Ahoana no hiarovako ny Rafi-tetiarako mba tsy hampidiran’olona fanazavana tsy marina?

Rehefa hitanao sy nampifandraisinao ireo razambenao, dia ho hitanao hoe inona no azon’ny hafa ampidirina na ovana amin’ilay fanazavana nampidrinao.

Mino izahay fa arakaraka ny isan’olona miasa amin’ny Rafi-tetiarana no itomboan’ilay tetiarana. Arakaraka ny itomboany no antenainay fa hahamarina azy. Namorona fitaovana isan-karazany izahay mba hanampiana ireo mampiasa azy hiara-hiasa.

Rehefa hitan’ny mpampiasa hafa ny loharano sy ny antony mazava, dia tsy hosoloiny amin’ny fanazavana tsy voamarina ilay fanazavana marina.

Fitaovana iaraha-miasa ao amin’ny Rafi-tetiarana

  • Afaka manaraka firaketana hatramin’ny 4 000 izay mahaliana anao ianao. Mba hanarahana razambe iray, dia tsindrio ny pejiny. Tsindrio ilay hoe Hanaraka eo ankavian’ny anarany. Mba hijerena ny lisitrao sy ny fanovana nataonao, tsindrio ny Rafi-tetiarana ary avy eo ny Hanaraka.
  • Hiseho eo amin’ny Fanovana Faramparany ireo fanovana faramparany tamin’ny firaketan’ilay olona. Rehefa ao amin’ny pejin’ilay olona ianao, dia midìna hatreny ambany mandra-pahitanao soratra eo ankavanana hoe Fanovana Faramparany. Tsindrio ny hoe Aseho Izy Rehetra raha tianao ho hita ny lisitra feno.
  • Manampy ny mpampiasa hatoky ny fanazavana hitany ilay hoe Loharano. Mba hahitana ny loharano mifandray amin’ny tetiarana iray, dia mandehana ao amin’ilay pejin’ny razamben’ilay Olona. Tsindrio ny hoe Loharano eny ambonin’ny efijerinao.
  • Hazavaina eo ny antony nanaovana fanovana na nanampiana ny firaketan’ny razambe iray. Hazavao foana ny antony isaky ny mampiditra fampahalalana ianao.
  • Voafintina eo amin’ny tantaram-piainana ny famintinana fohifohy momba ny fiainan’ilay razambe. Mety hanampy ny hafa hahafantatra ny razambeny ny tantaram-piainana. Ho hitanao eo ambanin’ilay hoe Mombamomba ao amin’ny pejin’ny olona iray ny tantaram-piainany.
  • Tsindrio ny hoe Hiara-miasa raha te hampiasa ilay sehatra ifampiresahana na fanaovana fanamarihana ianao. Tsindrio ny hoe + Hanampy Resadresaka raha te hiresadresaka amin’olona miray razambe aminao, izay nitsidika ilay pejin’ilay razambe ianao . Na tsindrio + Hanisy Fanamarihana raha hanampy fanazavana, tsoa-kevitra, na fanontaniana izay tsy hitanao izay hasiana azy ianao.

Miaraha miasa ao amin’ilay tetiarana

Misy mpampiasa sasany manaiky ny hampisehoana ny adiresy mailakany na ny fomba hafa ifandraisana aminy. Ampiasao izany mba hifandraisana aminy mivantana. Na mandefasa hafatra ao amin’ny FamilySearch mba hifandraisana amin’ny mpampiasa FamilySearch iray.

Miezaha foana, azafady, mba ho tsara fanahy sy hanaja ny hafa rehefa miara-miasa aminy.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanarahako na tsy hanarahako olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hahitako ireo firaketana arahiko ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hampiasako ilay sehatra ifampiresahana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no handefasako hafatra amin’olona fantatro vao haingana ao amin’ny Fandefasana Hafatra ao amin’ny FamilySearch?
Ahoana no ataoko raha te handefa hafatra ho an’olona iray nampiditra Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana?

Nanampy anao ve ity?