Ahoana no hanampiako loharano avy any ivelany ao amin' ny Rafi-tetiarana?

Indraindray dia mety hahita loharano izay tsy misy ao amin' ny FamilySearch ianao. Hitanao tany amin' ny tranonkala hafa ilay izy, na manana taratasy na kopia nomerika ianao. Azonao soratana ilay fampahalalana, mba hampidirana ireo loharano ireo ao amin'ny Rafi-tetiarana. Rehefa soratanao ilay loharano, dia azonao atao ny mampiditra ny rohy mankany amin' ilay pejy na manapaingotra kopia nomerika an' ilay izy.

Ny tombony hafa avy amin' ny kopia nomerika:

  • Voatahiry ho an' ny taranaka any aoriana ny loharano.
  • Mahatsapa ho mifandray kokoa amin' ny razambeny ny olona rehefa mahita ny kopia nomerika.
  • Afaka manome famantarana ho an' ireo mpikaroka hafa ny kopia nomerika.

Ity ny sary amantaranao avy ao amin' ny loharanonao na ao amin' ny Rafi-tetiarana hoe avy any ivelany ireo loharano:

Icon of the planet Earth

Alohan' ny hanombohanao

Adikao ny URL raha ao amin' ny internet ilay loharano. Raha manana kopia an-taratasy ianao, dia avadiho ho endrika nomerika ao amin' ny ordinateranao izy ireo.

  • Manaiky ny rakitra .jpg, .png, .tif, .bmp, ary .pdf izahay. (Mampiasa .pdf raha maromaro ny pejin' ilay tahirin-kevitra.)
  • Hatramin' ny 15 Mo no farany mavesatra.

         Azonao ampidirina ho loharano ho an' ny olona efa maty ny fahatsiarovana. Tsy afaka mampiditra fahatsiarovana ho loharano ho an' ny olona mbola velona ianao. Azonao atao kosa anefa ny mampiasa ny application Family Tree, mba hanapaingorana sary avy ao amin'ny telefaoninao ho loharano. 

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin' ny FamilySearch.
  2. Midira ao amin' ny pejin' ilay olona tianao hasiana loharano avy any ivelany.  
  3. Tsindrio ilay efitra hoe Loharano
  4. Tsindrio ny hoe Hanampy Loharano.
  5. Tsindrio ny hoe Hanampy Loharano Vaovao.
  6. Ampidiro ny fampahalalana momba an'ilay loharano.
    1. Mampidira datin' ny zava-nitranga. Hanampy anao handahatra an' ireo loharano arakaraka ny fotoana ny fametahana daty.
    2. Mampidira lohateny ho an' ilay loharano.
    3. Eo amin' ilay hoe Pejy Web, dia tsindrio ny hoe Web Page URL mba hampidirana ny loharano avy amin' ny tranonkala iray. Ampidiro ny adiresy URL an' ilay loharano. Tsindrio ny hoe Hanampy Fahatsiarovana raha te hampakatra fahatsiarovana na hifidy zavatra avy ao amin' ny Sary ianao. Eo ambany ny mombamomba ny Fampiakarana Fahatsiarovana sy Fisafidianana avy ao amin' ny Galeria.
    4. Hazavao hoe taiza no nahitanao an' ilay firaketana.
    5. Lazalazao ny mombamomba an' ilay firaketana. Afaka mampiditra fitanana an-tsoratra momba an' ilay loharano na fanazavana momba ny fahatsiarovana iray ianao.
    6. Ampidiro ny antony anapaingoranao an' ilay loharano.
    7. Tsindrio ilay efajoro eo amin' ny zava-nitranga tsirairay hita ao anatin' ilay tahirin-kevitra.
    8. Avelao ho voamarina foana ilay efajoro raha tianao ho hita ao anatin' ny efajoro Loharano ao aminao ilay loharano. Raha tsy izany, dia tsindrio ilay efajoro mba hanesorana ny fanamarinana.
    9. Tsindrio ny hoe Hitahiry.

Hampakatra Fahatsiarovana

  1. Eo amin' ilay dingana 6c eo ambony, dia tsindrio ny hoe Hampakatra Fahatsiarovana.
  2. Tadiavo ilay zavatra voatahiry ao amin' ny ordinateranao ary tsindrio indroa.
  3. Lasa loharano ho an' ny razambenao ilay zavatra nampiakarina. Hampidirin' ny programa ao amin' ny Fijerena Fahatsiarovana ao amin' ny FamilySearch koa ilay izy.
  4. Tohizo eo amin' ny dingana 6d eo ambony.

Hisafidy avy ao amin' ny Galeria

  1. Eo amin' ny dingana 6c eo ambony, dia tsindrio ny hoe Hisafidy avy ao amin' ny Galeria.
  2. Hisokatra ny Fijerena Fahatsiarovana.
  3. Tsindrio ilay zavatra tianao hampidirina ho loharano.
  4. Tsindrio ny hoe Hanapaingotra.
  5. Tohizo eo amin' ny dingana 6d eo ambony.

Dingana (application mobile)

  1. Midira ao amin' ny pejin' ilay olona tianao hanapaingorana loharano ao amin' ny application Family Tree.
  2. Kitiho ilay fizarana hoe Loharano.
  3. Tsindrio ilay marika fanampiana eo ambany ankavanan' ny efijery.
  4. Kitiho ilay hoe Hanampy Loharano miaraka amin' ny Pejy Web na Hanampy Loharano miaraka amin' ny Sary. Araho ireo dingana mifanaraka aminy avy eo.

Hanampy loharano miaraka amin' ny pejy web

  1. Ampidiro ny Lohatenin' ilay Loharano.
  2. Mampidira daty (tsy voatery).
  3. Ampidiro ny adiresy URL an' ilay loharano avy any ivelany.
  4. Mampidira teny manazava hoe taiza no nahitanao an' ilay loharano.
  5. Asio Fanamarihana.
  6. Ampidiro ny antony anapaingoranao an' ilay loharano.
  7. Kitiho ny hoe Hitahiry.

Hanampy loharano miaraka amin' ny sary

  1. Kitiho ny hoe Hampiditra Sary raha iOS ny fitaovanao. Kitiho ny hoe Hanampy Loharano Saryraha Android ny fitaovanao.
  2. Kitiho ny iray amin' ireo fomba azo atao.
    1. Fakan-tsary na Haka Sary: Hampiasa ny fitaovanao mba hakana sary nomerika.
    2. Sariko, Rakitra ao amin' ny Fitaovako, na Rakitra: Raha hampiasa sary ao anatin' ny fitaovanao.
    3. Galeriako ao amin' ny FamilySearch na Galeria FamilySearch: Raha hifidy sary avy ao amin' ny galerianao mba hatao loharano.
  3. Kitiho raha hifidy zavatra avy eo amin' ny dingana 2. Rehefa avy nisafidy ianao, dia kitiho ny hoe Hitahiry na Hampakatra.
  4. Mampidira Lohatenin' ilay Loharano.
  5. Mampidira Datin' ny Zava-nitranga.
  6. Mampidira Teny manazava hoe taiza no nahitanao an' ilay loharano.
  7. Mampidira Fanamarihana. Raha tahirin-kevitra ilay izy, dia mety ho teny notsongaina na fitanana an-tsoratra momba an' ilay firaketana no atao eo amin' ny fanamarihana.
  8. Ampidiro ny antony anapaingoranao an' ilay loharano.
  9. Kitiho ny hoe Hitahiry.

Dingana (Family Tree Lite)

Mbola tsy misy an' ilay hoe Loharano ny Family Tree Lite. Raha te handamina loharano, dia midira ao amin' ny tranonkala feno.

Vokany

Raha nampiditra URL ianao, dia hohamarinin' ny FamilySearch izany mba hahitana raha mifanaraka amin' ny Rafi-tetiarana ilay izy. Raha ekena ho azo ampiasaina ao amin' ny Rafi-tetiarana ilay izy, dia azonao tahirizina ilay loharano ary manohy ianao.

Raha mbola tsy nekena hampiasaina ao amin' ny Rafi-tetiarana kosa ilay tranonkala, dia hamporisika anao ny fitaovana mba handefa an' ilay URL hohamarinina. Hahazo email ianao rehefa avy nohamarinina ilay izy. Afaka miverina ao amin' ny Rafi-tetiarana ianao aorian' izay ary mampiditra indray an' ilay URL. Mety hitranga izany raha tsy voaramaso ny fanazavana ao amin' ilay tranonkala.

Raha tranonkala heverin' ny FamilySearch ho tsy mifanaraka no ampidirinao, dia tsy afaka mitahiry an' ilay loharano ianao.  

Lahatsoratra mifandray

Inona no soa azo raha ampidirina ao amin' ny Rafi-tetiarana ny loharano?
Ahoana no hampakarako fahatsiarovana ao amin' ny FamilySearch?

Nanampy anao ve ity?