Aiza no ahafahako mijery na manao printy na manitsy fampahalalana avy amin’ny kibokiko Ny Fianakaviako?

Share

Ny kiboky “Ny fianakaviako: Ireo tantara izay mampiray anay” dia fitaovana hanangonana sy hitahirizana ny tantaran’ny fianakavianao. Misy amin’ny endrika taratasy ilay bokikely. Ilay bokikely dia misy amin’ny fiteny

Bulgare, Tchèque, Danois, Alemana, Grika, Anglisy, Estoniana, Fidjien, Finnois, Frantsay, Malagasy, Croate, Créole haïtien, Hongrois, Armeniana, Indoneziana, Italiana, Islandais, Khmer, Lituanien, Letton, Masedoniana, Mongoliana, Malais, Néerlandais, Norveziana, Polonais, Romaniana, Slovaque, Slovène, Samoana, Albanais, Serbe, Espaniola, Suédois, Thaï, Tongien, Ukrainien, Vietnamiana, ary Sinoa notsorina.

Afaka mahazo tahadika any amin’ny toerana maro ianao:

Kiboky nomerika

Tamin’ny 4 nôvambra 2019 dia nesorin’ny FamilySearch ny endrika nomerika an’ilay kiboky. Azonao ahitsy ao amin’ny FamilySearch.org ny fampahalalana. Afaka manao printy ny tabilaon-tetiarana sy ny tabilao miendrika fikopahana, na ny firaketana ny vondrom-pianakaviana ihany koa ianao ao.

  • Sary sy tantara: Tadiavo ireo sarinao sy tantaranao ao amin’ny Lahatahirin’ireo fahatsiarovanao sy ao amin’ny application Souvenirs ho an’ny fitaovana finday.
  • Olona ao amin’ny fianakaviana: Hitady fampahalalana momba ireo olona ao amin’ny fianakaviana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Afaka mijery ny rafi-tetiarana an-jotra, ao amin’ny application Arbre familial ho an’ny finday, ary ao amin’ny Family Tree Lite ianao.
    • Raha tsy mahita fampahalalana ao amin’ny Arbre familial ianao dia ampidiro indray izany. Ialanay tsiny ny fanelingelenana aterak’izany. Na dia tsy maintsy mamerina mampiditra olona ao amin’ny fianakaviana indray aza ianao dia ao amin’ny toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovanao ireo sary sy tantara.

Raha hampiditra rakitra avy amin’ny kiboky mankao amin’ny FamilySearch dia manoro hevitra izahay ny hampiasanao na ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana manontolo ao amin’ny tranonkala FamilySearch.org na ny Family Tree Lite

Lahatsoratra mifandray amin’ireto

Ahoana no hisintonako ny application FamilySearch ho an’ny fitaovana finday?
Ahoana no fomba hampiasako ireo fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch mba hitahirizana ireo tantaran’ny razambeko?
Ahoana no hanaovako printy ny tabilao miendrika fikopahana sy ny tabilaon-tetiarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no ampidirako havana iray eo amin’ny rohim-pirazanana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?