Afaka mampiditra sary na rakitahiry misy raki-peo, na antontan-taratasy ao amin’ny Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch ianao, na izany alefa mitokana na miaraka maromaro.
Alohan’ny hanombohanao
Vakio tsara ny Fifanarahana momba ny fandefasana.
Fetran’ny haben’ny endrika sy ny rakitahiry
- Antontan-taratasy: rakitahiry amin’ny endrika pdf hatramin’ny 15 MB. Hanova endrika antontan-taratasy hafa toy ny rakitahiry .doc sy .docx ho .pdf alohan’ny hampidiranao izany.
- Sary rakitahiry amin’ny endrika .jpg, .png, .tif, ary .bmp hatramin’ny 15 MB.
- Feo, .mp3, m4a, ary .wav hatramin’ny 15 MB
Fantaro fa
- ny .pdf no hany karazana rakitahiry zaka izay afaka mirakitra pejy maro.
- Hanova fahatsiarovana iray, toy ny fanapahana sary, alohan’ny hampidirana izany. Rehefa avy mampiditra zavatra iray ianao dia tsy afaka manova izany.
Dingana avy ao amin’ny Fahatsiarovana (tranonkala)
- Midira ao amin’ny FamilySearch.org
- Tsindrio ny Fahatsiarovana ao amin’ny saha misy ny safidy eny an-tampon’ny efijery.
- Tsindrio ny Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovana.
- Tsindrio ilay marika miabo (+) ao anatina faribolana.
- Mitariha ary mandatsaha votoatin-javatra avy ao amin’ny solosainao ho amin’ilay efijery, na tsindrio ny Hisafidy raki-tahiry
- Hanisy tenifototra ny sary tsirairay. (Jereo ireo lahatsoratra mifandray etsy ambany mba hahazoana fanampiana fanampiny.)
Dingana avy ao amin’ny pejin’ny Olona (tranonkala)
- Midira ao amin’ny FamilySearch.org
- Safidio ao amin’ny faritra misy ny safidy ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
- Safidio ny Hazon’ny tetiarana.
- Misafidiana olona iray, ary avy eo dia safido nyOlona hahitana ny pejy misy ilay olona.
- Tsindrio ilay kisary famantarana hoe Fahatsiarovana
- Tsindrio ny Hampiditra fahatsiarovana.
- Tsindrio ny karazana fahatsiarovana iray:
- Feo: Raketo ny feonao hitantarana tantara iray. Afaka mirakitra feo hatramin’ny 5 minitra ianao ho an’ny fahatsiarovana tsirairay amin’ny horonam-peo. Tsindrio ny bokotra firaketana raha hirakitra zavatra. Rehefa vitanao izany dia tsindrio ny Vita. Avy eo dia tsindrio ny Hitahiry.
- Tantara: Mampidira sary hatramin’ny 10 avy ao amin’ny Fitaovanao na avy ao amin’ny Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovanao. Asio lohateny dia ampidiro ilay tantara. Voarindra avy hatrany ho hitan’ny besinimaro ireo tantara. Mba hanaovana ny tantara iray ho an’ny tena manokana, dia tsindrio ny Tsy hitan’ny besinimaro Tsindrio ny Hitahiry
- Rakitahiry: Hampiditra rakitahiry. Tsindrio raha hampiditra zavatra avy ao amin’ny Fitaovanao, ny Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovanao, na ny Sary ao amin’ny Google.
Dingana arahina hampidirana rakitahiry na sary maromaro
Raha hisafidy ireo rakitahiry misesy:
- Karohy ary tsindrio ilay sary zavatra voalohany.
- Tsindrio ilay bokotra Shift eo amin’ny kitendrin’ny solosainao.
- Tsindrio ny bokotra Shift dia tsindrio ny zavatra farany tianao ampidirina.
- Mahita lisitry ny zavatra mipaingotra voasongadina sy vonona ny ho ampidirina ianao. Araho ny torolalana eo amin’ny efijery dia ampidiro ireo sary.
Raha hisafidy rakitahiry tsy misesy:
- Raha hifantina sary tsy mifanarakaraka avy ao amin’ny lahatahiry, dia karohy ary tsindrio ilay sary voalohany.
- Tsindrio ary hazony ilay bokotra Control (Ctrl).
- Rehefa voatsindry ny bokotra Control, dia tsindrio ny zavatra rehetra tianao ampidirina. Avy eo dia araho ireo torolalana eo amin’ny efijery mba hampidirana izany.
Dingana (application ao amin’ny finday)
- Tsindrio ilay famantarana miampy (+)ao amin’ilay faribolana.
- Tsindrio ny Hampiditra tahirim-pahalalana na Hampiditra sary.
- Tsindrio ny safidy izay tianao hampiasaina:
- Android: Camera na File (Raki-tahiry)
- Apple iOS: Take Photo (Haka sary),Camera Roll, na My Files (ireo raki-tahiriko)
Mifantena raki-tahiry avy ao amin’ny fitaovana elektrônikanao, ary avy eo dia tsindrio ny Upload (Aondrana). Na ampiasao ilay rafitra momba ny fakan-tsary mba hakanao ny votoatin-javatra. Ovao ny sary, ary tsindrio ny Hitahiry.
Dingana (Application Arbre familial ho an’ny finday)
- Tsindrio mba hanokafana ny antsipirian-javatra ao aminny pejin’ny olona iray.
- Tsindrio ny Fahatsiarovana.
- Tsindrio ilay famantarana ny marika miabo (+).
- Tsindrio ny Hampiditra antontan-taratasy na Hampiditra sary.
- Tsindrio ny safidy anankiray:
- Androïd: Fakan-tsary, Rakitahiry, na Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch
- Apple iOS: Haka sary, Pellicule, Ireo rakitahiriko, na ny Toeram-pampisehoana ireo fahatsiarovako ao amin’ny FamilySearch.
Mifantena raki-tahiry avy ao amin’ny fitaovana elektrônikanao, na avy ao amin’ny Toeram-pampisehoana sary ary avy eo dia tsindrio ny Hampiditra. Na ampiasao ilay rafitra momba ny fakan-tsary mba hakanao ny votoatin-javatra. Ovao ny sary, ary tsindrio ny Hitahiry.
Family Tree Lite
Amin’izao fotoana izao, ny Family Tree Lite dia tsy ahitana ny rafitra fahatsiarovana.
Rehefa vitanao
Raha toa ka mivadika (toy ny hoe lasa ratsy) ireo loko ao amin’ny FamilySearch dia esory azafady ilay sary. Ovao amin’ny endrika rakitahiry hafa izany dia ampidiro indray.
Asio tenifototra ny sary sy antontan-taratasy tsirairay avy mba hifandraisany amin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Asio lohateny,datin’ny trangam-piainana, toeran’ny trangam-piainana ary fanoritsoritana mba ho mora hita ny fahatsiarovanao.
Miseho arakaraka ny filaharana nampidirana azy ireo ny fahatsiarovan’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana. Tsy afaka hanova izany lamina izany ianao.
Lahatsoratra mifandray
Ahoana no ahafahako manampy na manova ny lohatenin’ny sary, tantara, antontan-taratasy, na raki-peo iray?
Nahoana no mbola tsy voaondrana ny sariko na ny antontan-taratasiko?
Ahoana no fomba hametrahako tenifototra amin’ny fahatsiarovana ny razambeko na ny havako ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Inona ireo fitsipika mihatra amin’ny fanondranana fahatsiarovana ho ao amin’ny FamilySearch.org?