Ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny vondrom-pianakaviana iray dia sady afaka mahita no afaka manova ny fampahalalana rehetra ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana. Izany dia mamela ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana ohatra, mba hizara sary sy fahatsiarovana momba azy ireo.
Afaka misafidy ny olona hanombohany manokana mba ho ampiasainy ihany koa ny mpikambana ao amin’ny vondrona rehefa mampiseho ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.
Ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny vondrona dia tokony hahafantatra sy hanaraka ny torolalana momba ny fitanana ny tsiambaratelo, ny fepetra mifehy ny fampiasana ny FamilySearch, ary ny fitsipika mifehy ny fitondrantenan’ny vondrona.
Ireo mpandray anjara dia manana andraikitra haka antoka fa manana ny zo sy ny fanomezan-dalana hizara fampahalalana ao amin’ny vondrona izy ireo, isan’izany ny mombamomba ny tena manokana an’ireo olona mbola velona.
Olona mbola velona
Ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny vondrom-pianakaviana iray dia sady afaka mahita no afaka manova ny fampahalalana rehetra ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.
Tsy misy fomba ahafahan’ny mpampiasa iray manidy ny firaketana momba azy ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana mba hanakanana ireo olona hafa ao amin’ny vondrona hanova izany.
Razambe
Ny mpandray anjara rehetra ao amin’ny vondrona dia afaka mahita sy manova ireo razambe izay mifandray amin’ireo olona velona ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana.
Ny zavatra lehibe mampiavaka ny olona velona sy ny maty ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana dia ny hoe ao amin’ny hazon’ny tetiarana hitan’ny besinimaro no misy ireo razambe, ary afaka mahita sy manova ny fampahalalana ao amin’izany ny olona rehetra mpampiasa ny FamilySearch.
Tsy misy fomba hanaisorana ny razambe ao amin’ny hazon’ny tetiarana hitan’ny besinimaro mba hahatonga izany ho tsy misy afaka mahita na afaka manova afa-tsy ny vondrom-pianakaviana iray fotsiny ihany.
Olona tsiambaratelo
Raha manana olona tsiambaratelo ao amin’ny lisitry ny olona tsiambaratelonao ianao, dia azonao adika ho ao amin’ny hazon’ny tetiaran’ny vondrom-pianakaviana iray izy ireo ary izarao fomba ahafahana miditra ao amin’ny fampahalalana ireo mpandray anjara ao anatin’ny vondrona. Amin’io ihany ireo razambe no tsy misy mahita afa-tsy ireo mpandray anjara ao anatin’ny vondrona.
Lahatsoratra mifandray
Ahoana no iarovan’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ny tsiambaratelon’ny olona mbola velona?
Iza no afaka mahita ny mombamomba ny olona velona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Iza no afaka mahita ny mombamomba ireo olona tsiambaratelo ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?