Diso ny vadin’ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana

Azonao hitsiana amin’ny fotoana rehetra ny fanazavana diso momba ny mpivady. Ireto avy ny dingana arahina hamafana na hanoloana vady diso.

Torohevitra kely: mety hampatahotra anao ny mamafa na manolo ny firaketan’olona iray. Matokisa anefa fa mbola azonao foanana ny fanovana nataonao ao amin’ny Fanovana Faramparany. Ho mora aminao koa ny mitady ireo olona voafafa na nosoloinao raha tadidinao ny laharana ID.

Dingana (tranonkala)

  1. Eo amin’ny zava-misy eny amin’ny farany ambony, tsindrio ny Rafi-tetiarana, ary tsindrio avy eo ny Tetiarana.
  2. Tadiavo eo amin’ny rTetiarana ilay vady diso.
  3. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany. Ho voatarika any amin’ny pejin’ilay olona ianao.
  4. Tsindrio ilay vakizoro Antsipiriany .
  5. Jereo ny fizarana hoe Lisitry ny Fianakaviana.
  6. Ho hitanao eo ambanin’ilay hoe Vady sy Zanaka ireo havany. 
  7. Eo amin’ny efajoro mampiseho an’ilay vady diso, tsindrio ilay famantarana hoe Hanova ( ).
  8. Tsindrio ilay hoe Hanala na Hanolo eo akaikin’ilay vady diso. 
  9. Tsindrio ilay efajoro fanamarinana eo amin’ny hoe Hanala na Hanova eo amin’ny efijerinao, mba hanamafisana fa nohamarininao ny rohim-pihavanan’izy ireo, ny loharanony, ary ny fanamarihana. 
  10. Ataovy ny iray amin’ireto:
    1. Mba hanalana vady diso, tsindrio ny hoe Hanala Olona. Hazavao ny antony, avy eo tsindrio ny hoe Hanala.
    2. Mba hanoloana vady diso, tsindrio ny hoe Hanolo Olona. Hiseho ilay efijery hoe Hanolo Olona.
      • Raha fantatrao ny laharana ID an’ilay vady, dia tsindrio ny hoe Hitady amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana, ampidiro ilay laharam-pamantarana, ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hitady. Tsindrio ny Hanampy Olona. Hazavao ny anton’ilay fanovana, avy eo tsindrio ny hoe Hanolo.
      • Raha fantatrao ny laharana ID an’ilay vady, dia fenoy ilay fanaovana fikarohana, avy eo tsindrio ny Manaraka. Raha miseho ilay olona tena izy, tsindrio ny Hanampy Olona. Raha tsy izany, dia tsindrio ny hoe Hamorona Vaovao mba hamoronana firaketana vaovao. Hazavao ny anton’ilay fanovana, avy eo tsindrio ny hoe Hanolo.

Dingana (application mobile)

  1. Midira any amin’ny pejin’ilay Olona izay diso ny vadiny.
  2. Tsindrio ny hoe Vady
  3. Tsindrio ilay sarina pensilihazo eo ambany ankavanan’ny anaran’ilay vady diso.
  4. Tsindrio ny hoe Hamafa na Hanolo Vady.
  5. Mariho ilay efajoro malalaka raha efa namaky ny fanazavana momba ny fanalana sy fanovana vady ianao.
  6. Ataovy ny iray amin’ireto:
    1. Rehefa mamafa ny vady iray ianao dia tsy maintsy miova ny rohim-pihavanan’ilay mpivady, ary ho voafafa ny rohim-pihavanany amin’ny zanany izay miseho eo. Raha tsy tena azonao antoka hoe iza ilay vady kanefa fantatrao hoe tafiditra tsy nahy tao ilay vady, dia izao no ataovy.
      • Mba hanalana ilay vady diso, tsindrio ny hoe Hanala. Hazavao ny antony, avy eo tsindrio ny hoe Hanala.
    2. Rehefa soloinao ilay vady, dia hipetaka eo amin’ny fifandraisan’ny mpivady ilay vady marina ary mifandray amin’ny zanany izy ireo. Afaka mifidy ny vady marina ianao rehefa manindry ny hoe Hanolo.
      • Mba hanoloana vady iray diso, dia tsindrio ny hoe Hanolo
        • Raha fantatrao ny laharana ID an’ilay vady:
          • Android: Tsindrio ny hoe Hitady amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana. Ampidiro ilay laharam-pamantarana, ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hanohy. Hazavao ny antony maha-marina ilay fanazavana, avy eo tsindrio ny Hanolo.
          • Apple iOS: Tsindrio ny Hampiditra amin’ny alalan’ny lahararam-pamantarana. Ampidiro ilay laharam-pamantarana, ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hanohy. Tsindrio ny Hanampy an’ilay hita. Hazavao ny antony maha-marina ilay fanazavana, avy eo tsindrio ny hoe Hanolo.
        • Raha tsy fantatrao ny laharana ID an’ilay vady:
          • Fenoy ilay fanaovana fikarohana, avy eo tsindrio ny hoe Hanohy. Mariho hoe mbola velona sa efa maty ilay vady, ary avy eo dia tsindrio ny hoe Hanohy. Raha hitanao eo amin’ny lisitra ilay olona marina, dia tsindrio ny Hanampy an’ilay hita. Raha tsy izany dia ampiasao ilay fikarohana mba hamoronana firaketana vaovao. Hazavao ny anton’ilay fanovana, ary tsindrio ny Hanolo.

Dingana (Family Tree Lite)

  1. Rehefa tafiditra ao amin’ny Family Tree Lite ianao, dia tadiavo ao amin’ilay pejy hoe Olona ilay olona tadiavinao.
  2. Tsindrio ny hoe Hijery ny Fianakaviany, eo ambanin’ny anarany.
  3. Ho hitanao eo ambanin’ilay hoe Vady sy Zanaka ireo rohim-pihavanana amin’ny vady.
  4. Tsindrio ilay hoe Hanova izay misy misy sary famantarana eo anelanelan’ilay olona sy ny vadiny.
  5. Tsindrio ny hoe Hanala na Hanova eo ambanin’ny anaran’ilay vady diso. 
  6. Ataovy ny iray amin’ireto:
    1. Mba hanalana vady diso iray, dia tsindrio ny bokotra hoe Hanala mifanandrify aminy.
    2. Mba hanalana vady diso iray, dia tsindrio ny bokotra hoe Hanolo mifanandrify aminy. Hiseho ilay efijery hoe Hanolo Olona.
      • Raha fantatrao ny laharam-pamantara an’ilay vady, dia tsindrio ny hoe Hitady amin’ny alalan’ny laharam-pamantarana, ampidiro ilay laharam-pamantarana, avy eo tsindrio Hitady. (Tsy mampiditra ho azy ny tsipi-panohizana sy mamadika ho sora-baventy ireo litera amin’ny laharam-pantarana ny FamilySearch. Tsy maintsy atao tanana izany.) Tsindrio ny hoe Hanampy Olona.
      • Raha fantatrao ny laharana ID an’ilay vady, dia fenoy ilay fanaovana fikarohana, avy eo tsindrio ny Manaraka. Raha miseho eo ilay olona na mpivady tena izy, dia tsindrio ny hoe Hanampy Olona na Hanampy Mpivady. Raha tsy izany dia, mamorona firaketana vaovao momba ny ray aman-dreny, ka tsindrio ny Hamorona Olona

Dingana manaraka

Rehefa manala na manova vady diso iray ianao, dia hiova koa ny rohim-pihavanana ray aman-dreny sy zanaka izay miseho eo ambanin’ilay mpivady. Raha mbola mifandray amin’ny tsy tena ray aman-dreniny ihany ny zanaka iray, dia mety mbola hita ao amin’ny havany ihany izay ilay vady diso. Esory ny rohim-pihavanana ray aman-dreny sy zanaka amin’ilay vady diso mba hanitsiana izany olana izany.

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no hanitsiako ny rohim-pihavanana ray aman-dreny sy zanaka ao amin’ny rafi-tetiarana?
Ahoana no ahitako ny fanazavana novana momba ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no ampidirako havana iray eo amin’ny rohim-pirazanana ao amin’ny Rafi-tetiarana?
Ahoana no hanampiako na hanovako fanazavana momba ny fanambadiana ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Nanampy anao ve ity?