Ahoana no fiarovan’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny tsiambaratelon’ny olona iray mbola velona?

Mba hiarovana ny tsiambaratelon’ny olona dia feran’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny olona afaka mahita ireo firaketan’ny olona mbola velona. Ny mpampiasa izay nampiditra ny fampahalalana momba ny olona mbola velona tao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana irery ihany no afaka mahita na manova izany.

Mitandrema rehefa manapaingotra fahatsiarovana amin’ny olona mbola velona. Amin’ny toe-javatra sasany dia azon’ny hafa jerena ireo zavatra ao amin’ny fahatsiarovana. Manoro hevitra anao izahay hanao ireo fahatsiarovana momba ny olona velona ho tsiambaratelo.

Ahoana no ahafantarako fa velona ny olona iray izay hitako ato amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia ahitana saina famantarana mavo eny an-tapon’ny pejin’ny Olona ho an’ny firaketana momba ireo olona velona. Ankoatra izany dia miseho eo amin’ny toeran’ny daty nahafatesana na ny teny hoe “Maty” ny teny hoe “velona”

Ahoana no hampidirako olona mbola velona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

  • Mampiditra olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao dia misafidy ny hoe Velona.
  • Mamindra firaketana momba ny olona velona avy amin’ny angon-drakitra izay tantananao amin’ny ampahany ianao.

Ireo mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany indraindray dia afaka mahita ireo olona mbola velona izay avy amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy no niavian’ny fampahalalana.

Amin’ny fomba ahoana ireo firaketana momba ny olona velona no lasa hitan’ny daholobe?

Lasa hitan’ny daholobe ny firaketana momba ny olona iray rehefa avy nampiditra daty nahafatesana ao amin’izany ianao. Ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia tsy manao kajy hoe mety efa maty ve ny olona iray izay manana ny firaketana momba azy misy marika hoe velona. Tsy manova ny sata ho lasa maty ny rafitra araka ny daty nahaterahana.

Afaka mampiditra olona velona mitovy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ve ny mpandray anjara maro?

Ny mpandray anjara maro dia afaka mampiditra ny mombamomba ny olona velona iray mitovy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Samy manana ny laharana famantarana azy ny firaketana tsirairay. Raha manisy fanovana amin’ny mombamomba ny olona velona iray izay hitanao ianao dia tsy misy fiantraikany amin’ny mombamomba izany olona izany any an-kafa izany.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hanovako ny fikirakirana momba ny tsiambaratelo ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hanaovako ny fahatsiarovana ho tsiambaratelo?
Ahoa no hanovako ny sata iray hoe velona ho lasa maty ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba ahitako ny fandraisako anjara ho an’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no handravonako firaketana verin-droa an’olona mbola velona na olona tiana hotazomina tsiambaratelo ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Afaka mampiditra fahatsiarovana momba ny havako mbola velona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ve aho?
Azoko zaraina ve ny fahafahana miditra amin’ny olona mbola velona sy ireo olona tsiambaratelo izay nampidiriko ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

moduleTitle