Ahoana no fomba hampidirako anarana avy amina fiteny hafa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Rehefa mampiditra na manova anarana iray ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao, dia azonao ovaina ny fiteny ao amin’ny fikirakirana. Rehefa marina ilay fiteny, dia azonao ampidirina araka ny filaharany sy fomba fanoratana marina azy ilay anarana. 

Rehefa mampiditra litera tsy Romana ianao, dia avy hatrany dia hampiditra litera Romana amin’ny efitra hafa ny fitaovana. Ilay litera Romana dia manatsara ny fahamarinan’ny fikarohana amin’ny hoavy sy manampy amin’ny famantarana ireo firaketana miverin-droa. 

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, avy eo tsindrio ny hoe Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Avy eo tsindrio ny hoe Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
  2. Tadiavo ilay olona tianao hovana ny anarany.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  4. Tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  5. Eo an-kavanan’ny fizarana hoe Manan-danja dia tsindrio ilay Sary famantarana ny fanitsiana
  6. Jereo ny Lisitry ny Fianakaviana raha vao sambany ianao no hampiditra anarana. Tsindrio ny hoe Hampiditra Vady na Hampiditra Zanaka
  7. Tsindrio ilay tondro midina ao anatin’ilay efajoro endriky ny fiteny, eo ambonin’ny anarana. Hita ao anatin’io efajoro io ny anaran’ny fiteny iray na ny soratra hoe “Hafa.”
  8. Fidio ny fiteny tianao. 
  9. Ampidiro ny anarany. 
  10. Lazao hoe ahoana no nahafantaranao fa diso io anarana io.
  11. Tsindrio ny Hitahiry.

Dingana (application mobile)

  1. Jereo ny pejin’ilay olona ao amin’ny application Arbre généalogique, tsindrio ny vakizoro Antsipiriany.
  2. Tsindrio ny anarany, eo ambanin’ny hoe Manan-danja. Tsindrio avy eo ny Hanova.
    1. Raha vao sambany ianao no mampiditra anarana dia tsindrio ny vakizoro Vady na Ray sy reny. Tsindrio avy eo ny Hampiditra vadyHampiditra zanakaHampiditra iray tam-pona Hampiditra ray sy reny
  3. Tsindrio ilay fiteny na ilay hoe Hafa eo ambanin’ilay sehatra malomaloka. 
  4. Tsindrio ny fiteny tianao, dia tsindrio ny hoe Hanohy.
  5. Ampidiro ny anarany. 
  6. Lazao hoe ahoana no nahafantaranao fa marina io anarana io, ary tsindrio Hitahiry

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Tsindrio ny anaran’ilay olona eo amin’ilay hoe Manan-danja ao amin’ny pejin’ilay olona ao amin’ny Family Tree Lite.
  2. Tsindrio ny Sary famantarana Hanova
  3. Ho hitanao eo ambonin’ilay anarana ny fiteny voafantina na ny teny hoe Hafa. Tsindrio ilay izy, ary avy eo dia tsindrio izay fiteny tianao.  
  4. Ampidiro ny anarany. Lazao hoe ahoana no nahafantaranao fa diso io anarana io. 
  5. Tsindrio ny hoe Hitahiry

Lahatsoratra mifandray

Fanovana ny fiteny ho an’ny anarana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana
Ahoana no fomba hampidirako anarana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?