Ahoana no ahitako ny fanazavana novana momba ny olona iray ao amin’ny Rafi-tetiarana?

Mamela anao hanamarina ireo fanovana rehetra nataon’ny hafa amin’ny razambenao ao amin’ny Rafi-tetiarana ilay hoe Fanovana Faramparany. Afaka mandà ilay fanovana ianao na mifandray amin’ilay olona nanao ilay fanovana.

Mamporisika anao izahay mba hifandray amin’ilay olona, satria mety miraiki-po amin’ny razambeny toa anao koa izy. Mety ho afaka hiara-hiasa koa ianareo ka ho feno sy ho tsara kokoa ny tantaran’ny razambenareo.

Dingana (tranonkala)

  1. Midira ao amin’ny FamilySearch, avy eo tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana.
  2. Tsindrio ny hoe Rafi-tetiarana.
  3. Tadiavo ilay olona tianao hojerena ny fanovana natao taminy.
  4. Tsindrio ny anarany. Rehefa misy hafatra mipoitra eo, dia tsindrio indray ny anarany.
  5. Tsindrio ny hoe Antsipiriany.
  6. Jereo eo ankavanana ilay hoe Fanovana Faramparany, avy eo tsindrio ny hoe Aseho Izy Rehetra.
    1. Raha te hijery manokana ireo fanovana momba ny havana iray, dia tadiavo eo amin’ny Lisitry ny Fianakaviana ilay havana, avy eo dia tsindrio ilay hoe Hanova izay misy famantarana. Midìna dia tsindrio ny hoe Hijery ny Fanovana Rehetra.
  7. Raha ny tokony ho izy, dia izay fanovana vao haingana no hiseho voalohany. Raha tianao hosivanina ilay lisitra mba hitadiavana fanazavana manokana, tsindrio ny hoe Sivanina. Fidio izay fanazavana tadiavinao.
  8. Raha misy soratra hoe Hamerina eny ankavanana, dia azonao lavina ny fanovana iray:
    1. Tsindrio ny Hamerina.
    2. Hisy hafatra mipoitra eo, dia hamarino ilay fanazavana.
    3. Tsindrio ny Hamerina.
  9. Raha misy soratra hoe “Loharanon-kevitra” eny ankavanana, dia misy fanazavana fanampiny azonao jerena ao:
    1. Tsindrio ny hoe Loharanon-kevitra.
    2. Tadiavo ao ny hoe Hamerina.
  10. Raha te hifandray amin’ilay mampiasa FamilySearch izay nanao ilay fanovana, dia tsindrio ny mombamomba azy. Azonao ampiasaina mba hifandraisana ilay fandefasana hafatra ao amin’ny FamilySearch.

Dingana (application mobile)

  1. Sokafy ilay application Rafi-tetiarana, ary tadiavo ilay razambe. 
  2. Tsindrio ireo teboka 3 eny ambony ankavanan’ny efijerinao, mba hanokafana ny firafitra.
  3. Rehefa miseho ilay firafitra, dia tsindrio ny hoe Fanovana Vao Haingana, raha Android ny fitaovanao. Raha Apple iOS ny fitaovanao, dia tsindrio ny hoe Misimisy, avy eoFanovana Vao Haingana.
  4. Hahita lisitra misy ireo fanovana ianao. Raha azonao lavina ny fanovana iray, dia hiseho ilay bokotra hoe Hamerina. Raha te hifandray amin’ilay olona nanao ny fanovana ianao, dia tsindrio ny anaran’ilay olona. Afaka mifandray aminy ianao raha nizara ny fomba hifandraisana aminy izy. Na mandefasa hafatra amin’ny alalan’ny FamilySearch.  

Dingana (Family Tree Lite)

Tsy afaka jerena ao amin’ny Family Tree Lite. ireo Fanovana Faramparany. Tsidiho ny tranonkala fenon’ny appli Rafi-tetiarana raha te hampiasa izany ianao.  

Lahatsoratra mifandray

Ahoana no ataoko raha te handefa hafatra ho an’olona iray nampiditra Rafi-tetiarana na Fahatsiarovana?

moduleTitle