Inona daholo ireo olana lahatahiry mety hiseho ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Raha mahita lahatahiry tsy mety na tsy mitombina ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia mampiseho sary famantarana olana eo amin’ny lahatahiry izy. Efamira mena misy tsoraka fotsy izany sary famantarana izany.

Io tabilao io dia mitanisa ireo olana eo amin’ny lahatahiry rehetra, manazava ny fotoana hisehoany, ary milaza raha azonao ialana izany.
 

    Olana eo amin’ny lahatahiryFamariparitanaAzo ialana ve?
    Teraka taorian’ny nahafatesan’ny rainyMbola aorian’ny taona nahafatesan’ny rainy ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Tsia
    Teraka taorian’ireo taona ahafahan’ny reniny manan-janakaMbola aorian’ny nahafeno 52 taona an-dreniny, izay raha ny tokony ho izy dia fiafaran’ny taona ahafahana miteraka, ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Eny
    Teraka taorian’ny nahafatesan’ny renyMbola aorian’ny taona nahafatesan’ny reniny ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Tsia
    Teraka talohan’ny nahafahan’ny rainy hanan-janakaAlohan’ny naha 12 taona ny rainy ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Tsia
    Teraka talohan’ny nahafahan’ny reniny hanan-janakaAlohan’ny naha 12 taona ny reniny ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Eny
    Teraka taorian’ny nanambadianaMbola aorian’ny taona nanambadiany ny taona nahaterahan’ilay olona. Tsia
    Teraka taorian’ny nahafatesan’ny vadinyMbola aorian’ny taona nahafatesan’ny vadiny ny taona nahaterahan’ilay olona.Tsia
    Zanaka teraka talohan’ny rainyMbola alohan’ny taona nahaterahan’ny rainy ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Tsia
    Zanaka teraka talohan’ny reninyMbola alohan’ny taona nahaterahan’ny reniny ny taona nahaterahan’ilay zanaka.Tsia
    Zanaka natolotra tao am-piangonana talohan’ny rainyTalohan’ny taona nahaterahan’ny rainy ny daty nanolorana ilay zaza tao am-piangonana.Tsia
    Fanolorana ny zanaka tao am-piangonana talohan’ny reninyTalohan’ny taona nahaterahan’ny reniny ny taona nanolorana ilay zaza tao am-piangonana.Tsia
    Zanaka maty talohan’ny rainy Mbola alohan’ny taona nahaterahan’ny rainy ny taona nahafatesan’ilay zanaka. Tsia
    Zanaka maty talohan’ny reniny. Mbola alohan’ny taona nahaterahan’ny reniny ny taona nahafatesan’ilay zanaka. Tsia
    Tsy mifandray ny zanaka

    Manan-janaka ilay olona kanefa voatanisa ho “Tsy misy zanaka” ny zava-nisy momba azy.

    Manan-janaka ilay mpivady kanefa voatanisa ho “Tsy misy zanaka” ny zava-nisy momba azy.

    Tsia
    Natolotra tao am-piangonana talohan’ny nahafahan’ny rainy hanan-janakaNy daty nanolorana ity zaza ity tao am-piangonana dia lasa talohan’ny nahafeno 12 taona farafahakeliny ny rainy.Tsia
    Natolotra tao am-piangonana talohan’ny nahafahan’ny reniny hanan-janakaAlohan’ny nahafeno 12 taona farafahakeliny ny reniny ny taona nanolorana ilay zaza tao am-piangonana.Tsia
    Taona nahafatesana talohan’ny taona nahaterahanaMbola alohan’ny taona nahaterahany ny taona nahafatesan’ilay olona.Tsia
    Fahafatesana talohan’ny daty nanolorana azy tao am-piangonanaTalohan’ny taona nahaterahan’ny rainy ny daty nanolorana ilay zaza tao am-piangonana.
    Maty alohan’ny nahaterahan’ny vadinyMbola alohan’ny taona nahaterahan’ny vadiny ny taona nahafatesan’ilay olona.Tsia
    Taona nahafatesana lasa alohan’ny nanambadianaMbola alohan’ny taona nanambadiana ny taona nahafatesan’ilay olona.Tsia
    Maty aloha loatra tsy ahafahana manambady na hanan-janakaManana fampahalalana momba ny fanambadiana na zanaka ilay olona kanefa maty tamin’ny faha 8 taonany na talohan’izany izy.Eny
    Endri-tsoratra tsy metyMisy endrin-tsoratra tsy mety ny anarana fototra.Eny
    Endri-tsoratra tsy metyMisy endri-tsoratra miverimberina tsy mety ao amin’ny anarana fototra.Eny
    Takiana ny hoe lahy sa vavyFarito raha lahy na vavy ilay olona.Tsia
    Rohim-pirazanana miverimberinaManan-janaka izay voatanisa ihany koa ho reny na ray ilay olona. Tsia
    Zavatra tsy mifanaraka amin’ny fanambadianaManambady na niara-nipetraka taman’olona ilay olona kanefa voatanisa ho “Tsy nanambady mihitsy” ny zava-nisy momba azy.Tsia
    Nanambady talohan’ny faha-12 taonanyLatsaky ny 12 taona ny vadiny tamin’ny fotoana nanambadiany.Eny
    Tsy misy daty na toerana manaraka ny fenitraTsy manaraka ny fenitry ny lahatahiry ny daty na toerana nisian’ny tranga iray toy ny fahaterahana na fanambadiana na fahafatesana ka mampananosarotra ny fikarohana.Tsia
    Olona maherin’ny 120 taonaAntitra loatra ilay olona raha hoe mbola velona. Mihoatra ny 120 taona lasa ny daty nahaterahana.Tsia
    Mety misy zanaka verin-droaMitovy ny mombamomba ny zanany 2 na mihoatra: Mitovy ny anarana. Mitovy ny taona nahaterahana na banga. Mitovy ny taona nahafatesana na banga. Mitovy ny hoe velona sa maty.Eny
    Mety misy vady verin-droaMitovy ny mombamomba ny vady 2 na mihoatra: Mitovy ny anarana. Mitovy ny taona nahaterahana na banga. Mitovy ny taona nahafatesana na banga. Mitovy ny hoe velona sa maty.Tsia
    Olona miverimberina misehoMiseho amin’ny toerana mihoatra ny iray ilay olona ao amin’ny rohim-pirazanana fa tsy miverimberina.Eny
    Olana mahakasika zazaranoAhitana trangana zazarano ny firaketana momba ilay olona, kanefa ireo daty manan-danja dia mampiseho fa niaina nihoatra ny iray taona ilay olona.Tsia

    Lahatsoratra mifandray

    Ahoana no hanakambanako firaketana miverina indroa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana raha toa ka manana loharano miverina indroa izy ireo?
    Ahoana no fomba hamahako olana eo amin’ny lahatahiry momba ny “zazarano”?
    Ahoana no fomba angatahako fanavaozana ny lahatahirin’ireo toerana manaraka ny fenitra?
    Ahoana no hamahako rohim-pirazanana miverimberina ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

    moduleTitle