“Olana amin’ny fiteny nanoratana ilay anarana”— Olana Vaovao momba ny angon-drakitra ao amin’ny : hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Two Japanese men looking at photos and a genealogy book while typing ancestor names into an online family tree.

Azon’ny mpampiasa atao ny mamaritra ny fiteny ampidirana ilay anarana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch (ohatra, Espaniola, Sinoa, sns). Manomboka amin’ny 2023, ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia hampiseho fampandrenesana fa misy olana vaovao rehefa misy tsy fitovian’ny anarana eo amin’ilay rafi-panoratana ampiasaina sy ny lasitry ny fiteny nampidirana ilay anarana.

Ity fampandrenesana ity dia hanampy manokana ireo mpampiasa izay mampiditra ny anaran’ny razambe amin’ny alalan’ny rafi-panoratana toy ny Sinoa, Japoney, Koreana, Rosiana, na Thai. Hamantatra ny rafi-panoratana miasa ilay Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ary hasehony eo raha misy tsy mifanentana. Ny fanovana ny lasitr’ilay fiteny ho an’ny anaran’ny razambe dia hanampy ny mpampiasa hahita safidy manokana amin’ny fiteny ho an’ilay anarana ary hampiseho sy hikaroka izany araka ny tokony ho izy ao amin’ilay Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Toy ny ahoana ny fisehon’ilay fampandrenesana momba ilay olana?

Io fampandrenesana momba ilay olana eo amin’ny firaketana io dia hiseho miaraka amin’ny teboka mivohitra mena ary hisy marika hoe “Olana amin’ny fiteny nampidirana ilay anarana.”

Rehefa mampiditra olona vaovao ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao dia hiseho avy hatrany ny fampandrenesana momba ilay olana amin’ilay firaketana raha mahita tsy fitovian’ny fiteny ilay izy.

Pikantsarin’ny fomba fampidirana olona iray ao amin’ny FamilySearch izay maneho “olana amin’ny lasitr’ilay fiteny ampiasaina” mampiseho fa tsy mifanentana ireo teny nosoratana.

Rehefa ao amin’ny pejin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ianao dia afaka mahita raha manana io olana io ianao amin’ny alàlan’ny fandehanana any amin’ny vakizoro misy ny Antsipiriany ary jereo ilay efajoro fanaovana fikarohana eo amin’ny tsanganana havanana.

Pikantsarin’ny pejin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch , misy fampandrenesana fa misy “olana amin’ny fiteny nanoratana ilay anarana” hita ao amin’ilay faritra fanaovana fikarohana.

Azonao atao ihany koa ny mahita azy amin’ny fijerena ilay hazon’ny tetiararana raha toa ka natao hanehoana ireo olana momba ireo firaketana ny sivana napetrakao:

Pikantsarin’ny pejin’ny olona iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch izay misy hafatra milaza hoe “olana amin’ny lasitr’ilay anarana” izay mampiseho fa misy diso ka miendrika teboka mivohitra mena.

Inona no mahatonga ilay olana amin’ilay angon-drakitra?

Ilay “olana amin’ny fiteny nanoratana ilay anarana,” izay olana mifandray amin’ny angon-drakitra dia misy antony 3 azo eritreretina:

Ny fomba nandrafetana ny endriky ny fiteny dia tsy mifanaraka amin’ilay endri-tsoratra ampiasaina nampidirana ilay anarana.

Pikantsarin’ny fampidirana razambe iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch, miaraka amin’ny anarana Japoney nampidirina  tao amin’ilay faritra amin’ny fiteny anglisy.

Nisy endri-tsoratra nampidirina tao amin’ilay faritra tsy izy.

Pikantsarin’ny fampidirana razambe iray ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch sy ny fampidirana ireo tarehin-tsoratra Japoney nampidirina tao amin’ilay faritra tsy izy.

Ny faritra iray dia misy endri-tsoratra maro ao aminy.

Pikantsarin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana an’ny FamilySearch izay nampiana tarehin-tsoratra Japoney sy Romanina amin’ilay faritra iraisana, natao ho an’ny Kanji Japoney.

Inona no hamahana ilay olana amin’ilay angon-drakitra?

Ny famahana ilay “olana amin’ny fiteny nanoratana ilay anarana” dia mahasoa amin’ny fampiasanao ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana amin’ny tetiaranao amin’ny fomba maro:

  • Mamela anao hifehy bebe kokoa ny fomba fanehoana ny anaran’ny razambenao anatin’ilay fijerena rohim-pihavanana. Ao amin’ny fikirakirana (paramètres) dia azonao atao ny misafidy izay endri-tsoratra tianao aseho.
  • Manatsara ny Voka-pikarohana ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana izany.
  • Manampy amin’ny famantarana ny mety ho dika mitovy misy amin’ny fomba mazava kokoa izany.
  • Raha betsaka kokoa ny rakitsoratra voarakitra an-tsoratra sy asiana fanondroana amin’ny hoavy, dia afaka mahita toro-hevitra tsara kokoa momba ny firaketana ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.

Ahoana no fomba hamahana ilay olana amin’ilay angon-drakitra?

Mba hamahana ny “olana amin’ny fiteny nanoratana ilay anarana” dia ovainao fotsiny ilay anarana mba hampiasana ny endri-tsoratra mifanaraka amin’ny lasitr’ilay fiteny na hanova ny fikirakirana (Paramètres) an’ny lasitr’ilay fiteny mba hifanaraka amin’ny anaranao.

Fanontaniana apetraka matetika

Inona avy ireo karazana lasitra fiteny misy amin’izao fotoana izao?
Ahoana raha te ampiasa lasitra fiteny tsy misy amin’izao fotoana izao aho?
Azo ialana ve ity olana amin’ny angon-drakitra vaovao ity?
Ahoana raha natao tamin’ny lasitr’ilay fiteny ao amin’ny Hafa ny fiteny napetraka ho an’ny razambeko?
Inona ireo olana amin’ny angon-drakitra an’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?

Lahatsoratra mifandray

Momba ilay namorona