Ny FamilySearch dia manolotra fomba maro mba hahafahana milaza zavatra avy ao amin’ny jiapu Sinoa ho loharano iray nakana fampahalalana ao amin’ny Rafi-tetiarana.
Rehefa mampiditra ny tetiarana Sinoa anao ao amin’ny Rafi-tetiarana ianao, dia amporisihanay ianao mba hanapaingotra ihany koa ny jiapu ho toy ny loharano nakanao fampahalalana. Ny fanaovana izany dia mampitombo lanja ny fampahalalana izay ampidirinao ho an’ireo taranaka ho avy.
Ao amin’ny FamilySearch ny jiapu anao
Raha toa ny jiapu anao ka nalaina ho amin’ny endriny sary ary navoaka ao amin’ireo sary ara-tantaran’ny FamilySearch, dia ampifandraiso amin’ireo razambenao ao amin’ny Rafi-tetiarana ireo sary.
Ny jiapu anao dia tsy ao amin’ny FamilySearch
Raha toa ny jiapu anao ka tsy ao amin’ny FamilySearch dia mbola azonao atao ny mampiditra izany ho loharano nakanao fampahalalana.
- Mamoròna filazana teny nampiasaina natao tanana.
- Mampidira tahadika natao sary an’ilay jiapu mba hatao ho sary tahirizina, avy eo dia paingory ho toy ny loharano nakana fampahalalana izany.
Lahatsoratra mifandray
Inona avy ireo tombontsoa azo avy amin’ny fampidirana loharano ao amin’ny Rafi-tetiarana?