Ny fijerena ny mombamomba ireo olona tsy afaka hitan’ny rehetra ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana dia voafetra. Tokony hieritreritra ny hametraka ny fahitana fahatsiarovana ho tsy azon’ny rehetra jerena na voafetra ny mpampiasa.
Fampahalalana momba ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana
Raha toa ny mombamomba ilay olona ka ao amin’ny hazonao ao amin’ny FamilySearch (ilay hazonao manokana) dia ianao ihany no afaka mahita ny fampahalalana ao amin’ny tetiarana sy ny pejin’ilay olona.
Raha ao amin’ny hazon’ny vondrom-pianakaviana ny mombamomba ilay olona, dia afaka hitan’ny mpikambana rehetra ao amin’ny vondrona izany.
Raha tsy fantatrao hoe hazo inona no misy anao dia jereo ny ilany ankavia indrindra ao amin’ny zava-misy ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana.
Ireo fahatsiarovana
Ireo fahatsiarovana rehetra, na dia ireo izay mipaingotra amin’ny olona tsy afaka hitan’ny rehetra aza, dia azon’ny rehetra jerena raha tsy nisy n’inona n’inona novaina ary azo tadiavina tsara:
- Azo zaraina amin’ny alalan’ny fampiasana rohy, na ny tambajotran-tserasera na ny mailaka izy ireny.
- Azo tadiavina amin’ny alalan’ny fikarohana tenifototra manasokajy lohahevitra ao amin’ny Ireo Fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch izy ireny.
- Mety ho hita amin’ny alalan’ny Google na fitaovam-pikarohana hafa izy ireny.
Raha toa ka mety ny hanaovana izany dia afaka mamela ny fahafahana mijery ilay fahatsiarovana ho azon’ny besinimaro jerena ianao. Raha toa ka tsy mety ny hanaovana izany dia mandroso izahay ny hanokafanao ilay fahatsiarovana ary ny hanovanao ny fahafahana mijery izany mba ho ana olona manokana (ianao irery ihany) na voafetra (ireo mpikamban’ny vondrom-pianakaviana iray ihany).
Jereo ny Fanekena momba ny fandefasan-javatra ato aminay mialoha ny hampidirana fahatsiarovana ao amin’ny FamilySearch.
Lisitr’ireo fanovana natao
Indraindray ny olona tsy afaka hitan’ny rehetra iray dia ampifandraisina amina olona efa maty izay afaka hitan’ny mpampiasa ny FamilySearch rehetra.
Raha toa ny mpampiasa iray hafa manambatra na mamafa ilay olona afaka hitan’ny besinimaro izay efa maty dia manavao ny lisitr’ireo fanovana natao ho an’ilay olona mbola velona na tsy afaka hitan’ny besinimaro ny FamilySearch mba hampisehoana fa nisy fanovana natao teo amin’ny rohim-pifandraisana eo amin’ilay olona tsy afaka hitan’ny besinimaro sy ilay olona efa maty.
Izany fanavaozana izany dia mety hampiseho ny laharana ifandraisana an’ilay mpampiasa izay nanambatra na namafa. Tsy nahita ny mombamomba ilay olona tsy afaka hitan’ny besinimaro io mpampiasa io.
Lahatsoratra mifandray amin’ireto
Ahoana no mahatonga ny olona ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana ho voamarika ho tsy afaka hitan’ny besinimaro?
Moa ve aho afaka mandravona olona verin-droa mbola velona sy tsy afaka hitan’ny besinimaro ao amin’ny Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?
Azoko zaraina ve ny fahafahana miditra ao amin’ny mombamomban’ny olona mbola velona sy tsy afaka hitan’ny besinimaro ao Hazon’ny tetiaram-pianakaviana?