiarovana (SOC) dia miara-miasa akaiky amin'ny Biraon'ny fiarovana fiainana manokana amin'ny angon-drakitra (DPO) sy ny Biraon'ny Torohevitra Ankapobeny (OGC) ary manam-pahaizana manokana momba ny fiarovana ivelany mba hahazoana antoka fa voasahana araka ny lalàna sy fitsipika manan-kery ny tranga.

8. Fanombanana ny fiarovana sy ny loza mety hitranga. Ny FSI dia mametraka fitsipika sy dingana arahina mba hanampiana amin'ny fanombanana ny fahombiazan'ny fifehezana ny fiarovana, hamantarana ny tsy fahombiazan'ny fifehezana ny fiarovana, ary hamantarana, hanombanana, ary handrefesana ny banga eo amin'ny fifehezana ny fiarovana, amin'ny alalan'ny fampiasana fiatomorana mifototra amin'ny loza mety hitranga.

9. Fandrindrana sy fikojakojana ny rafitra. Ny FSI dia mametraka fitsipika sy dingana arahina voalanjalanja mba hanampiana amin'ny fahazoana antoka fa ny fitaovam-pikirakirana angon-drakitra (mpitati-tambajotra, angon-drakitra, solosaina finday, rindranasa fiarovana, mpanova, mpitari-dalana, mpanara-maso, sns.) dia voarindra tsara mba hahazoana antoka fa voaaro araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra momba ny tena manokana. Ny FSI dia mametraka fandaharanasa fitantanana faharefoana mba hanampiana amin'ny famantarana ny faharefoana ao anatin'ny tontolo FSI sy ny fifandraisana amin'ny loharano mety mba hanamorana ny fanarenana ara-potoana.

10. Fahamafisan'ny rafitra sy ny angon-drakitra. Ny FSI dia mampihatra fepetra voalanjalanja mba hahazoana antoka fa voaaro araka ny tokony ho izy amina fampiasana, fanovana, na famotehana tsy nahy na maloto ny angon-drakitra momba ny tena manokana, ary izany angon-drakitra nampiasaina, novana, na noravana tsy nahy na tamim-pomba maloto izany dia azo fantarina sy averina amin'ny laoniny. Ny FSI dia mampihatra fomba fiarovana ny rafitra amin'ny alalana fanaovana dika mitovy izay ahitana dika mitovy an-jotra, an-jotra amin'ny ampahany, ary ivelan'ny aterineto mifototra amin'ny maha-zava-dehibe ny angon-drakitra sy ny filan'ny orinasa. Ny FSI dia mampiasa rafitr'angon-drakitra tena miverimberina an-dika mitovy mba hiantohana fampiharana sy rafitra manana fahafaha-miasa tsy tapaka sy mahomby.

11. Fanajana ny fenitra. Ny FSI dia mametraka Biraon'ny fiarovana fiainana manokana amin'ny angon-drakitra ho an'ny FSI izay mitantana ny fanarahana ny lalàna sy fitsipika momba ny fiarovana angon-drakitra. Ny FSI koa dia mametraka fandaharanasa momba ny fanajana ny fenitra informatika anatiny ho an'ny FSI izay mifantoka amin'ny fitsapana sy fanamarinana ny fifehezana ny fiarovana, ny fikirakirana, ary ny fomba fiasa amin'ny alalana fanombanana anatiny.

12. Fanekena ny andraikitra. Ny FSI dia manana tompon'andraikitra momba ny fiarovana voatendry anankiray izay miandraikitra ny fampandrosoana, ny fampiharana, ary ny fikojakojana ny Fandaharanasa Fiarovana Angon-drakitra ao amin'ny FSI. Fanampin'izany, ny Politikan'ny Fandaharanasa Fiarovana ny Angon-drakitry ny FSI dia manoritsoritra ny anjara asa sy andraikitry ny mpandray anjara rehetra ao amin'ny Fandaharanasa Fiarovana Angon-drakitra ary navoaka tao amin'ny tahiry iray izay azon'ny mpampiasa ny mpiasa rehetra idirana.

13. Fampiasana sy fihazonana rakitsoratra araka ny tokony ho izy. Ny FSI dia mampihatra fitsipika sy dingana mifehy ny fampiasana sy fihazonana angon-drakitra tsiambaratelo, ao anatin'izany ny angon-drakitra momba ny tena manokana. Misy ny dingana arahina mba hahazoana antoka fa ny angon-drakitra dia mifanaraka amin'ny fepetra takin'ny tompon'angon-drakitra amin'ny fizarana ny angon-drakitra ary ahitana ny fanaraha-maso ny fampiasana tekinolojia mampiasa fahaizana artifisialy azo ekena.

14. Fanavaozana. Ny FSI dia manara-maso, manombana, ary manitsy ny Fandaharanasa Fiarovana Angon-drakitra isan-taona na araka izay ilaina, amin’ny alalan’ny fijerena ny fiovana mifandray amin’izany amin’ny tekinolojia, ny feni-piarovan’ny orinasa, ny maha-saro-pady ny angon-drakitra manokana, ary ny mety ho loza mitatao anatiny na ivelany amin’ny angon-drakitra momba ny tena manokana.

TOVANA III:

LISITRY NY MPIKIRAKIRA MADINIKA

Nanome alalana ny fampiasana ireto mpikirakira madinika manaraka ireto ny mpanara-maso:*

  • ANCESTRY
  • BART DEVELTER V.O.F.
  • BRIGHAM YOUNG UNIVERSITY
  • CENTURY VITAL RECORDS (CVR)
  • CONTENT ARCHAEOLOGY
  • DATADISC.IT S.R.L.
  • DIE MOBILE SEKRETÄRIN E.U.
  • DIGITAL 4 KIT
  • DOUBLE DIGITAL
  • EMPRESA DE ARQUIVO DE DOCUMENTAÇÃO S.A.
  • FORMAX
  • GENEALAB
  • GENESIS
  • GREYSCALE LTD.
  • INFOSCRIBE SAS
  • INTELLIGENT IMAGE MANAGEMENT (IIMI)
  • IRON MOUNTAIN AUSTRALIA
  • IRON MOUNTAIN CESKA REPUBLIKA S.R.O.
  • LIFEWOOD
  • MATERN
  • MYHERITAGE
  • NORMADAT S.A.
  • OSG RECORDS MANAGEMENT
  • PEDRO CRUZ MARTINEZ
  • RASTERGEN – GESTÃO DOCUMENTAL UNIPESSOAL (LDA)
  • SBL
  • STASIS S.A.S.
  • SVI
  • TRACEABLE SOLUTIONS
  • TRUEBPO INC (EQOD INC TEO ALOHA)

(1.1) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Soisa, dia mihatra ireto manaraka ireto ankoatra ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2: Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira (“Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2”):

Tovana Fanitsiana ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana ho an'i Soisa

Raha toa ka iharan'ny Fitsipika mifehy ny Fiarovana Angon-drakitra Ankapobeny ho an'ny Vondrona Eorôpeana (GDPR) sy ny Lalàna Federaly momba ny Fiarovana Angon-drakitra (FADP) (araka ny voafaritra eo ambany) ny famindrana angon-drakitra momba ny tena manokana avy amin'ny Mpamoaka an-drindrambaiko mankamina Mpampiditra an-drindrambaiko, dia hampiharina ihany koa ireto fepetra fanampiny manaraka ireto mba hahatonga ny Andinim-pifanarahana mahazatra hety amin'ny fiantohana lentam-piarovana araka ny tokony ho izy ho an'ny famindrana toy izany, mifanaraka amin'ny Andininy faha-6, paragrafy 2, araka ny voalazan'ny Lalàna Federaly momba ny Fiarovana Angon-drakitra:

(a) Ny “FADP” dia midika hoe Lalàna Federaly momba ny Fiarovana Angon-drakitra tamin'ny 19 jona 1992 (SR 235.1).

(b) Ny “FDPIC” dia midika hoe Mpanara-maso ny Fiarovana Angon-drakitra Federaly any Soisa.

(c) Ny “FADP nohavaozina” dia midika hoe kinova nohavaozina amin'ny FADP tamin'ny 25 septambra 2020, izay voalahatra hanan-kery ny 1 janoary 2023.

(d) Ny teny hoe "Firenena Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eorôpeana" dia tsy tokony horaisina hanilihana ny Olona Voakasika any Soisa tsy hahazo fahafahana hitaky ny zony any amin'ny toerana fonenany mahazatra (Soisa) araka ny Andinim-pifanarahana 18(c) ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatra.

(e) Ny Andinim-pifanarahana mahazatra ihany koa dia miaro ny angon-drakitra momba ny fikambanana ara-dalàna mandra-pahatongan'ny FADP nohavaozina hanan-kery.

(f) Ny FDPIC dia hiasa amin'ny maha "manampahefana mpanara-maso mahefa" azy raha toa ka ny FADP no mifehy ny famindrana angon-drakitra mifandraika amin'izany.

(1.2) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any amin'ny Fanjakana Mitambatra (“ROYAUME-UNI”), dia mihatra ireto manaraka ireto ankoatra ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2: Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira (“Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2”):

Tovana Fanitsiana momba ny Famindrana Angon-drakitra Iraisam-pirenena ho an'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vaomieran'ny Vondrona Eorôpeana

(“FIFANARAHANA MOMBA NY FAMINDRANA ANGON-DRAKITRA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FANJAKANA MITAMBATRA”)

Ny Tovana Fanitsiana momba ny Famindrana Angon-drakitra Iraisam-pirenena ho an'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vaomieran'ny Vondrona Eorôpeana (hita eto) dia ampidirina ho fitsiahy ary mihatra ireto manaraka ireto:

Fizarana 1: Tabilao

Ny Tabilao 1 dia fenoina araka ny ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2, Tovana I.

Tabilao 2 - Ireto manaraka ireto dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eoropeana, Singa 2 araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

  • Voafafa ny andinim-pifanarahana 7 (Andinim-pifanarahana momba ny fampidirana mpandray anjara vaovao) .
  • Ny andinim-pifanarahana 9 (Fampiasana mpikirakira madinika) dia ahitana ny SAFIDY 2: FANOMEZAN-DALANA AN-TSORATRA ANKAPOBENY).
  • Ny andinim-pifanarahana faha-11 (Fanonerana) dia tsy ahitana ny SAFIDY ao amin'ny (a).
  • Ny andinim-pifanarahana faha-13 (Fanaraha-maso) dia ahitana fiteny mihatra amina mpamoaka an-drindrambaiko voapetraka ao amina firenena mpikambana iray ao amin'ny Vondrona Eorôpeana.
  • Ny andinim-pifanarahana faha-17 (Lalàna manan-kery) dia ahitana ny SAFIDY 1 ary ahitana ny lalànan'ny firenena misy ny angon-drakitra kirakirain'ny mpamoaka an-drindrambaiko.
  • Ny andinim-pifanarahana 18 (Safidim-pitsarana sy fari-pahefana) dia ahitana ny fitsarana ao amin'ny firenena misy ny angon-drakitra kirakirain'ny mpamoaka an-drindrambaiko.

Ny Tabilao 3 – dia fenoina amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2 Tovana I, II, ary III.

Tabilao 4 – Ny FIFANARAHANA MOMBA NY FAMINDRANA ANGON-DRAKITRA IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FANJAKANA MITAMBATRA dia mety ho faranan'ny anankiray amin'ireo Mpandray anjara (Mpampiditra sy Mpamoaka).

Fizarana 2 – Andinim-pifanarahana tsy maintsy atao

Mihatra ny andinim-pifanarahana tsy maintsy atao rehetra; mifanohitra amin'izany, tsy mihatra ny Andinim-pifanarahana tsy maintsy atao Fizarana 2 hafa.

(2) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any amin'ireto toerana manaraka ireto, dia mihatra ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2: Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira (“Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2”) (hita eto):

Albania, Andora, Armenia, Azerbaïdjan, Belarosia, Bosnia sy Herzegovina, Jeôrjia, Guernesey, Nosy Man, Jersey, Kenya, Monako, Kazakstana, Kôsôvô, Montenegro, Makedonia Avaratra, Saint-Marin, Serbia, Syria, Torkia, Okraina, Vietnamy, Yemen.

(3) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Angolà (“Angolà”) dia mihatra ity manaraka ity ankoatra ny Andinim-pifanarahana ho an'i Angolà ao amin'ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra any Angôla (Lalàna laharana faha-22/11, tamin'ny 17 jona 2011) (“Andinim-pifanarahana ho an'i Angolà”) (hita eto):

Ity manaraka ity dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana ho an'i Angolà araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

Ny toerana ikirakirana, amindrana ary itehirizana ny angon-drakitra momba ny tena manokana dia ahitana an'i Ghana sy Etazonia.

Ny fampahalalana hafa rehetra voalaza eo ambony ho an'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2 dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana ho an'i Angolà.

(4) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Nizeria (“Nizeria”) dia mihatra ity manaraka ity ankoatra ny Andinim-pifanarahana ho an'i Nizeria ao amin'ny Lalàna momba ny Fiarovana Angon-drakitra any Nizeria (Lalàna laharana faha-22/11, tamin'ny 17 jona 2011) (“Andinim-pifanarahana ho an'i Nizeria”) (hita eto):

Ity manaraka ity dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana ho an'i Nizeria araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

Ny toerana ikirakirana, amindrana ary itehirizana ny angon-drakitra momba ny tena manokana dia ahitana an'i Ghana sy Etazonia.

Ny fampahalalana hafa rehetra voalaza eo ambony ho an'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2, dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana ho an'i Nizeria.

(5) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any amin'ireto toerana manaraka ireto, dia mihatra ny Andinim-pifanarahana Môdely ho an'ny ASEAN (FIKAMBANAN'NY FIRENENA AZIATIKA ATSIMO ATSINANANA), Singa 1: Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira (“Andinim-pifanarahana Môdely, Singa 1”) (hita eto):

Broney Darosalama, Kambôja, Indonezia, Laôsy, Malezia, Mianmara, Filipina, Singapaoro, Tailandy, Vietnamy

Ireto manaraka ireto dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana Môdely, Singa 1 araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

  • Voafafa ny andinim-pifanarahana 2 (Adidin'ny mpamoaka angon-drakitra) .
  • Voafafa ny andinim-pifanarahana 3 (Adidin'ny mpampiditra angon-drakitra), ny andinim-pifanarahana madinika ankifidy 3.4, 3.6, 3.7, ary ny fiteny ankifidy ao amin'ny 3.7. Ny andini-pifanarahana madinika 3.10 dia, "...ao anatina fe-potoana voalanjalanja faritan'ny Mpiara-miombona antoka."
  • Ny andinim-pifanarahana 4 (Fifanolanana momba ny Safidin-dalàna) dia mampiditra ny firenena mpikambana ao amin'ny ASEAN misy ny mpamoaka an-drindrambaiko ao amin'ny 4.1. Voafafa ny andinim-pifanarahana madinika 4.3 miasa.
  • Ny andinim-pifanarahana 6 (Fampitsaharana ny fifanarahana) dia mampiditra "30 andro" ao amin'ny zana-jana-pizarana 6.1.1.
  • Fepetra fanampiny ho an'ny fampakaran-draharaha manokana (Fampakaran-draharaha manokana) Voafafa ny fampakaran-draharaha manokana rehetra.
  • TOVANA A: Jereo ny TOVANA I ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2.

(6) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any amin'ireto toerana manaraka ireto, dia mihatra ny Fifanarahana momba ny Famindrana Môdely ho an'ny Tambajotra Miaro ny Angon-drakitra Iberiana-Amerikana (“Andinim-pifanarahana Môdely ho an'ny Tambajotra Miaro ny Angon-drakitra Iberiana-Amerikana, Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira”) (hita eto):

Però, Orogoay, Arzantina, Andora

Ireto manaraka ireto dia mihatra amin'ny Andinim-pifanarahana Môdelin'ny Tambajotra Miaro ny angon-drakitra Iberiana-Amerikana, Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira, araka ny nifaneken'ny andaniny sy ankilany voalaza etsy ambony:

  • Ny TOVANA I ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2 dia ampidirina ho fitsiahy ary mameno ny fampahalalana takina rehetra ao amin'ny Andinim-pifanarahana Môdelin'ny Tambajotra Miaro ny Angon-drakitra Iberiana-Amerikana, Mpanara-maso hatramin'ny Mpikirakira.
  • Voafafa ny andinim-pifanarahana 9 (Fanonerana) ao amin'ny andinim-pifanarahana madinika 9(a) ilay fiteny ankifidy.
  • Ny TOVANA A dia feno fampahalalana mifanaraka amin'izany avy ao amin'ny TOVANA I ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2.
  • Ny TOVANA B dia feno fampahalalana mifanaraka amin'izany avy ao amin'ny TOVANA I ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2.
  • Ny TOVANA C dia feno fampahalalana mifanaraka amin'izany avy ao amin'ny TOVANA II ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2.
  • Ny TOVANA D dia feno fampahalalana mifanaraka amin'izany avy ao amin'ny TOVANA III ao amin'ny Andinim-pifanarahana mahazatran'ny Vondrona Eorôpeana, Singa 2.
  • Ny TOVANA E dia fenoina amin'ny filazana momba ny fiarovana fiainana manokana izay hita ato: https://www.familysearch.org/legal/privacy.

(7) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Sina dia mihatra ity manaraka ity (hita eto):
a. Ho an'ireo izay any Hong Kong, mihatra ity manaraka ity (hita eto):

(8) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Brezila, dia mihatra ity manaraka ity: (hita eto): (Hita eto ny PDF)

(9) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Novely Zelandy, dia mihatra ity manaraka ity (hita eto):

(10) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Roanda dia mihatra ity manaraka ity (hita eto):

(11) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Katara dia mihatra ity manaraka ity (hita eto):

(12) Ho an'ny Mpitahiry Rakitsoratra any Arabia Saodita dia mihatra ity manaraka ity (hita eto):