Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ahoana no hamahako ilay olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina hoe: “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana”?

Mba hamahana io olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana” io dia mila manitsy ny anaran’ilay olona ianao. Avy eo dia alaivo antoka fa mifanaraka amin’ny endri-tsoratra ampiasaina ny endriky ny fiteny, ao amin’ny toerany marina ny endri-tsoratra tsirairay, ary amin’ny toerana samy hafa ny endri-tsoratra tsirairay.

Tsy azo avela io olana amin’ny fampahalalana noraketina io.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, tsindrio Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ary tsindrio avy eo ny Hazon’ny tetiarana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hovana ny mombamomba azy. Sokafy ny pejin’ilay olona.
  3. Tsindrio ilay sary famantarana pensilihazo izay miaraka amin’ny anaran’ilay olona.
  4. Safidio ny endriky ny fiteny marina ho an’ilay anarana. Eo ambonin’ny toerana misy ny anaram-boninahitra no misy ny toerana ho an’ny endriky ny fiteny.
  5. Ampiasao ny fanaovana “copier coller” amin’ny solosainao mba hamindrana ny ampahany tsirairay amin’ilay anarana ho eo amin’ny toerany marina ho an’io andian-tarehin-tsoratra io. Hiala ilay hafatra fanairana rehefa amin’ny toerany marina ireo tarehin-tsoratra marina.
  6. Midìna any amin’ilay toerana hoe Antony maha-marina an’io fampahalalana io. Ampidiro ny fanazavana ny fanovana nataonao.
  7. Tsindrio ny Hitahiry.

Torohay: Ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia efa natao hatrany am-boalohany hampiseho ireo anarana tsy manaraka ny firafitry ny fiteny romana toy ny teny Sinoa, Japoney, ary Koreana amin’ny fomba endri-tsoratra azy ireo any amin’ireo toerana ireo. Ao amin’ny fikirakirana ny kaontinao dia afaka misafidy ianao ny hampiseho ireo anarana rehetra amin’ny endrika araka ny firafitry ny fiteny romana (Latin).

Dingana (application ho an’ny fitaovana finday)

Ny application Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia tsy mampiseho ireo sary famantarana ny olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina toy ny ataon’ny tranonkala. Ho an’ity olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina ity manokana anefa dia mbola afaka mahita sy mamaha izany ianao amin’ny fanitsiana ny anaran’ilay olona. Raha ahitana io olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina io ny ankamaroan’ny razambenao dia mety ho mora kokoa aminao ny mahita sy manitsy izany ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch.

  1. Midira ao amin’ilay application mobile Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hovana ny mombamomba azy. Sokafy ny pejin’ilay olona.
  3. Tsindrio ny anaran’ilay olona.
  4. Tsindrio ny Hanova. Raha misy io olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina io dia hahita fanairana ianao eo amin’ny efijery.
  5. Safidio ny endriky ny fiteny marina ho an’ilay anarana. Miseho eo ambonin’ny toerana misy ny anaram-boninahitra ny anaran’ilay fiteny. Mety ho anaran’ilay fiteny izany na ny teny hoe “Hafa.”
  6. Ampiasao ny fanaovana “copier coller” amin’ny fitaovanao mba hamindrana ny ampahany tsirairay amin’ilay anarana ho eo amin’ny toerany marina ho an’io andian-tarehin-tsoratra io. Hiala ilay hafatra fanairana rehefa amin’ny toerany marina ireo tarehin-tsoratra marina.
  7. Tsindrio ny Hanoy.
  8. Ampidiro ny fanazavana ny fanovana nataonao.
  9. Tsindrio ny Hitahiry.

Lahatsoratra mifandray

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia inona ilay olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina hoe: “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana”?
Ahoana no fomba hampidirako anarana avy amina fiteny hafa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Endriky ny fiteny ho an’ny anarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana
Ahoana no fomba hampidirako anarana sinoa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no hamahako ny olana lahatahiry ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Inona daholo ireo olana lahatahiry mety hiseho ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?