Applications FamilySearch ho an’ny fitaovana finday

Pikantsarin’ny application hazon-tetiaram-pianakaviana ho an’ny fitaovana finday izay maimaim-poana avy amin’ny FamilySearch.

Application Hazon-tetiaram-pianakaviana

  • Aoreno eny am-pandehandehanana ny hazon-tetiaram-pianakavianao.
  • Ampiasao ireo torohevitra momba ny firaketana mba hahafantarana kokoa ny momba ny fianakavianao.
  • Jereo ny fifandraisanao amin’ireo mpampiasa hafa ny FamilySearch.
  • Fantaro misimisy kokoa ny momba anao sy ny fianakavianao amin’ny alalan’ireo asa atao mahafinaritra.

Alaivo ny Application Hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny:

Pikantsarin’ny application Fahatsiarovana ho an’ny finday ao amin’ny FamilySearch mba hampidirana sary.

Applications Fahatsiarovana

  • Raketo ireo zava-nitranga teo amin’ny fianakaviana sy ireo fahatsiarovana manan-danja.
  • Tehirizo ireo sarin’ny fianakaviana ary ampidiro eo amin’ireo olona ao amin’ny hazon-tetiaranao izy ireo.
  • Angony ao anatin’ny toerana iray ireo fomba fahandroan-tsakafo sy ireo diary ary ireo firaketana an’ny fianakaviana.
  • Mampidira raki-peo eo amin’ireo sarinao.

Alaivo ny application Fahatsiarovana ao amin’ny:

Pikantsarin’ny application Hirotsaka an-tsehatra ao amin’ny Android, izay mandinika ireo anarana avy amin’ireo raki-tantara.

Application Hirotsaka an-tsehatra

  • Ampio ny olona manerana izao tontolo izao hahita ny fianakavian’izy ireo.
  • Diniho ireo anarana avy amin’ireo antontan-taratasy taloha, toy ny taratasy fanamarinana ny fahaterahana sy ireo firaketana ny fanisam-bahoaka.
  • Manampia amin’ny fakana antoka fa noraketin’ny solosaina araka ny tokony ho izy ireo anarana.

Alaivo ny Application Hirotsaka an-tsehatra ao amin’ny:

    Ny fomba hahazoana ireo applications

    Ny application Hazon-tetiaram-pianakaviana ao amin’ny FamilySearch, ny application Fahatsiarovana, ary ny application Hirotsaka an-tsehatra dia azo alaina any amina sehatra maro.

    Ireo endri-javatra fanampiny

    Raha toa minitra vitsy fotsiny no anananao dia fitaovana mahatalanjona ho an’ny fandraisana anjara ao amin’ny tantaram-pianakaviana ny application Hazon-tetiaram-pianakaviana, ny application Fahatsiarovana, ary ny application Hirotsaka an-tsehatra. Mety mipetraka ao amin’ny biraon’ny dokotera ianao na miandry ny hahamasaka ny sakafo hariva ianao! Afaka mitondra fiovana ianao amin’ny alalan’ny telefaoninao na ny fitaovanao finday.

    Ireo applications ao amin’ny FamilySearch koa dia manana endri-javatra fanampiny vitsivitsy izay mahafinaritra ny manao azy miaraka amina vondrona tanora na mba hahafantarana kokoa ireo razambenao.

    Author Default Image
    Momba ilay namorona
    Alison Ensign