Inona no soa azo raha ampidirina ao amin' ny Rafi-tetiarana ny loharano?

Ny loharano dia zavatra ara-tantara. Azo ampidirina amin' izany, ohatra, ny sary, karinè, Baiboly, tahirin-kevitra, na zavatra hafa ahitana porofo momba ny tantaram-pianakavianao. Tena ilaina amin' ny fanamboarana ny tetiarana sy amin' ny fikarohana ny fampidirana loharano. Afaka manampy loharano amin' ny olona iray, mpivady, na ray aman-dreny ianao ao amin' ny Rafi-tetiarana.

Be dia be ny tombony azo avy amin' ny loharano:

  • Manamora ny fiaraha-miasan' ny hafa ao amin' ny Rafi-tetiarana. Mandamina na misoroka adihevitra.
  • Manatsara an' ilay tetiarana. Ny fampahalalana momba ny razambenao ao anatina firaketana iray dia manampy anao hahafantatra fa olona tena nisy tokoa izy ary misy ifandraisany tokoa ianareo.
  • Mampiseho fa marina ny fampahalalana ao amin' ilay tetiarana.
  • Manampy anao handinika momba ny fampahalalana iray tsy mitovy. Raha manana daty nahaterahana 2 samihafa, ohatra, ny olona iray, dia jereo ny loharano fa hanampy anao hamantatra an' izay ahitana ny fampahalalana marina. 
  • Ahitana ny asa vitan' ny hafa. 

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hataoko raha te hanisy teny famantarana ny firaketana iray ao amin' ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hamoronako loharano ao amin' ny Rafi-tetiarana?

moduleTitle