Ahoana no hampidirako anarana sinoa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Ny fampidirana anarana sinoa amin’ny tena fanoratra azy ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia manan-danja amin’ny fakana antoka fa ireo anarana dia naseho, sy voazaha, ary natao printy araka ny tokony ho izy.

Ampiasao ireto toro-hevitra manaraka ireto mba hampidirana anarana sinoa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Eo amin’ny faritra Manan-danja na ny fijerena ny razambe voalohany, ampidiro ny anarana voalohany na ny anarana tiana haseho

Azonao atao ny mampiditra anarana ao amin’ny pejin’ilay olona na avy amin’ny rohim-pianakavian’ilay razambe voalohany.

  • Eo amin’ny pejin’ilay olona, mandehana eo amin’ny Manan-danja. Eo akaikin’ilay anarana dia tsindrio ny sary famantarana hoe Hanova . Tsindrio indray ny Hanova avy eo dia ataovy ireo fanovana ary tsindrio ny Hitahiry.
  • Eo amin’ny fijerena ny Razambe voalohany, jereo ny anarana an’ilay olona. Hisy safidy misy ny antsipiriany hipoitra eo an-kavanana. Eo ambanin’ny faritra misy ireo Zava-misy, tsindrio ny Hampiditra zava-misy. Tsindrio ny Anarana hafa, Anaram-pirazanana, na Anaram-poko.

Rehefa mampiditra anaran’olona iray ianao eo amin’ny faritra Hanzi, dia ampidiro ny anaram-pianakaviana sy ny anarana fiantsoana izay nomena tamin’ny fahaterahana. Ho an’ny vehivavy dia ampidiro ny anarana talohan’ny nanambadiana.

Fampiasana ny endri-tsoratra sinoa

Ny endri-tsoratra sinoa dia manana faritra anankiroa. Ny faritra iray dia ho an’ny anaran’ny fianakaviana sy ny anarana fiantsoana. Ny faritra iray misaraka aminy dia ho an’ny Hanzi na Romana.

Ireo endri-tsoratra araka ny fiteny ireo dia hita ao amin’ny lisitra midina eo ambanin’ny faritra misy ny Anarana. Ovao amin’izay mipoitra amin’ny teny sinoa izany.

Family Tree—Chinese Name Template

Soraty ny tarehin-tsoratra sinoa ho an’ilay anaran’ny fianakaviana na anarana fiantsoana. Ampidirin’ny rafitra ho azy ny fanoratana amin’ny Mandarina pinyin an’ilay anarana eo amin’ny faritra ho an’ny Romana. Raha mila fomba fanoratana hafa ianao dia azonao soloina amin’ny tsipelina tianao ilay fomba fanoratana Mandarina.

Soraty eo amin’ny Fampahalalana hafa ireo anarana hafa.

Misy tombontsoa maro avy amin’ny firaketana ireo dikan-teny rehetra misy ho an’ny anaran’olona iray:

  • Mitahiry ireo zava-misy manan-danja mikasika ny fiainan’ilay olona ianao.
  • Ho mora kokoa ny mikaroka an’ilay olona ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Ny rafitra dia ahitana anarana hafa ao amin’ny ny fikarohana.
  • Afaka mahita sy mamantatra olona iray ao amin’ireo firaketana ara-tantara ireo mpikaroka, na dia rehefa hoe endriny hafa amin’ilay anaran’ilay olona aza no ampiasain’ireo firaketana. 

Karazany amin’ny anarana hafa

Raha mampiasa ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana amin’ny fiteny anglisy ianao dia azo ampiasaina ireto anarana hafa 4 ireto:

  • Izay fantatra ihany koa amin’ny hoe. Anisan’ny ohatra amin’izany ny anarana hafa nampiasain’ilay olona, toy ny fiovan’anarana noho ny fifindrana any amin’ny firenena vaovao.
  • Anarana nomena tamin’ny fahaterahana. Ampiasao ity safidy ity mba hiraketana ny anarana nampiasain’ny olona iray talohan’ny nananganana azy ho amina firazanana iray hafa.
  • Anaram-panambadiana. Ampiasao ity safidy ity mba hiraketana ny anarana nampiasain’ny olona iray taorian’ny nanambadiana raha toa ka nitondra anarana iray hafa ilay olona.
  • Anaram-bositra. Ampiasao ity safidy ity mba hiraketana ny anaram-bositra nampiasain’ny ray aman-drenin’ilay olona na fianakaviana akaiky amin’ilay olona.

Raha ny endri-tsoratra ho an’ny fiteny sinoa no nosafidinao dia manana ireto safidy manaraka ireto ihany koa ianao:

  • Anaram-boninahitra (字). Ampiasao ity safidy ity mba hiraketana ny anarana nomena an’ilay olona rehefa ampy taona izy. Nomen’ny ray aman-drenin’ilay olona na mpampianatra manokana tamin’ny andro voalohany nianarana ilay anaram-boninahitra. Aorian’ny fanambadiana dia misy ireo vehivavy sasany izay mampiasa anaram-boninahitra fa tsy ny anarany. Raha vao nomena dia misolo ny anarany ny anaram-boninahitra. 
  • Anarana ampiasaina amin’ny maha-mpanakanto (號). Ampiasao ity safidy ity hiraketana ny anarana ampiasaina arak’asa, na ny solonanarana, na ny anarana amin’ny maha mpanoratra. Ireo anarana ireo dia nampiasain’ireo avara-pianarana, mpanakanto, poeta, ary mpanoratra. 
  • Anarana fady (諱). Ampiasao ity safidy ity mba hiraketana ny Anarana fadin’ilay olona. Ao amin’ny kolontsaina sinoa ny anarana fady dia ampiasaina ho solon’ny anarana rehefa miresaka na manoratra momba ny olona nasandratra. 
  • Anarana fiantsoana taorian’ny fahafahatesana (諡). Izy io dia anaram-boninahitra tany aloha tany nomena ny mpanjaka sy ny andriana. Tao anatin’ireo taonjato farany dia nomena anarana fiantsoana aorian’ny fahafahatesana ihany koa ny olon-tsotra. Ny anarana fiantsoana taorian’ny fahafahatesana no saika ampiasaina ho solon’ireo anarana hafa na anarana fiantso ôfisialy izay nampiasaina tamin’ny fahavelon’ilay olona. 

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no fomba hampidirako anaram-bositra ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba tokony hampidirako anarana ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampidirako anarana avy amina fiteny hafa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampidirako daty nalaina avy tao amina lahatsoratra nentim-paharazana sinoa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Ahoana no fomba hampidirako anarana sinoa ao amin’ny hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Nanampy anao ve ity?