Tena dingana hahazoana fahasitranana ny fizarana fahatsiarovana mikasika ireo olona akaikin’ny fonao izay efa nodimandry. Mankahery ny mamoaka ny hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch izay anao, sy manindry eo amin’ny vakizoron’ny anarana sy ireo fahatsiarovana an’ny olona akaikin’ny fonao, ary mahita ireo fahatsiarovana tena ankamamianao mipoitra. Mahafinaritra koa rehefa ny tenanao manokana no mampiditra ireo fahatsiarovana ireo sy mahita ny fomba nampidiranao zavatra tao amin’ny hazon-tetiarana sy nizaranao ny fitiavanao.
Misy fomba maro hizarana fahatsiarovana an’ireo olona akaikin’ny fo ao amin’ny FamilySearch. Afaka mirakitra am-bava ireo fahatsiarovanao ianao, na manoratra ireo fahatsiarovanao ary mampiditra izany ao amin’ny FamilySearch, na mampiditra filazana manjo, na manampy sary. Afaka mampiditra fandaharam-potoan’ny fandevenana aza ianao na izay mety ho fahatsiarovana anananao momba ilay olona akaikin’ny fonao, toy ny mari-pankasitrahana, na fomba fahandroan-tsakafo manokana mihitsy aza.
Rehefa mampiditra izay mety ho karazany avy amin’ireo fahatsiarovana ireo ianao, dia manana safidy ny hanaovana izay hahitan’ny olona rehetra izany ianao, na azonao atao ho ianao ihany no afaka mahita izany.

Hizara fampianarana fohy izahay etsy ambany mikasika ny fomba hanaovana ireo safidy atolotra samihafa rehetra ireo.
Hanomboka
Manana karazana tahirim-pahatsiarovana samihafa ny FamilySearch izay azo ampidirina ao amin’ny Fahatsiarovana. Tafiditra ao anatin’izany ny sary, ny raki-peo na ireo tahirim-pahalalana. Afaka mampiditra ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny Toeram-pampisehoana fahatsiarovana ao amin’ny tranonkalan’ny FamilySearch ianao, na mivantana avy amin’ny hazon-tetiaram-pianakavianao, na amin’ny alalan’ny fampiasana ny application Fahatsiarovana ho an’ny fitaovana finday. Homena eto ireo torolalana ho an’izy telo ireo.
Fanamarihana: Mialoha ny hanombohana ny fandefasana zavatra iray, dia zava-dehibe ny mamaky ny fifanarahana mikasika ny fandefasan-javatra. Milaza aminao mikasika ny hahafahana mampiseho ireo zavatra alefanao izany sy mikasika ny fampahalalana manan-danja hafa.
Mampiditra fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fampiasana ny Toeram-pampisehoana fahatsiarovana izay anao ao amin’ny FamilySearch:
- Mandehana eny amin’ny lohan’ny pejy ao amin’ny FamilySearch.org, ary tsindrio ny Fahatsiarovana. Avy eo dia safidio avy eo amin’ilay saha mipoitra midina ny hoe Toeram-pampisehoana fahatsiarovana.
- Midira, na mamoròna kaonty FamilySearch (maimaim-poana izany!).
- Raha vao tafiditra ao amin’ny Toeram-pampisehoana fahatsiarovana izay anao ianao, dia tsindrio ilay famantarana miabo (+) ao amin’ilay faribolana.
- Mitariha ary mandatsaha votoatin-javatra avy ao amin’ny solosainao ho ao amin’ilay efijery, na mba hisafidianana tahirim-pahatsiarovana iray ao amin’ny solosainao dia tsindrio ny Hisafidy tahirim-pahatsiarovana.

Mampiditra fahatsiarovana avy ao amin’ny pejin’ny olona akaikin’ny fonao ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana:
- Midira ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch.org, ary tadiavo ao amin’ny endrika isehoan’ny fijerena ny hazon-tetiaranao ilay olona ao amin’ny fianakavianao. (Raha mbola tsy nampidirinao ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakavianao izy, dia mora kely izany!)
- Tsindrio eo amin’ny anaran’ilay olona akaikin’ny fonao, ary avy eo dia tsindrio indray, avy ao amin’ilay fampahalalana mipoitra tampoka, ilay anarana mba hisehoan’ilay pejy iray manontolo.
- Mba hampidirana ireo fahatsiarovanao dia tsindrio eo amin’ny vakizoro hoe Fahatsiarovana.
- Tsindrio na ny Handefa sary na ny Handefa raki-pampahalalana, ary avy eo dia safidio avy ao amin’ny solosainanao ilay tahirim-pahatsiarovana.
- Mba hampidirana zavatra efa nalefanao mba ho eo amin’ny pejin’ilay olona akaikin’ny fonao, dia tsindrio ny Hisafidy avy ao amin’ny Toeram-pampisehoana fahatsiarovana.
Raha handefa sary maro indray mandeha miaraka dia, Jereo ireo torolalana ato.
Mandefa fahatsiarovana amin’ny alalan’ny fampiasana applications ho an’ny fitaovana finday:
Afaka mandefa fahatsiarovana avy amin’ny application Fahatsiarovana ho an’ny fitaovana finday sy ny application Hazon-tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday ianao. Toy izao ny fomba hanaovanao azy avy amin’ny application Fahatsiarovana ho an’ny fitaovana finday :
- Tsindrio ilay famantarana miabo (+) ao amin’ilay faribolana.
- Tsindrio ny Hampiditra raki-pahalalana na Hampiditra sary.
- Safidio ny iray amin’ireo safidy atolotra anankiroa:
- Mifantena tahirim-pahatsiarovana iray avy ao amin’ny fitaovana elektrônikanao, ary avy eo dia tsindrio ny Hampiditra.
- Ampiasao ilay endri-javatra atolotra ao amin’ny fakan-tsary mba hakanao ny votoatin-javatra. Asio fanamboarana ny sary, ary tsindrio ny Hitahiry.


Toy izao ny fomba hanaovanao azy avy amin’ny application Hazon-tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday:
- Tsindrio eo amin’ny olona iray mba hanokafana ny pejy misy ny mombamomba ny olona iray amin’ny antsipiriany.
- Tsindrio ny Fahatsiarovana
- Tsindrio ilay famantarana miabo (+).
- Tsindrio ny Hampiditra raki-pahalalana na Hampiditra sary.
- Safidio ny iray amin’ireo safidy roa samy hafa izay atolotra:
- Mifantena tahirim-pahatsiarovana iray avy ao amin’ny fitaovana elektrônikanao, ary avy eo dia tsindrio ny Hampiditra.
- Ampiasao ilay endri-javatra atolotra ao amin’ny fakan-tsary mba hakanao ny votoatin-javatra. Asio fanamboarana ny sary, ary tsindrio ny Hitahiry.


Ny application Fahatsiarovana dia manampy anao hirakitra sy handefa zavatra eo no ho eo ihany na aiza na aiza misy anao
Rehefa mandefa fahatsiarovana an’ireo olona akaikin’ny fonao amin’ny application ho an’ny fitaovana finday ianao dia hiseho ao amin’ny endrik’ireo fahatsiarovanao ao amin’ny tranonkala koa izany. Ny iray amin’ireo karazan-javatra tsara indrindra azo atao ao amin’io application io anefa dia ny fahafahana mampiditra eo no ho eo ihany raki-peo milaza tantara. Sokafanao fotsiny ilay application, dia miditra ianao ary tsindrina ilay famantarana miabo (+) eny amin’ny sisiny ankavanana. Safidio ilay sary famantarana ny hampiditra raki-peo, ary hisy efijery hiseho izay hangataka anao hisafidy lohahevitra iray, na afaka manindry ny Hanomboka ny firaketana ianao mba hiraketana maimaim-poana izay zavatra tianao.


Eto ilay ampahany izay hanaovanao safidy hiresaka momba ireo olona akaikin’ny fonao. Afaka mizara tantara fohy momba azy ireo ianao, afaka mizara zavatra izay nosoratan’izy ireo ianao na fahatsiarovana nosafidinao. Manana 5 minitra ianao hiraketana izany fahatsiarovana izany ary hitahiry izany miaraka amin’izay lohateny nosafidinao. Rehefa vitanao izany dia afaka manapaingotra izany eo amin’ny vakizoro misy ireo fahatsiarovana momba azy ireo ianao avy eo amin’ny alalan’ny fanindrina ny firaketana sy ny fanasiana anaran’izy ireo.
Azonao tsindrina koa eo amin’ny sarin’ilay olona akaikin’ny fonao, ary mampiditra tantara natao anaty horonam-peo ianao.
Ao amin’ilay application Fahatsiarovana, ireo sary dia azo ampidirina avy ao amin’ny Facebook, na Instagram, na avy amin’ny toeram-pampisehoana sary izay anao. Fomba iray tena tsara mba hampisindana ny alahelo izany rehefa mahatsapa ho ketraka ianao ary manana minitra vitsy hijerena ireo sary. Ny fampidirana azy ireo ao amin’ny application fahatsiarovana dia manome fahafahana ny hafa hahita ireo sary sy hametraka azy rehetra ao anatin’ny toerana iray mba hojerenao sy hankafizinao.
Fantaro bebe kokoa ny momba ny application Fahatsiarovana ato.
Asio fanamariham-pejy ireo fahatsiarovanao, ataovy ianao ihany no afaka mahita ireo fahatsiarovana sasantsasany, ary mampidira antsipiriany
Afaka manisy ihany koa fanamariham-pejy an’ireo fahatsiarovana an’ireo olona akaikin’ny fonao izay tianao indrindra ianao amin’ny alalan’ny application Fahatsiarovana na ao amin’ny faritra misy ny Fahatsiarovana mba hahafahanao ho tafiditra mora kokoa sy haingana kokoa ao amin’ny pejin’ireo olona akaikin’ny fonao. Fantaro ato ny fomba fanaovana izany.
Mety misy koa fahatsiarovana sasany izay tianao ho ianao ihany no hahita azy mandritra ny fotoana elaela mandra-pahatsapanao fa vonona ny hizara azy ireo ianao. Tsotra ny dingana arahina eo amin’ny solosainao. Afaka manindry havanana eo amin’ilay sary ianao ary hisy saha hiseho izay hanome lisitrana safidy azo atao. Tsindrio fotsiny ilay hoe Ataovy izaho ihany no afaka mahita avy ao amin’ny saha misy safidy atolotra. Fantaro bebe kokoa ato ny momba ny fanaovana ireo fahatsiarovana tsy ho hitan’olona afa-tsy ianao.
Ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanaraha-maso ireo fahatsiarovanao, na izany afaka ny ho hitan’ny olona rehetra na ianao ihany no mahita izany, dia ny manisy ny anaran’ilay olona akaikin’ny fonao ao amin’ilay sary mba ho voatahiry ao amin’ireo pejin’ny Fahatsiarovana izay azy ireo koa ao amin’ny Hazon-tetiaram-pianakavianao izany. Rehefa afaka ny ho hitan’ny olona rehetra ny fahatsiarovana iray dia manome fahafahana ny olona hafa hankafy ilay fahatsiarovana koa izany. Ny fanasiana anarana eo amin’ireo olona hitanao ao amin’ilay sary dia hanampy anao hanara-maso hoe iza no iza, ary hanampy anao koa hanome lanja kokoa an’ilay fahatsiarovana ho an’ireo olona izay mety mahita izany rehefa mitety ny Hazon-tetiaram-pianakaviana izy ireo.

Ny safidy iray hafa misy ao amin’ny Fahatsiarovana dia ny fampidirana famaritana ny sary tsirairay. Afaka manome antsipiriany fanampiny mikasika ny zavatra mitranga eo amin’ilay sary ianao, na mizara tantara mahafinaritra izay misy ifandraisany amin’ilay sary, na manoratra mikasika ny dikan’ilay sary ho anao.
Manaova diaporama mikasika ny olona akaikin’ny fonao
Maro ny olona mankafy ilay safidy atolotra mba hanaovana diaporama amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahatsiarovana an’ireo olona akaikin’ny fonao. Safidy iray tena tsara hita eo amin’ny vakizoron’ny Fahatsiarovana na ao amin’ny application Fahatsiarovana izany. Fidio ao amin’ny vakizoron’ny Fahatsiarovana izay an’ilay olona akaikin’ny fonao ny alibaoma izay tianao hampiasaina mba hamoronana diaporama, ary hivoaka ho anao ireo sary na fahatsiarovana izay hapetrakao ao amin’ny diaporama araka ny filaharany tianao. Azonao zaraina koa ireo diaporama ireo! Tsindrio eto mba hianarana misimisy kokoa.


Araka ny hitanao dia misy fomba maro hampidirana fahatsiarovana sy hizarana ny fiainan’ireo olona akaikin’ny fonao. Ny fakana fotoana fohy hijerena ireo fahatsiarovana ao amin’ny application Fahatsiarovana na ao amin’ny vakizoron’ny Fahatsiarovana ao amin’ny tranonkalanao dia hanampy anao hahatsiaro amim-pitiavana ireo olona akaikin’ny fonao sy hanampy anao hahatsiaro ireo fotoana niavaka izay niarahanao tamin’ireo olona akaikin’ny fonao.