Lasitry ny fiteny marina ilaina ho an’ireo anarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana mba hahafahana mamita ny famandrihana ho an’ny ôrdônansin’ny tempoly

Pikantsarin’ny lisitr’ireo Famandrihana nataoko maneho hafatra izay milaza hoe “Tsy mahafeno fepetra hanatanterahana asa atao any amin’ny tempoly intsony ity olona ity. Afaka manova ny mombamomba ilay olona ianao na manafoana ny famandrihana.”

Manomboka ny taona 2023 dia mety hahita hafatra milaza tsy fetezana ianao rehefa manandrana mamandrika ôrdônansy ho an’olona izay manana olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina antsoina hoe “Olana amin’ny fiteny ho an’ny anarana” eo amin’ny pejy olona an’izy ireo ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Mety hahita io tsy fetezana io ianareo rehefa mamoaka printy ireo karatra ho an’ny famandrihana atao amin’izao fotoana izao na rehefa miomana ny hitondra anarana any amin’ny tempoly raha ahitana io tsy fetezana io ny pejin’ny olona. Amin’ireo tranga roa ireo dia mora ny mamaha ny “Olana amin’ny fiteny ho an’ny anarana”. Toy izao no hanaovana izany:

  1. Raha tsy mbola ao amin’ny pejin’ny olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao dia tsindrio ilay anarana mba hahatongavana ao. Avy eo dia mandehana hatrany amin’ny vakizoro Antsipiriany ary tsindrio eo amin’ilay pensily eo akaikin’ilay anarana.
    Pikantsarin’ny fomba hanoratana anarana eo amin’ny vakizoro Antsipiriany ao amin’ny pejin’ny olona iray ao amin’ny FamilySearch.
  2. Rehefa manoratra ilay anarana dia jereo ny karazana tarehin-tsoratra ampiasaina, ary alaivo antoka fa mitovy amin’ilay karazana tarehin-tsoratra fanoratana no nandrindrana ny lasitry ny fiteny. Ohatra, raha nampiditra tarehin-tsoratra Sinoa ianao ho an’ny anarana iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana, kanefa navelanao ho amin’ny teny Anglisy ny nandrindrana ny lasitry ny fiteny na amin’ny fiteny hafa, dia mila manova ny lasitry ny fiteny ianao mba hamahana ilay tsy fitoviana.
    Fanamarihana: Rehefa ovana ny lasitry ny fiteny, dia mety mila mamindra anarana iray ho eo amin’ny faritra marina tokony hampidirana ny tarehin-tsoratra anoratana izany ianao. Ahitana safidy maro amin’ny tarehin-tsoratra fanoratana ny sasany amin’ny lasitry ny fiteny.
    Pikantsarin’ny fanovana anarana ao amin’ny FamilySearch.org izay ahitana tsy fitoviana eo amin’ireo tarehin-tsoratra nampidirina sy ny lasitry ny fiteny.
  3. Raha mbola mipoitra ilay tsy fetezana dia mety mahita ihany koa ny FamilySearch fa misy rafi-panoratana maro ampiasaina eo amina faritra iray ho an’ny anarana. Hamarino ny faritra fenoina tsirairay mba hahitana raha mitovy amin’ny rafi-panoratana voatondro ny tarehin-tsoratra rehetra eo amin’ilay faritra fenoina, dia ahitsio araka izay ilaina ireo tarehin-tsoratra. Rehefa voafantina ny fandrindrana ny fiteny marina dia tokony ho afaka hahita ireo safidy hampidirana ireo andian-tsoratra hanoratana ny anarana raha tiana.

Ny famahana io tsy fetezana io dia manampy ny karatry ny ôrdônansy vita printy hampiseho ny anaran’ilay olona araka ny tokony ho izy. Afaka mamela ilay rafitra ihany koa izany mba haneho ireo fanoratana ilay anarana amina tarehin-tsoratra amin’ny karazana abidia hafa. Jereo ny pikantsary etsy ambany mba hahitana ohatra iray.

Pikantsary mampiseho anarana amin’ny teny Sinoa miaraka amin’ny fanoratana izany amin’ny abidia Anglisy eo ambanin’ilay izy.

Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny olana eo amin’ny fampahalalana notehirizina antsoina hoe “Olana amin’ny fiteny ho an’ny anarana”, dia vakio ity lahatsoratra ity. Raha mila fanampiana amin’ny fanovana ny fandrindrana ny fiteny eo amin’ny pejy olona dia tsidiho ity lahatsoratra ao amin’ny Ivon-toeram-panampiana ity:



Ato amin’ny FamilySearch dia mieritreritra hatrany ny hampifandray anao amin’ny fianakavianao izahay, ary manolotra zava-baovao mahafinaritra sy tolotra momba ny tantaram-pianakaviana maimaimpoana. Nahoana? Satria sarobidy aminay ny fianakaviana ary mino izahay fa ny fampifandraisana taranaka dia afaka manatsara ny fiainantsika amin’ny ankehitriny sy mandrakizay. Izahay dia sampan-draharaha tsy mitady tombontsoa natao ho an’ny besinimaro tohanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo zavatra inoanay dia tsindrio eto.

Momba ilay namorona