Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, dia inona ilay olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina hoe: “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana”?

Ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia mampiseho olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina antsoina hoe “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana” rehefa tsy mifanaraka amin’ny endriky ny fiteny voafantina ny endri-tsoratra ampiasaina hampidirana ny anaran’ny olona iray, na raha diso ny endri-tsoratrao amin’ny toerana hampidirana ny anarana, na betsaka ny endri-tsoratra ampiasaina ao amin’ny toerana hampidirana anarana.

Mba hamahana io olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina io dia ahitsio ny anaran’ilay olona. Rehefa manitsy ilay anarana ianao dia ataovy ireto fanovana ireto:

  1. Safidio ny endriky ny fiteny izay mifanaraka amin’ireo endri-tsoratra ampiasaina hampidirana ilay anarana. Hisy toerana hiseho ho an’ny endri-tsoratra tsirairay ampiasaina ao amin’ilay fiteny.
  2. Akisaho amin’ny toerany marina ny endri-tsoratra tsirairay. Ampiasao ny fanaovana “copier coller” amin’ny fitaovana hanaovana izany
  3. Alaivo antoka fa endri-tsoratra iray ihany no ao amin’ny toerana tsirairay.

Rehefa marina ny fampidirana ilay anarana dia hiala ireo hafatra fanairana. Rehefa tahirizinao ireo fanovana ataonao dia ho voavaha ilay olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina.
Tsy azo avela io olana amin’ny fahalalana noraketina io.

Lahatsoratra mifandray

Ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, ahoana no hamahako ilay olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina hoe: “Olana amin’ny Fiteny ho an’ny anarana”?
Ahoana no fomba hampidirako anarana avy amina fiteny hafa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Endriky ny fiteny ho an’ny anarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana
Ahoana no fomba hampidirako anarana sinoa ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?