Zavatra dimy izay tokony handraman’ny olona vaovao rehetra mpampiasa FamilySearch

boy-and-dad-on-familysearch

Manana fomba maro ianao ao amin’ny FamilySearch.org mba hiainana ilay zavatra mampientanentana avy amin’ny tantaram-pianakaviana. Ankehitriny, manana kaonty ianao ka fotoana izao hanombohana ny fitrandrahana ny sasantsasany amin’ireo zavatra mahatalanjona azonao atao.   

Ireto misy asa atao izay tsy hanenenana ny fanandramana azy.

1. Atombohy ny Hazon-tetiaranao

Misy fomba fiteny iray manao hoe, mifandray avokoa isika rehetra raha toa ka miverina lavitra mijery ny tantara. Afaka mijery ny fomba ahafahana manao izany ianao amin’ny alalan’ny Hazon-tetiarana ao amin’ny FamilySearch.

Atombohy amin’ny alalan’ny fampidirana ny anaranao eo amin’ny hazon-tetiarana izany, ary ny anaran’ny ray aman-dreninao aorian’izay. Ampidiro ny fampahalalana momba ny raibenao sy ny renibenao ary ny momba ny raibeny sy ny renibeny koa aza raha anananao izany. Ny tanjona dia ny hampifandray ny rohim-pianakavianao amin’ny an’ny olona hafa.

Rehefa manorina io fifandraisana io ianao dia hampiditra anao ho azy ao amin’ny hazon-tetiarana lehibe indrindra iombonana eto amin’izao tontolo izao ny FamilySearch. Hanana fahafahana hahita ireo anaran’izay razambenao sy ireo antsipirian-javatra momba azy ireo izay zarainao ianao. 

Amin’izay fomba izay dia manampy anao hahita ny tantaram-pianakavianao ilay Hazon-tetiaram-pianakaviana. Ary rehefa mampiditra fampahalalana momba ny tenanao sy ny fianakavianao ianao dia mety afaka manampy ny hafa hahita ny tantaram--pianakavian’izy ireo koa. Iza no mahalala?

2. Tadiavo ireo zavatra mahafinaritra momba anao ao anatin’ireo fikarohana atao

Ampahany mandrafitra ny tantaram-pianakaviana ny famantarana ny momba ny tenanao, ny fahitana ny fomba fifandraisanao amin’ny tontolo manodidina anao sy ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary ireo olona efa niaina talohanao.

Ireo asa atao mikasika ny fanaovana fikarohana an-jotra ao amin’ny FamilySearch dia mampivelatra ny fifandraisanao amin’ny lasa. Inona no ho tsapanao rehefa mahatsikaritra ny fitsikinao eo amin’ny endriky ny razambe iray efa maty efa ela ianao, na mamaky ny soratra eo amin’ny vatom-pasan’ny ray na renin’ny iray amin’ny raibenao na ny renibenao?

Amin’ny alalan’ny fanindrina indray mandeha amin’ny totozy fotsiny, ireo toeram-pampisehoanay ireo asa atao mikasika ny fikarohana dia afaka manolotra anao ireo zavatra iainana ireo sy ireo zavatra iainana hafa, toy ny Ampidiro ao amin’ny My Heritage ny sariko na Ny mombamomba ahy rehetra. Tena mahafinaritra izy ireo rehefa manasa olona hafa ianao, toy ny namana akaiky na olona iray ao amin’ny fianakaviana, mba hiaraka hankafy izany aminao.  

3. Karohy ireo firaketana izay antsika

Miaina ny tantaram-pianakaviana rehefa misy antsipiriany, ary izay no antony hanirianao hanokana fotoana hikarohana amboaranaraki-tantara hanovozana fampahalalana momba ny fianakavianao sy ny razambenao.

Taratasy fanamarinana ny fahaterahana, taratasy fanamarinana ny fanambadiana, filazana manjo, tatitra momba ny fanisam-bahoaka, karatra fiantsoana ho miaramila. Ireo rehetra ireo dia singa manan-tantara momba ny fianakaviana. Porofo azo tsapain-tanana maneho ny fiainan’ireo razambenao sy ny fiainan’ireo olona hafa nifanerasera tamin’izy ireo izany.

Ireo firaketana koa matetika dia manolotra fampahalalana mikasika ireo zavatra niainan’ireo razambenao isan’andro. Mety ho afaka ny hahita ny asa aman-draharahan’ny razambe iray ianao amin’ny alalan’ny raki-tantara marina, sy hahita ny toerana nipetrahana ary hahafantatra ny halavan’ilay olona sy ny lanjany ary ny lokon’ny masony marina.

Rehefa mahita raki-tantara izay milaza olona misy fihavanana aminao ianao, dia ataovy izay hanapaingorana izany eo amin’ny raki-pamantarany ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana mba hankafizin’ny olona hafa.

4. Raketo na ampidiro ny fahatsiarovana iray momba ny fianakaviana

Ampahany iray mandrafitra ny tantaram-pianakaviana ny famoronana ny tantaranao manokana, anisan’izany ireo sary, tantara, ary raki-peo mihitsy aza, mba ho ankafizin’ireo taranaka any aoriana. Antsoinay hoe “Fahatsiarovana” ireo zavatra ireo ao amin’ny FamilySearch, ary te hanampy anao izahay mba hitahiry azy ireo.

raibe iray maka sary miaraka amin’ny zafikeliny.

Ny application Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch sy ny vakizoro hoe Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch.org dia samy natokana mba hanampiana anao hamorona, hampiditra, hijery ary hitahiry ireo fahatsiarovana ireo. Raha vao voatahiry izy ireo dia mandeha mankany amin’ilay toeram-pampisehoana “Fahatsiarovana” iny ihany mba hahafahanao mijery azy ireo na aiza na aiza.

Ankehitriny efa manana kaonty ianao, koa manandrama mandefa ny sarinao na ny sarin’ny olona akaikin’ny fonao. Tsindrio ity rohy eto ambany ity mba hahafantaranao ny fomba fanaovana izany.

5. Manampia ny hafa

Farany amin’ny alalan’ny kaontinao FamilySearch efa voalamina, dia afaka manolotra ny fotoananao sy ny fahalalanao amin’ny alalan’ny fanaovana firaketana fampahalalana avy ao amin’ireo raki-tantara ianao.

Rehefa manao firaketana fampahalalana avy ao amin’ny raki-tantara iray ianao, dia mijery ny sary amin’ny endrika nomerika an’ilay taratasy iray tena izy, ohatra hoe taratasy iray fanamarinana ny fanambadiana, ary mampiditra ny fampahalalana ao anatin’izany ao amin’ny rafitray. Rehefa manao firaketana fampahalalana avy ao amin’ireo firaketana ianao dia lasa azo karohina ao amin’ny amboaram-piraketana an’ny FamilySearch ireo taratasy sy ny fampahalalana ao anatiny. Afaka mahazo tombontsoa sy mahita fampahalalana momba ny fianakaviany ireo mpampiasa hafa amin’ny alalan’io loharanom-panampiana io.

Ny fanaovana firaketana fampahalalana avy ao amin’ireo firaketana dia fomba iray tena tsara mba hanampiana ny olona hafa hanao fikarohana manan-danja mikasika ny tantaram-pianakaviana. Tsindrio ilay rohy etsy ambany mba hanandramana ny fanaovana firaketana fampahalalana. Tena hitondra fiovana tsara eo amin’ny hafa ianao.  

Nataon’i   Sunny Jane Morton
February 27, 2024
Ny tranonkalan’ny FamilySearch izay azo hidirana maimaim-poana no ahitana ny rafi-tetiarana an-jotra lehibe indrindra maneran-tany. Ity rafi…

Momba ilay namorona