Ahoana no ataoko raha te handefa hafatra ho an’olona iray nampiditra Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana?

Araho ireo toromarika mba hahafahana mifandray amin’olona nandray anjara tao amin’ny Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana. Tadidio fa mety tsy ho afaka mamantatra ny olona nampiditra an’ilay izy izahay indraindray. Mety tsy voatahirin’ny fitaovana teo aloha ny olona nampiditra ny firaketana na efa maty ilay nampiditra azy. 

Jereo ny Fepetra Mikasika ny Fampiasana ny tranonkalanay, mba hahitana ny toromarika momba ny fiaraha-miasa amin’ny hafa.

Dingana (tranonkala)

  1. Jereo ao amin’ny Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana ny mombamomba an’ilay nampiditra ny fanazavana:
    • Hiseho ao amin’ny "Fanovana faramparany", ao amin’ny Rafi-tetiarana, ny daty nanovana azy farany sy ny mombamomba an’ilay nanova azy. Hiseho arakaraka ny zavatra nampidirina ireo fanazavana.
    • Tsindrio ny fahatsiarovana iray zay tsy nampidirinao ao amin’ny Fahatsiarovana. Eo amin’ny efajoro hoe Mombamomba ny mombamomba an’ilay nanao ny fanovana.
  2. Tsindrio ny mombamomba an’ilay nanao ny fanovana.  
    • Raha misy soratra eo hoe "FamilySearch," dia nandeha ho azy ilay fanovana. Na talohan’ny nitahirizan’ny FamilySearch ny mombamomba an’ireo mpanao fanovana no nampidirana an’ilay fanovana. 
  3. Ho hitanao eo amin’ny hafatra izay miseho eo ny fomba ifandraisana amin’ilay olona raha nataony hitan’ny besinimaro izany. Azonao ampiasaina izay miseho eo mba hifandraisana aminy.
    • Azonao atao koa ny mampiditra olona ho anisan’ny olom-pantatrao amin’ny alalan’ny fanindrina fotsiny ny anaran’ilay olona ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hanampy Olom-pantatra. Raha hamafa olom-pantatra, dia tsindrio ny mombamomba azy ary avy eo dia fidio ny safidy hoe Hanala Olom-pantatra.
  4. (Tsy voatery hatao): Jereo hoe inona no ifandraisanareo sy ilay nampiditra fanazavana:
    • Hampiseho ny Rohim-pihavanana: Raha tsy voatarika any amin’ilay pejy ianao, dia tsindrio ity rohy ity.
    • Hijery ny Havako: Raha samy tafiditra ato ianareo sy ilay olona, dia tsindrio ity hahitana ny rohim-pihavananareo.
    • Hangataka ny Hijery Rohim-pihavanana: Tsindrio ity mba hanasana ilay mpampiasa hafa hiditra, ka ho afaka hijery ny rohim-pihavananareo ianao. 
  5. Raha tsy nozarain’ilay olona ny fomba ifandraisana aminy, dia andefaso hafatra amin’ny alalan’ny FamilySearch izy:
    1. Tsindrio ny hoe Handefa Hafatra
    2. Ampidiro ny foto-kevitra dia alefaso ny hafatra. Tsy maintsy misy foto-kevitra izay vao azonao alefa ilay hafatra.
    3. Tsindrio ny Handefa.

Fanamarihana: Raha misy mandefa hafatra tsy ilaina aminao, dia azonao atao tsy misy feo ilay olona. Tsy afaka mandefa hafatra amin’ny olona tsy nasianao feo ianao.

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ny application Rafi-tetiarana, tadiavo ilay olona ilainao, ary tsindrio ny anarany.
  2. Tsindrio ilay fanazavana mahaliana anao.
    • Rehefa ao amin’ny pejin’ilay razambe, tsindrio ilay zava-nisy mahaliana anao. Hitanao eny ambanin’ny efijerinao ny daty farany nanovana an’ilay fanazavana. Eo ambanin’ny daty ilay fanazavana ny mombamomba an’ilay olona nanao fanovana. 
    • Tsindrio Fahatsiarovana. Tsindrio ny fahatsiarovana iray izay tsy nampidirinao. Tsindrio indray ilay izy. Mipetaka eo ambanin’ny sary eo ankavia ny mombamomba ilay olona nampiditra fanazavana.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay nampiditra fanazavana.
    Raha voalaza eo hoe “FamilySearch,” dia nandeha ho azy ilay fanovana. Na talohan’ny nitahirizan’ny FamilySearch ny mombamomba an’ireo mpanao fanovana no nampidirana an’ilay fanovana. 
  4. Azonao andefasana hafatra mivantana izy ireo, ampidirina ho isan’ny olom-pantatrao, na alaina ny adiresy mailakany.
    • Azonao atao koa ny mampiditra olona ho anisan’ny olom-pantatrao amin’ny alalan’ny fanindrina fotsiny ny anaran’ilay olona ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hanampy Olom-pantatra. Raha hamafa olom-pantatra, dia tsindrio ny mombamomba azy ary avy eo dia fidio ny safidy hoe Hanala Olom-pantatra.
  5. (Tsy voatery hatao): Jereo hoe inona no ifandraisanao sy ilay nampiditra fanazavana:
    • Hampiseho ny Rohim-pihavanana: Raha tsy miseho ilay izy, dia tsindrio ity safidy ity.
    • Hijery ny Havako: Raha samy tafiditra ao ianareo sy ilay olona, dia tsindrio ity fomba iray ity mba hahitana ny fifandraisanareo. 
    • Hangataka Fijerena Rohim-pihavanana: Tsindrio ity mba handefasana hafatra amin’ilay olona mba hanaiky ny fangatahanao.
  6. Raha tsy nozarain’ilay olona ny fomba ifandraisana aminy, dia andefaso hafatra amin’ny alalan’ny FamilySearch izy:
    1. Tsindrio ny hoe Handefa Hafatra.
    2. Ampidiro ny foto-kevitra dia alefaso ny hafatra. Tsy maintsy misy foto-kevitra izay vao azonao alefa ilay hafatra.
    3. Tsindrio ny Handefa

Dingana (Family Tree Lite)

Asehon’ny Rafi-tetiarana anao ny mombamomba an’ilay nampiditra fanazavana. Tsy hitanao ny fomba ifandraisana na ny fomba andefasana hafatra. Ampiasao ilay tranonkala feno azafady.  

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no tsy hampisiana feo na hanakanana olona iray tsy handefa hafatra amiko?
Ahoana no hamafako hafatra ao amin’ny FamilySearch?
Fijerena Rohim-pihavanana: Ahoana no hamelomana na hamonoana ny fomba fijerena rohim-pihavanako amin’ny mpampiasa hafa?

Nanampy anao ve ity?